MalawiSoc: Manaraka ny vaovao sy ny bilaogy Malaoita

Clement Nthambazale Nyirenda diampianatra mamarana ny fianarany hahazoany ny doctorat ao amin'ny laboratoara  Hirota/Sakurai, Department  of Computational Intelligence and Systems Science ao amin'ny Ivontoerana momba ny Teknolojia any Tokyo no sady mpampianatra mpikaroka sy fakan-kevitra ao amin'ny Sampam-pianarana Elektronika sy momba ny haitaon'ny Solosaina ao amin'ny Malawi Polytechnic. Izy no namorona ny MalawiSoc, tranonkala sosialy anovana ireny  ‘bookmarking’ [Avy amin'ny mpandika: toa ilay fitadidiana pejy tiana ho tadidy angamba raha tsy diso aho] ireny ary voatokana ho an'ny vaovao sy ny bilaogy mikasika an'i Malawi. Tsy ela akory izay dia nanaiky ny hamaly resaka tamin'ny mailaka nifanaovana tamin'ny Global Voices Online izy .

Inona no nahatonga ny hevitra tao aminao hanangana ny  MalawiSoc?

Raha atao bango tokana, ny bookmarking sosialy dia fomba iray manome fahafahana ny mpampiasa aterineto handamina, hitahiry, hitantana ary hitady pejy voarakitra momba ny loharano voatahiry ao anaty aterineto. Manome fahafahana hiara-hiasa ho an'ireo mpampiasa aterineto rehetra ihany koa amin'ny alalan'ny fifampizaràna ny pejy fitadidiny. Amin'ny asa fitorahana bilaogy ataoko dia tena mpampiuasa ny tranonkala fanaovana bookmarking aho, toy ny Digg, Redit ary ny StumbleUpon tato anatin'ny taona vitsy farany. Ny traikefa azoko avy amin'ireny tranonkala ireny no nampangetaheta ahy hanangana tranonkala mitovitovy aminy ka voatokana ho an'ny bilaogy sy ny vaovao mikasika an'i Malawi.

Iza avy ireo hafa mpanorina ny MalawiSoc?

Izaho irery ihany no mpanorina. Nefa mieritreritra ny hitondra Malaoita (entina milaza ireo terateny avy ao Malawi)  vitsivitsy ao anatiny aho mba hahafahany miaraka mampivoatra io tolotra io. Ao an-tananan'i Yamato ao Japana no foibeny, tanàna kely alaina ora iray avy ao afovoan'i Tokyo i Yamato raha fiarandalamby no raisina. Ny siteground.com no mampiantrano ny tranonkala izay manana ny foibeny any Panama.

Inona no tena fanampiana manokana entiny ho an'ny Malawians?

Betsaka ny tombontso ho an'ny Malaoita:

  1. Afaka mametraka lahatsoratra na vaovao mikasika an'i Malawi ry zareo araka izay safidiny, miaraka amin'ny lahatsoratra avy amin-dry zareo manokana. Hanampy amin'ny fampakàrana ny fampahafantarana ireo votoaty momba an'i Malawi ao anaty aterineto izany.
  2. Koa satria ny isan'ny safidy voaray no iankinan'ny mampahalaza ny lahatsoratra, ity tranonkala ity dia mitondra mankamin'ireo rohy be mpahalala indrindra miresaka an'i Malawi any anaty aterineto. Hihamafy kokoa io arakaraky ny hitmboan'ny isan'ny mpikambana sy ny fiasan'ilay tranonkala.
  3. Io tranonkala io dia manome vintana ny Malaoita sy ireo olona liana amin'io firenena io ho afa-mifandray amin'ireo hafa mitovy fijery aminy. Ankoatry ny zavatra hafa izany dia mety hiteraka fiaraha-miasa izy io.

Fahombiazana tahaka ny inona no tianao hifampizaràna?

Satria mbola telo volana latsaka monja ny tranonkala, tsy mbola manana fahombiazana tahaka ny ahoana hifampizaràana aho aloha izao. Mbola sahirana manao izay hampahafantarana ny tranonkala ah ankehitriny.

Inona no tena sàkana lehibe ho an'ny fahombiazanao? Raha misy, ahoana no fomba hisorohanao an'ireny vato misakana ireny?

Ny vato misakana lehibe indrindra, hatreto, dia izaho ilay miasa irery. Mandritra ny fotoana mampahalalaka ahy no tena anaovako io asa io. Be ny fanatsaràna tiako ho entina saingy ny fotoana no olana, indrindra fa amin'izao izaho mamaran-taona amin'ny fakako Doctorat izao. Toy ny efa nomarihako tery ambony, dia efa niresaka tamina namana vitsivitsy aho mba hiara-dàlana amiko amin'ity tantara ity. Antenaiko fa ho vitanay miaraka ny hanome endrika mahafinaritra sy manaitaitra kokoa io tranonkala io.

Clement Nyirenda, mopanangana ny MalawiSoc. sary avy amin'i Clement Nyirenda.

Ka fahaiza-manao sy traikefa toy ny inona no ilainao ho an'ilay tetikasanao?

