Serbia: Polisy Mihaza vondrona Facebook mankahala vehivavy

Gazety Serbiana

Ny Lehiben'ny Fampanoavana Serba, miara miasa amin'ny  Ministeran'ny Atitany Serba, dia nanao fanadihadiana mikasika ny vondrona Serba ao amin'ny Facebook “Fahafatesana ho an'ny vehivavy“ (“Smrt ženama”), izay nampiely fahankahalàna vehivavy.

Araka ny Gazety mivoaka isan'andro Serba, Tomo Zoric, mpitondra hafatry ny Fampanoavana, dia niteny hoe:

Ny vondrona “Fahafatesana ho an'ny vehivavy” dia anaovana fanadihadina  amin'izao fotoana izao, miaraka amina vondrona hafa izay mihantsy herisetra. Indrisy anefa, tsy niforona tany Serbia ny Facebook, ary matetika no sarotra ny fahafantarana ny mpamorona. Miezaka manangana fiaraha-miasa amina firenena hafa izahay.

Tao anatin'ny 24 ora tao aorian'ny nananganana ny vondrona, dia olona mihoatra ny 450 no lasa mpikambana, izay mametraka oha-pitenenana tena mahery:

“Ajanony ny haratsiana, halatra sy fitaky ny vehivavy!“; “Te itovy amin'ny lehilahy ianareo, mba anaovana ny asan'ny lehilahy, fa tsy hankato ny lehilahy!“; “Ry zareo [vehivavy] dia kanosa izay tsy mendrika ny hiaina!“; “Andao velesina sy vonoina ny vehivavy!”

Ny pejin'ny vondrona dia voarakotra sarina vehivavy nampijaliana sy novonoina, ary sarina lehilahy eo am-panatanterahana izany koa, sarina vehivavy niharan'ny kapoka feno habibiana ary ny tarehin'izy ireo dia feno mangana.

Feo tena mahery no re tao anatin'ny hafatra nalefan'ny vondrona tamin'ny mpifanandrina aminy iray:

Tsy “tia lehilahy” izahay, miozona eo amin'ny Lakroa masina aho fa tsy “tia lehilahy” izahay, fa izahay dia tsy hamela ny vehivavy izay manambany anay amin'ny fangalàna ny vola ao anaty paosinay. Izay zany, miaro azy ianareo dia hifarana any am-pasana miaraka aminy.

I Bobana Macanovic, olona mavitrika ao amin'ny toby Autonomous Women, dia namintina fa ilay vondrona dia porofo faran'izay maharikoriko indrindra momba ny hevitra fa ny herisetra dia lasa fomba fampitàna hevitra eo amin'ny fiaraha-monina Serba. Nanamafy izy fa ny fampijaliana dia mazàna tsy voasazy, ary nampiseho fa vehivavy miisa 26 no niafara tamin'ny fahafatesana hatramin'ny niatomboan'ity taona ity noho izy ireo niharan'ny herisetra tafahoatra nataon'ny vadiny.

Ny Psikolozista Maya Antončić dia niteny fa  tsy kisendrasendra ny vondrona raha nipoitra iray volana tao aorian'ny fipoahan'ny herisetra tao amin'ny araben'ny Belgrade nandritra ny filaraharambe Gay Pride. Fa ny mampatahotra azy bebe kokoa dia ny isan'ny “mpankafia”. Nanamarika izy fa:

Ity vondrona ity dia mahalala fa misy ny fankahalana mianjady amin'ny vehivavy, nefa mbola misy olona tsy misalasala milaza ampahibemaso fa malemy ny vehivavy ary ambany vidy ka mendrika ny hiaritra herisetra.

Tao anatin'ny lahatsoratra navoakan'ny Kurir, Neven Cveticanin, sosiology avy ao amin'ny Institute of Social Sciences, dia nanamarika fa ity tranga ity dia saritsarin'ny zavamisy ao amin'ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny. Hitany amin'izany ny fanehoana ny tahotry ny fiaraha-monina ary ny endrika herisetra mihatra amin'ny vitsy an'isa.

Ny ekipan'ny famoahan-dahatsoratra avy ao amin'ny Kurir dia nanaitra ny polisy Serba momba ny olana, nangataka azy ireo handray ny fepetra ilaina iadiana amin'ny vondrona.

Ny iray amin'ireo setriny nivoaka haingana indrindra manohitra ity vondrona mahatsiravina izay mankahala vehivavy ity dia ny fananganana vondrona mahasolo azy ao amin'ny Facebook – “Andao ajanona ny vondrona “Fahafatesana ho an'ny vehivavy'” (“Ukinimo Grupu ‘smrt Zenama'”) – izay manana mpikambana mihoatra ny 5 400 amin'izao fotoana izao.

Valin-kafatra ho an'ny mpankahala vehivavy ao amin'ny Facebook: “Andao ajanona ny vondrona "Fahafatesana ho an'ny vehivavy"

Ny nanangana ity vondrona ity dia vehivavy Serba ary hita ao daholo ny salan-taona rehetra, fa misy lehilahy izay manohana azy ireo ihany koa. Ny mpiandraikitra dia naneho ny hafaliany tao aorian'ny nanafoanana ny vondrona manavakavaka ny lahy sy ny vavy ary nanoratra ity ho an'ny mpikambana ao aminy:

Manao ahoana ianareo androany, tao aorian'ny fampiatona nahomby ny “fahafatesana ho an'ny vehivavy” ary tao aorian'ny fahafantarana fa ny lehiben'ny fampanoavana dia handray fepetra? … Mety nisy olona manam-pahefana namaly ve raha ohatra ka tsy nipoitra ato anatin'ny Kurir ny tatitra?

