Kambodza: Loza noho ny fifanosehana nandritra ny Fetin'ny Rano

Maherin'ny 340 ny olona maty ary fara-fahakeliny ary 550 no naratra nandritra ny fifanosehana teo amin'ny tetezana mampitohy an'ny nosy Koh Pich (Nosy Diamondra) sy ny tanànan'i Phnom Penh tamin'ny ora faran'ny andro faran'ny Fankalazana ny Rano tany Kambodza.

Manome fijoroana vavolombelona i Azuriel momba ny zava-nitranga tamin'iny alin-doza iny

…vao saika hiverina any amin'ny tanàna izahay avy any amin'ny nosy no nanomboka ny fifanosehana, dia nanomboka nanodidina ny faritra ny mpitandro filaminana.

nandany adiny efatra niezaka nanampy, anisan'izany ny famelomana zazavavy efatra nojonoina avy tany anatin'ny renirano … indrisy anefa fa roa ihany no velona

Tamin'ny resaka nifanaovana tamin'ireo teny an-toerana, tamin'ny tompon'andraikitry ny filaminana sy mpandrindra ilay fety, ary mpilatsaka an-tsitrapo vonjimaika no nanagonganko ny fandehan'ny raharaha; tsy azoko antoka anefa hoe tena milahatra ireo, fa mitovitovy amin'izao:

- olona 30 teo ho eo no main'ny herinaratra (vitsy ireo maty avy hatrany, fa maro ireo tsy nahatsiaro tena ary nahitàna faritra may) noho ny fikasohana ny arofanina vy tamin'ny sisiny roan'ilay tetezana …
– olona teo amin'ny folo teo ho eo no torana noho ny fifanosehan'ny olona, ny hafanàna, ny tsy fahampian-drano, na izy rehetra mitambatra, ka nianjera ary voahitsakitsaka …
– Nisavoritaka tamin'ny fandoroan'ny herinaratra ny vahoaka ka nifanosika teo amin'ny tetezana; Nihabetsaka ny olona tafitohina na voatosika, ka voahitsakitsaka …
– Nanomboka nitsambikina nilatsaka any anaty rano ny olona mba hiala amin'ny vahoaka be; ny sasany main'ny herinaratra rehefa niakatra ny arofanina; ny sasany maty noho ny fitsambikinana anaty rano marivo, na tena tsy nahakendry ny rano mihisy, ka nitontona teo amin'ny moron-drano vita “béton”.
– Ireo tety ivelany indray nizotra nankany amin'ny tetezana avy eny amin'ny ilany roa hitsikilo izay zava-mitranga. NAHERY DIA NAHERY NY MPITANDRO FILAMINANA NANOSIKA IREO MPIJERY, NAMPIASA TOTOHONDRY, HAZO, BASY, ARY TAPAKA FANTSONA VY!!!
– Ny mpitandro filaminana sasany avy any amin'ny ilan'ny tetezana mankany Koh Pich dia nitifi-danitra mba hanaparitahana ny vahoaka, nefa korontana fanindroany fotsiny no naterak'izany, satria tamin'izany fotoana izany dia tsy nisy nahalala hoe iza no nitifitra, na hoe iza na inona no tifirina …
– Tokony ho tamin'iny fotoana iny ihany, maty avokoa ireo jiro “néon” rehetra tamin'ny tetezana, niaraka tamin'ny ankamaroan'ireo jiro mpanazava ny lalana tany amin'ny ilany atsinanan'ny nosy.

Ny hetsiky ny fahitalavitra bayon indray, tany an-jatony metatra miala teo, dia nahazo vahana tamin'izao rehetra izao … … …

Sary avy amin'ny pejy Facebook an'i Sky Pharma

The Sreisaat Adventures in Cambodia koa dia naheno fa nisy karazana “tranga” nampikorontana niteraka ilay fifanosehana

Androany izahay nifoha tamina Phnom Penh maloka dia maloka.

Misaona ny firenena rehetra noho ny nahafatesan'ireo olona an-jatony nandritra ny fifanosehana nitranga tamin'ny Alatsinainy alina. Izany dia tamin'ny ora faran'ny andro farany tamin'ny fankalazàna ny fetin'ny Rano izay tokony ho nahafinaritra.

Misy tsy fifankazahoana momba ny fomba nanombohan'ny fifanosehana fa, araka ny voalazan'ny namana Khmerikana iray ao amin'ny rindriny Facebook, voalazan'ny loharanom-baovao azo antoka fa nisy karazana tranga niteraka “korontana” teo amin'ilay tetezana vao namboarina tsy ela. Tranga tahaka ny inona, izany no antenaintsika hahitàna valiny amin'ny fikarohana atao.

