05 Desambra 2010

Tantara tamin'ny 05 Desambra 2010

Iran: Jiolahin'ny solosaina avokoa isika rehetra

Manana lalàna eo ampelatanany ahafahany miampanga ny mpampiasa aterineto rehetra ho jiolahy ny fitondrana Iraniana. Nolanian'ny antenimiera iraniana tamin'ny janoary 2009 ny "Lalànan'ny heloka eo amin'ny solosaina" (singany ao amin'ny andininy miisa 56) . Fitaovana nentina nanenjehana sy namaizana mpamaham-bolongana sy mpazoto an-tserasera izyio, nefa tsy mba nanaitra ny olo-tsotra sy ny mpandinika ireo andininy ireo.