Palestiniana mpitoraka blaogy nosamborina noho ny fitsikeràna ny fivavahana Silamo tao amin'ny Facebook

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny mpitoraka blaogy Palestiniana iray, Waleed Khalid Hasayin (solon'anarana: Waleed Al-Husseini), tovolahy 26 taona mpanao volo avy any Qalqilya, noho ny famoronana pejy facebook mitondra ny lohateny hoe “Allah”. Araka ilay mpitoraka blaogy Marwa Rakha, nisy nitoroka ilay pejy ary nakatona, nefa namorona pejy hafa indray i Waleed. Tsara ny manamarika fa mbola misokatra ireo pejy facebook hafa mitondra ny anarana hoe “Allah” ato sy ato:

Ao amin'ny blaoginy “Nour Al Akl” na Ilay Eritreritra feno Fahazavàna, nandà ny tohan-kevitra rehetra momba ny fivavahana izy – indrindra ny fivavahana Silamo – ary nanoratra lahatsoratra maro sy lava dia lava momba ny hevi-diso ara-pivavahana. Tamin'ny voalohandohan'ny fahavaratra 2010, nisy pejy facebook nitondra ny lohateny hoe “Allah” noforonin'ny olona tsy fantatr'anarana. Nampiasa ny fahaizany manoratra teny Arabo ny mpamorona ilay pejy, ary namorona tononkalo mandika ny andininy ao amin'ny Korany. Nahasarika mpankafy maro ilay pejy; teo ireo tia ny fahaiza-mamoron'ny mpanoratra, teo ireo tohina ka nirotsaka hiaro ny fivavahany, ary ireo izay liana fotsiny ihany.

Araka ity tatitra ity, mpiasa amina Cybercafé izay andanian'i Waleed ora maro isan'andro rehefa nofoanan'ny reniny ny fahazoany aterineto tao an-trano, no namatsy ny Sampam-pitsikilovana Palestiniana ny sarin'ireo pejy Facebook-ny. Nanaovana fanadihadiana nandritra ny volana vitsivitsy ny hetsiny amin'ny aterineto dia avy eo izy nosamborina tao amin'ilay cybercafé ny 31 Oktobra 2010. Mbola tsy voaheloka aloha i Waleed hatramin'izao. Tsy ela izay dia nisy vondrona facebook sy fanangonan-tsonia ho fanohanana azy noforonina:

Nivoaka ny vaovao fa mizaka fampijaliana [Waleed] any amin'izay toerana itànana azy ary tandindonin-doza ny ainy satria mety ho voaheloka ho faty izy (farafahatsarany miditra am-ponja maharitra), ary fanampin'izany, mitaky ny hanapahana ny lohany ireo vahoaka Silamo tezitra, araka ny hita taratra amin'ireo fanehoan-kevitra amin'ny aterineto momba ny tranga mahazo azy. Nanambara tamin'ny haino aman-jery ny Sampam-pitsikilovana Palestiniana fa hiatrika fitsaràna izy. Tsy mazava ny toerana misy azy araka ny lalàna, ary hita taratra amin'ny zava-drehetra fa ho voasazy mafy izy noho ny fampiasàny ny zony haneho hevitra. Manan-danja lehibe ny raharahan'i Waleed nefa mampiseho ihany koa ny tsindrihazolena atao amin'ireo vitsy an'isa izay tsy mpino na mpisaina malalaka (libre-penseurs) any amin'ny tontolo Silamo. Mila ny fifantohan-tsain'ny haino aman-jery manerantany i Waleed, miampy fanampiana araka ny lalàna lehibe izay indrisy fa tsy ho vitan'ireo namany sy mpanohana azy ny hanome izany ho azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.