Manantena mafy aho fa hosaziana ireo meloka, fa ho azo ny lesona ka tsy hisy intsony ny tranga tahaka izao. Mandrakizay.

Mbola tsy te-hanameloka na iza na iza i LTO Cambodia tamin'ny zava-nitranga tamin'ny Alatsinainy lasa teo

Naniry aho ny mba hanana zavatra lalina ambara. Naniry aho ny hanana fahatsilovan-tsaina hatolotra. naniry aho ny hahalala ny nahatonga zainy zavatra rehetra izao.

Naniry aho mba afaka himenomenona amin'olona na zavatra iray. Naniry aho ho afaka nanilika izao zava-nitranga izao tamin'olonkafa. Na ahoana na ahoana dia toa hanamaivana kokoa ny alahelo amin'izao loza izao izany, na dia kely fotsiny aza. Nefa amin'izao tsy haintsika mazava na ny zava-nitranga na ny antony. Ary angamba tsy mendrika loatra sy manakorontana fa fankaherezantena ny fitarainana, na dia manana rariny hanao izany aza ny avy amin'ireo voakasika mivantana.

Khmer Empire dia mitsikera ny tsifahombiazan'ny manam-pahefàna tamin'ny fisorohana ity loza ity

Manontany tena isika hoe nahoana ity governemanta ity no afaka manohitra mpanao fihetsiketsehana an'arivony sy manilikilika ny vahoaka mahantra nefa tsy mahay mifehy tranga tahaka izao any Koh Pich?

Hisy diabe fisaonana atao amin'ity herinandro ity; ary ny laharan-tariby ilaina ho an'ireo maniry ny hanampy ireo tra-doza

Hisy diabe fisaonana hatao ny 25 Novambra manomboka any amin'ny Tsangam-baton'ny Fahaleovantena hatrany Koh Pich manomboka amin'ny 5 ora hariva. Ny fanomezam-panampiana, izay hozaraina amin'ireo tra-doza sy ny fianakaviany, dia raisina an-tanan-droa any amin'ireo solotenan'ny anjerimanontolo 10 any Phnom Penh ary halefa any amin'ny tompon'andraikitra H.E. Seang Sophondy misahana ny kaomitin'ny tra-dozan'ny fifanosehana. Antsoy ny laharana: 017 58 11 48, 012 288 388

HO AN'IREO OLONA TSY HITA: Laharan-tariby: 078 7675 60 ~ 74 (Laharana 15) Phnom Penh City Hall: 016-866159 / 012-520520 / 016-78888 Minisitry ny raharaha sosialy: 012-910000 / 099-860453

Nisy mpamaky iray tao amin'ny New Mandala naminavina andro vitsy talohan'ny loza fa mety hisy ny fifanosehana eo amin'ny tetezana

Raha niampita ny tetezana aho, navilivilin'ny vahoakabe ana fianakaviana ny tanora Kambojiana, toa tsapako dieny mialoha fa ho voahitsaka ilay zazakely teo akaikin'ny tongotro raha mifanosika ny olona. Rehefa nahita mpivarotra karatra izay nibahana ny lalana fivoahana aho dia niha-tezitra ary nanozona ny sasany tamin'izy ireo, nefa ny hany azoko natao dia ny nanery ny mpivarotra nanelingelina indrindra hanisaka ny entany amin'ny sisiny. Toa tranga tsy nisy vahaolana no nahitako izany. Tery loatra ho an'ny vahoakabe teo ny tetezana.

Cambodia Calling dia manamarika fa maro tamin'ireo maty no avy any amin'ny faritra, nandeha tany amin'ny renivohitra mba hifaly amin'ny fankalazàna

Andro tena mampalahelo ho an'ny Kambojiana. Ohatran'ny tsy mbola ampy ny fahasarotam-piainany, efa kely ny vintana ahazoan'ireo Khmers – maro avy amin'ny sisin'ny firenena no tonga tao Phnom Penh hijery ny hazakazaka lakana fanao isan-taona – mifaly  sy mankalaza, mbola nahita loza ihany ry zareo.

Nanambara ny governemanta Kambojiana fa handrotsaka 5 tapitrisa riels na 1250 $ isaky ny fianakavian'ireo may ary 1 tapitrisa riels isaky ny naratra

Azo jerena ao amin'ny KI Media sy Facebook ny sarin'ny fifanosehana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.