Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Iran: Jiolahin'ny solosaina avokoa isika rehetra

Smashed computer screen

ary dia mieritreritra ianao fa nanana olona tamin'ny solosaina avy amin'i Amanda Tetrault ao amin'ny Flickr (CC-BY)

Manana lalàna eo ampelatanany ahafahany miampanga ny mpampiasa aterineto rehetra ho jiolahy ny fitondrana Iraniana.

Nolanian'ny antenimiera iraniana tamin'ny janoary 2009 ny “Lalànan'ny heloka eo amin'ny solosaina” (singany ao amin'ny andininy miisa 56) . Fitaovana nentina nanenjehana sy namaizana mpamaham-bolongana sy mpazoto an-tserasera izyio, nefa tsy mba nanaitra ny olo-tsotra sy ny mpandinika ireo andininy ireo.

Andeha ange hojerentsika ny fifangaroana, ny saritaka ary ny bemirain'ny lalàna mikasika ny fampiasana aterineto sy ny votoaty an-tserasera.

Indreto ny sokajin-keloka lehibe ao amin'ny lalàna momba ny solosaina [serasera], araka ny voasoratra ao amin'ny bolongan'ny mpampanoa lalàna revolisionera iray (nohamarinina tamin'ny loharano roa samihafa):

A – Votoaty tsy mendrika
B – Votoaty mankahala ny Silamo
C – Manohintohina sy manelingelina ny eny an-dalambe
D – Votoaty mahavoaheloka raha oharina amin'ny zon'ny mpamorona amin'ny sary sy feo
E – Votoaty mandrisika, manasa na miantsy ny hafa hanao heloka bevava
F – Votoaty manohitra ny rafi-panjakana sy ny andraikiny
G – Votoaty manamora ny heloka an-tserasera

Tsy misangy

Lojika ihany raha voarara ny famoahana sy fampielezana zavatra manohintohina resaka Islamika ao amina Repoblika Islamika iray, fa mbola lasa lavitra kokoa ny famaritana ny votoaty mahameloka. Heverina ho heloka ihany koa ny fanompana na fanesoana ny fanjakana, ny rafi-panjakana mbamin'ny manampahefana.

Izany hoe raha lazaina amin'ny fomba hafa dia mety ho voampanga ho mandika lalàna an-tserasera [solosaina] ianao raha manompa ny mpitarika an'i Iran sy ny mpaminany ary ny fivavahana, eny fa na dia ny  mivazivazy sy manao resaka mampihomehy momba ny fitaterana sy ny orinasan'ny herinaratra tantanin'ny fanjakana aza. Marina izany. Fandikan-dalàna ihany koa ny manakorontana ny saim-bahoaka amin'ny orinasa tantanin'ny fanjakana sy ny manampahefana.

Aza mandanilany foana, aza mametraka rohy

Fandikan-dalàna ihany koa ny votoaty mandrisika, manasa na miantsy ny hafa hanao heloka bevava,  fa tahaka izany ihany koa ny fandrohizana (amina votoaty mety ho efa voasivana), izay azo heverina ihany koa ho zava-dratsy toy ny fampiroboroboana ny herisetra, rongony na afera maizina na zavatra hafa ihany koa. Nosokajian'ny mpanao lalàna ao amin'ny Repoblika Islamika ho fandikan-dalàna ihany koa ny fandrisihana ny olona hanao “fandanindaniam-poana” . Izany hoe raha lazaina amin'ny fomba hafa dia hohadihadiana ihany koa izay mampiasa ny aterineto ho fanaovana dokambarotra na famarotan-javatra. Tsy nofaritana mazava moa ny voambolana “fandanindaniam-poana” ka mampametraka fisalasalana.

Midadasika kokoa noho ny  heloka andavanandro

Tsy manara-dalàna ihany koa ny famoahana fampielezan-kevitra na lahatsoratra manohitra ny Repoblika Islamika, mifanohitra amin'ny Lalampanorenan'i Iran, na miteraka fanohintohinana ny tarigetran'ny Repoblika Islamika. Maro tamin'ny mpandinika moa no gaga rehefa nampangain'ny Fitsarana Iraniana ho nandray anjara tamin'ny fanonganam-panjakana nandritra ny fihetsiketseham-panoherana ny voka-pifidianana tamin'ny jona 2009 ny Facebook sy ny vohikala hafa maro. Izany hoe raha vao tafiditra ao anatin'ny voafaritra ho heloka an-tserasera ny votoaty iray dia heverina ho nahavita heloka ny asam-pitantarana fiaraha-monina tsotra.

Tsy misahana ny votoaty ihany ity fanjavozavoan'ny lalàna ity fa mahatafiditra ny fomba fampiasana aterineto amin'ny ankapobeny mihitsy. Araka ny voasoratra ao amin'ny andininy iray amin'ny lalàna dia tsy misy mananjo hahazo mampiasa “fampielezana aterineto iraisam-pirenena [avy any ivelany]” raha tsy mahazo alalana amin'ny fifandraisana. Ny voambolana Persan [پهنای باند بین المللی] moa io nadikako ho  ”fampielezana iraisam-pirenena” io fa tsy dia mazava loatra izay tena tiany hambara. Ny mpazoto an-tserasera Iraniana roa, Amin Sabeti sy Arash Kamangir, dia samy mieritreritra avokoa tamin'ny imailaka nalefan'izy ireo ho ahy fa manjavozavo io fandrarana io ary nanamarika fa angamba miresaka momba ny fahazoana aterineto amin'ny alalan'ny zanabolana izay voarara any Iran io. Fa mety ho mifandraika ihany koa amin'ny fampiasana fifandraisana amin'ny rindrambaiko toy ny Skype izy io.

Mihoatra noho ny teny fotsiny

Tsy ranomainty ambony taratasy fotsiny io lalàna io. Efa imbetsaka no nampiasana azy hanagadrana mpamaham-bolongana sy mpazoto an-tserasera tao anatin'ny taona vitsivitsy izay. Ny mpamaham-bolongana Iraniana Omid Reza Mir Sayafi izao dia efa nogadraina noho ny fanivaivàna mpitondra fivavahana ary dia maty tany am-ponja tamin'ny 2009. Vao roa volana monja izay ny mpamaham-bolongana Hossein Derakhshan no voaheloka 19 taona noho ny fiarahany miasa tamin'ny firenena fahavalo, fampielezan-kevitra ary fanivaivàna olom-pivavahana.

Farany dia mapametra-panontanina ho an'olom-pirenena Iraniana ny manampahefana eo amin'ny sehatry ny Fitsarana any Iran hoe iza no mampidi-doza kokoa - ny tsy fisian-dalàna sa ny lalàna mihitsy?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.