Tsy dia matoky loatra ny polisy Serba i Daliborka Kisic:

Eny e, fa nilaza ny polisy fa noheveriny ho sangisangy iny ary dia nandray fepetra ry zareo raha toa ka nisy zavatra nitranga tamin'ny vehivavy, raha toa ka nisy olona nisy nanafika…

Kely finoana ihany koa i Ana Milosevic:

Jereo ange, rey olona, tsy misy an'izany, tsy miraharaha akory ny polisintsika rehefa misy lehilahy mamono ny vadiny raha tsy efa maty izy. … Miaina amina firenena “masiso” isika.

I Nebojsa Tešević dia nanakiana mazava tsara ny tantara mikasika ny “trano azo antoka” ho an'ny olona iharan'ny herisetra an-tokantrano ho toy ny fanehoana ny tsy fananana hery ao amin'ny fiarahamonina Serba:

Aleoko manomboka fanadihadiana momba ireo mpandefa ireo sy ny vola izay angoniny mba anamboarana trano ialofan'ireo vehivavy izay niharan'ny herisetra. Ny firenena, avy amin'ny alalan'ny haino aman-jery, dia manaiky fa ny polisy dia tsy manana fahasahiana hiatrika ny mpanao herisetra, fa aleony mametraka ny vehivavy amin'ny toerana azo antoka. Ho avy ny fotoana hivezivezy manerana ny tanàna ny andiam-pamono olona ka ny ataon'ny polisy mba tsy hifanehatra amindry zareo, dia ny hijery ao amin'ny Facebook hananganana fialofana azo antoka ho an'ny rehetra.

I Nadaibrane Kutanjac dia nanontany hoe:

Tsy haiko hoe iza no adala nanomboka ny hevitra hoe “Fahafatesana ho an'ny vehivavy.” Maminavina aho fa manana reny izy… fa isika, reny, dia nanao fahadisoana ary nitondra olona vendrana [ety amin'izao tontolo izao] ………

Tohina i Biljana Milivojevic-Lajtner:

Tamin'ny kisendrasendra no nahenoako tamin'ny vata fandefasampeo momba ny vondrona “Fahafatesana ho an'ny vehivavy”. Nomarihany ihany koa ny ankizivavy… tena mampalahelo izany … mampiorin-koditra … tankina aho…

Indrisy anefa, tsy mifarana eo ny tantara.

Vehivavy matavy lasa lasibatry ny mpanao herisetra Serba ao amin'ny Facebook

Toa ho sahirana dia sahirana ny Lehiben'ny Fampanoavana Serba sy ny polisy Serba ao anatin'ny volana vitsivitsy manaraka, hihaza ny mpankahala vehivavy Serba izay nanangana vondrona mitovy amin'ny “Fahafatesana ho an'ny vehivavy” ka ohatra amin'izany ny  “Fahafatesana ho an'ny vehivavy matavy” (“SMRT DEBELIM ZENAMA!!!”) sy “Mpivarotena ny vehivavy rehetra” (“sve su zene kurve -.-“). Amin'izao aloha, ireo vondrona ireo dia mbola misy ao amin'ny Facebook ary mitombo isan'andro ny isan'ny mpikambana ao aminy.

Vondrona Facebook Serba

Etsy ankilany, vehivavy 350 no nanangana vondrona ao amin'ny Facebook  “Fahafatesana ho an'ny lehilahy” (“SmRt MuSkArCimA”), izay mitory ny fitondràna mihoam-pampana ataon'ny “fananahana matanjaka kokoa.” Ity pejy ity dia voarakotra sary mampiseho herisetra sy fampijaliana. Ny sasany amin'ireo lehilahy izay niady mba “hampiato” ny vondrona “Fahafatesana ho an'ny vehivavy” dia malahelo ankehitriny amin'ny “fanenjehana” ny lehilahy ao amin'ny Facebook toy izao.

Vondrona Facebook

Nanoratra i Stefan Srpski Vuk Mitrović :

Miala tsiny aho, nahoana no atao tahaka izao izahay, amin'ny mahavondrona azy? Niady nandritra ny telo andro izahay mba hanesorana ny “Fahafatesana ho an'ny vehivavy” ary nahomby izany. Misaotra. Fiarahabana avy amin'ny “Alika dia.” Mbola hanohy ny fanoherana mianjady amin'ny vehivavy izahay.

I Alekasandra Demirovic dia nampahatsiahy ny namany mpikirakira aterineto:

Marina ny an'i Stephen. Tsy rariny izany ho an'ireo lehilahy izay nanohana ary nanampy antsika hanafoana ny “Fahafatesana ho an'ny vehivavy.”

Ny mpikirakira aterineto Idealno Losa dia toa nahita ny vahaolana tsara indrindra mba hampiatoana ny adin'ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin'ny Facebook:

Eny… tena diso izany. Mila mampiseho isika fa isika dia hendry kokoa noho ireo adala ireo. … Andao, foano io vondrona io! …

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.