Cablegate: Lesona momba ny teknolojian'ny fangaraharana

Fanazavana mialoha ny inona ny atao hoe Cablegate: Ny dikan'ny hoe “Cablegate” dia “Raharahan'ny naoty na telegrama” na “Fanafintohinana momba ny naoty na telegrama” na mety hazava kokoa amin'ny teny frantsay hoe “scandale des télégrammes [notes diplomatiques]”, tahirin-kevitra notazonina ho tsiambaratelo nisy namoaka izany no resahina ao anatin'izy ity. Hazava amintsika kokoa angamba ny resaka raha mahatsiaro ny antsoina hoe “Watergate” na “Irangate” isika.

Heniky ny Cablegate na aiza na aiza. Afa-mamaky azy ianao any amin'ny gazety nomerika na vita pirinty manerantany; ahitanao azy amin'ny alalan'ny rohy ifampizarana any amin'ny valan-tserasera any; azonao arahina ny tenifototra #cablegate ao amin'ny Twitter; afa-mamaky bolongana ampolony ianao; maheno ny momba azy ity ianao amin'ny radio. Ny telegrama mahatratra hatramin'ny 250.000 ifandraisan'ny Departemantam-panjakana sy ny Masoivoho Amerikana antsoina hoe “Cablegate” avoakan'ny Wikileaks no raharaha mahoraka indrindra eo amin'ny gazety sy ny fitondrana isan-karazany amin'izao fotoana izao: Nampihena ny elanelana eo amin'ny olom-pirenena sy ny fifampitam-baovao saro-pantarina any amin'ny governemanta ny teknolojia, ary dia mafana aoka izany adihevitra momba ity raharaha manerantany.

Araka izay efa navoitran'i Geert Lovink sy i Patrice Riemens ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe “Petra-kevitra Folo momba ny Wikileaks,” dia nampiasa ny teknolojia ny famoahan'ilay fikambanana vaovao saropady an'ny fitondram-panjakana mba hanintonana ny sain'olona an-tapitrisany:

Wikileaks manages to capture that attention by way of spectacular information hacks where other parties, especially civil society groups and human rights organizations, are desperately struggling to get their message across. Wikileaks genially puts to use the ‘escape velocity’ of IT — using IT to leave IT behind and irrupt into the realm of real-world politics.

Tamin'ny alalan'ny fangalaram-baovao [piratazy] henjana dia henjana no nahombiazan'ny Wikileaks nisintona ny sain'ny olona raha sahirana dia sahirana kosa ny hafa, indrindra fa ny fiaraha-monina sivily na fikambanana mpiaro ny zon'olombelona, vao mahatafita ny hafatra tiany alefa. Tamim-pahakingana no nampiasan'ny Wikileaks ny «halakim-pandosiran'» ny teknolojia vaovao (TI), mampiasa ny teknolojia vaovao ka mampahatratra aoriana ny teknolojia vaovao ary dia mipongatra mankany amin'ny zavamisin'ny politika misy manerana izao tontolo izao

Fa inona ny fitaovana ampiasainy hisintonany ny fifantohan'ny olona mbamin'ny fampahalalam-baovao, ary koa hanovany ny fanafinafenana fanaon'ny governemanta izay iadian'izy ireot? Ary ny tena zava-dehibe dia inona no ataon'ny olo-tsotra handraisany anjara amin'ity antso hampadio ny resaka diplomasia ity eo noho eo sy amin'ny fomba vaovao?

Fampitam-baovao mahazatra no mpiara-miasa

Fampitam-baovao iraisam-pirenena lehibe dimy — ny The Guardian, Le Monde [fr], El País, Der Spiegel, ary ny New York Times — no omen'ny Wikileaks laharam-pahamehana mialoha hahita ireo telegrama ireo. Miaraka amin'ny famoahan'ireo gazety mahazatra ireo ny antontan-kevitra izay avoakan'ny Wikileaks an-tserasera — sy avoakan'ireo fikambanan'ny fangaraharana an-tserasera — no ahazoany mpamaky sy mpanara-baovao maromaro kokoa sy ivoahan'ny vaovao amin'ny endriny samihafa. Nahatery ny Departemantam-panjakana Amerikana U.S ho anisan'ny resaka ny sioka tsy miato avoakan'ny Wikileaks’ amin'ny Twitter nandritra ny valandresaka nifanaovana tamin'ny gazety iraisam-pirenena izay maka loharanon-kevitra azy ireny.

Fitaovam-pijerena

Mampiasa kisarisary mora azo ny ankamaroan'ny gazety miara-miasa amin'ny Wikileaks’ mbamin'ny vohikala Cablegate entiny mampita ny antontan-kevitra amin'ny fomba tsotra. Ny Information Aesthetics moa dia nitety ny teknikam-pijerena isankarazany. Somary tamin'ny fomba hafa kosa ny ataon'ny Fast Company , amin'ny fananganana Wordle miorina amin'ny telegrama.

Cablegate Wordle

Cablegate Wordle avy amin'ny Fast Company

Crowdsourcing [fiaraha-mientana an-tserasera]

Nametraka fomba hahafahan'ny mpampiasa rehetra na aiza na aiza manerana izao tontolo izao mahita vetivety izay telegrama mahaliana azy tsirairay avy ny Cablegate ary afaka manao tsoa-kevitra manokana avy amin'izay novakiany. Manasa ny mpiserasera hikaro-baovao tamin'ny tamin'izay zava-nitranga tany amin'ny fireneny ny Wikileaks. Afaka mijery amin'ny alalan'ny daty nisehoana trangan-javatra goavagoavana ny tsirairay hanamarinany raha mety hahita resaka misompirana momba izany avy amin'ireo telegrama navoaka ary mizara ny fanadihadiany amin'ny fitaovan'ny Web 2.0. Endrika fandraisana andraikitra ifarimbonan'ny rehetra na aiza na aiza eto an-tany izany no ivoahany amin'ny ankapobeny. Mahazo tombontsoa avy amin'ny zany ny fikambanana hafa ka mandrisika ny olona ao aminy “hisiki-ponitra” hikaroka vaovao mety mahaliana ao amin'ny telegrama: Ny bolongan'ny National Security Archive [tahirin'ny Fiarovam-pirenena] “Unredacted” moa dia namoaka torolalana amin'ny fomba famaky ny antontan-kevitry ny Departemantam-panjakana sy ny lisitry ny fanafohezanteny fampiasa matetika amin'ny telegrama.

Mandrisika ny olona hizara izay hitany ny Wikileaks:

Pick out interesting events and tell others about them. Use twitter, reddit, mail whatever suits your audience best. For twitter or other social networking services please use the #cablegate or unique reference ID (e.g. #66BUENOSAIRES2481) as hash tags.

Tsimpony izany tranga mahaliana dia ampitampitao. Ampiasao ny twitter, reddit,mailaka na izay fomba tsara mety amin'ny mpamakinao. Amin'ny twitter na valan-tserasera hafa dia iangaviana mba hampiasa ny #cablegate na ny fanondroana ID manokana (ohatra #66BUENOSAIRES2481) ho tenifototra.

Angamba miatrika fiovam-potoana isika, izay isoloan'ny feon'olompirenena ny bitsibitsiky ny tsiambaratelo afenin'ny varavarana mikaton'ny raharaham-bahiny ary mety hisokatra kokoa ny resaka diplomasia. Nefa mety tsy ho izany koa. Na izany na tsy izany, hanana ny modely izay harahiny izao tontolo izao aorian'ny famoahana ireo telegrama ireo ho fanta-bahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.