Ny traikefa sy ny fahaiza-manao amin'ireto rindrankajy manaraka ireto no tena ho fanampiana andrandraina: Photoshop, Illustrator, Flash, CSS, xHTML sy HTML, PHP, Mysql. Fahaizana lalina momba ny aterineto sy ny Fanatsarana ny Lohamilina Fikarohana [ Search Engine Optimization (SEO) ] koa tena zava-dehibe.

Ahoana ny fomba hanohanana ara-bola ny tetikasanao?

Miantso ny tsara sitrapo rehetra koa aho eto mba hanolotra ho an'ity tetikasa ity. Afaka mifandray amiko amin'ity http://malawisoc.com/contact ireo rehetra izay te-hanampy. Nampiasaiko handoavana ny fandraketana ny anaran'ny ‘domain’ ireo vola rehetra azoko tain'ny dokam-barotra sy sehatr'asa samihafa nifandray tamin'ny bilaogiko, ary ho famandrihana toerana ao amin'ny siteground.com mandritra ny roa taona voalohany. Mbola manantena aho fa ao anatin'ny roa taona, ny dokam-barotra halefako ao amin'ny tranonkala sosialy fanaovana bookmarking dia hiteraka vola misimisy kokoa handoavana ny fandaniana rehetra.

Ahoa no ieritreretanao ny fandraisan'anjaran'ny MalawiSoc amin'ny resaka mangarahara ao Malawi?

Satria ireo mpampiasa no tena manodina azy, amin'ny fampidirana lahatsoratra vaovoa, fintina samihafa sy fanamarihana ary koa fisafidianana ireo lahatsoratra, mino aho fa handray anjara betsaka amin'ny resaka mangarahara ao Malawi izy io.

Fomba ahoana no hivadihan'ireo vaovao navoaka teo amin'ny tranonkalanao ho lasa fiovàna ara-tsosialy/politika ivelan'ny aterineto?

Heveriko fa aloha loatra angamba ny hilazako izatsy sy izaroa momba izany amin'izao fotoana. Nefa arakaraky ny hivoaran'ny tranonkala, dia hanolotra loharano tsara lavitra misy fintina sy rohy maro amin'ireo lahatsoratra mitatitra vaovao mafana sy bilaogy mikasika an'i Malawi izy. Ny fahamoràna goavana amin'ny fahazoana vaovao ho an'ireo mpikambana izay mitondra mankamin'ny fanamarihana na hafatra manokana dia ainga vao hiteraka fiovàn'ny fiarahamonina ivelan'ny aterineto.

Firy ora isan-kerinandro eo no laninao manokana ho an'ny tetikasa?

Manododina ny  8 hatramin'ny 12 ora eo ho eo. Ny fanaovana ny HTML sy ny PHP ho fanatsaràna ny tranonkala no tena asa mandany fotoana. 

Firy ny mpitsidika efa azonao ao amin'ny MalawiSoc?

Satria mbola anaty dingan'ny fianarana mandeha ny tranonkala, dia heveriko fa akloha loatra raha izao sahady no izaràna ny momba an'izany.

Inona no mampiavaka ny  MalawiSoc?

Hayy, ny zavatra tokana dia ny hoe io no hany tranonkala sosialy fanaovana boookmarking natokana hiresahana ireo votoaty Malaoita e oanivon'ny aterineto. Miezaka manome fahafahana ireo mpampiasa aterineto liana amin'ny olan'ny Malaoita ho afaka hanampy amin'ny fanekena sy fandaharana ireo votoaty Malaoita eo anivon'ny aterineto izy io. Manampy koa izy amin'ny fampakarana ny fahafantarana ny momba ireo Malaoita eny anaty aterineto.

Fahazoan-dàlana (licenses) toy inona no ampiasainao hamoahana ny votoaty sy ny ‘codes’ (raha toa ka mamorona fitaovana ianao).

Ny Hotaru Content Management System miasa eo ambanin'ny  General Public License v.3 no nentina nanangana ny tranonkala izay midika fa afaka manova malalaka azy io izahay, amin'ny fampiasàna indrindra indrindra ireo plugins, mba hamaliana ny filànay.

Ao amin'ny Twitter ve ny MalawiSoc?

Eny. misy adiresy azon'ireo mpamaky hanarahana anay:

Avy aiza ny ankamaroan'ireo mpamaky?

Ny 35% avy ao Malawi ary manodidina ny  20% avy any UK. Fahatelo i  USA amin'ny 10%. Ny tena kendrena dia ny Malaoita sy izay rehetra liana amin'ny olan'ny Malaoita. Ny votoaty apetraka ao amin'ilay tranonkala dia tsy averina avoaka na aiza na aiza.

Maridrefy toy inona no ampiasainao handrefesana ny fahombiazanao?

Raha mbola misy hetsika mandeha ao amin'ny tranonkala  (fidirana ho mpikambana, fanamarihana, fifidianana, hafatra manokana sns…) ary tsy manana olana fa afaka mandoa ny saram-pampihodinana azy izahay, dia efa tsara.

Mbola misy zavatra hafa tianao hambara amiko ve?

Maneho fisaorana anao aho nanome sehatra ho ahy  hitafatafàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.