Shina: Sondro-bidy sy zaridaina an-tafontrano

[Rohy amin'ny teny Anglisy raha tsy misy fanamarihana manokana]

Taorian'ny vaovao milaza sondrom-bidy tao Shina sy ny hoe mandingana sisintany ireo mpivarotra ao Shenzhen mba ho any Hong Kong hividy entana amin'ny sandany mora, dia misy tranga hafa tsy fahita entin'i  CS Yilao, mpitoraka bilaogy an-tsary ao amin'ny NetEase, ao Shenzhen [teny Sinoa], izay mahita ny olona manao fitsitsiana ara-bola amin'ny fambolena ny zavatra ilain-dry zareo eny ambony tafo:

在深圳,因为近期物价飞涨,港元对人民币连续贬值,部分深圳市民赴港购生活必需品。我们可以比较一下深圳和香港地区的生活日用品价格差距:在深圳卖2块钱一包的食盐,香港超市卖1.1港元,折合人民币才9毛多;红富士苹果深圳已卖到6块钱一斤,平均一个都要4块钱,而同样大小的苹果在香港10港元能买四个;深圳的鸡蛋已经涨到9毛钱一个,差不多大小的鸡蛋在香港惠康超市23港元就能买30个,折成人民币一个还不到7毛钱;10卷装的维达卫生纸,深圳的超市卖32.5元,香港超市才卖28港元;750毫升装的飘柔洗发水深圳超市卖39块钱,香港61港元就能买两瓶……

Miaraka amin'ny vidin-javatra nidangana be izay tsy izy tato ho ato tao Shenzhen, ary koa ny fitotonganana tsy miaton'ny vola dollar ao Kong Kong mitaha amin'ny yuan, dia mandeha mankany Hong Kong mba hividy izay filàny isanandro ny sasany amin'ireo mponina ao Shenzhen. Ndeha isika hampitaha ny elanelam-bidy eo amin'ireny filàna isanandro ireny ao  Hong Kong sy Shenzhen: ao Shenzhen, ny sira fampiasa ao an-dakozia dia amidy RMB 2 ny iray fonosana, nefa any amin'ireo fivarotana lehibe any Hong Kong dia HKD 1.1, izay eo amin'ny RMB 0.90 eo monja; ny paoma Fuji iray ao Shenzhen dia efa tonga hatramin'ny RMB 12/kilao, na RMB 4 isaky singam-paoma iray, nefa afaka mivanga paoma 4 mitovy amin'izay any Hong Kong amin'ny sanda HKD 10. Ny vidin'ny atody iray ao Shenzhen dia tafakatra ho RMB 0.90, nefa any amin'ny toeram-pivarotana lehibe Wellcome ao Hong Kong, atody mihoatra ny 30 na latsaka kely tsy mifankaiza amin'ny haben'ireo no vidiana amin'ny HKD 23 monja, na latsaky ny RMB 0.7 isaky  ny atody. Taratasy fidiovana ‘Vinda’ miisa folo any amin'ny toeram-pivarotana lehibe ao Shenzhen dia vidiana RMB 32.50, raha HKD 28 any amin'ireo toeram-pivarotana lehibe any Hong Kong ; tavoahangina shampoo Rejoice 750 ml iray misànda RMB 39 any amin'ireo toeram-pivarotana lehibe ao Shenzhen, nefa any Hong Kong afaka mahazo tavoahangy roa ianao amin'ny HKD 61…

近期,因为深圳菜价飞涨,最低菜价也在4.5元以上.大多数在深圳工作的外来工又不像深圳户籍人口那样拥有多次香港往返证.到香港去买菜,蛇有蛇路,龟有龟途.天无绝人之路.虽然过不了海关,但上房顶是可以的.本清爽宽敞的屋顶,闲置着可惜.咱们把这闲置空地利用起来.花点力气,挑上几担土,建成一个又一个小菜园.自已动手,丰衣足食.只要不来折房子,偶们就一直将菜种下去.

Tato ho ato, noho ny fiakaran'ny vidin-javatra tao  Shenzhen, RMB 9/kilaon'ny legioma na aiza na aiza, ary mety mihoatra an'izany. Ho an'ireo mpiasa maro avy any amin'ny faritany toa anay ao Shenzhen, tsy afaka mahazo fahafahana mivezivezy mora foana hankany Hong Kong toy ireo mponina voasoratra mazava avy ao Shenzhen izahay  Tsy afaka mihoatra ny sisintany handeha hiantsena any Hong Kong izahay, nefa mba misy ihany fomba azo atao hialàna amin'izany: ny tafontranonay. Na eo aza izany, fantiantoka toy inona moa ny ho famelàna ireny faritra malalaka be sy azon-drivotra tsara ireny hitoetra tsy ampiasaina. Mila herin-tsandry kely fotsiny sy tany, dia manana ny toeram-pambolena keliny ny tsirairay. Izahay ihany no mioty azy ary dia mba mahangona izay sahaza hohanina ihany. Raha tsy hoe arodan-dry zareo ireo trano avo ipetrahanay, dia ho azonay atao ny manohy mamboly toy izao.

Indray maraina ilay izaho vao nifoaha iny ka nankeo amin'ny lavarangana dia nahatsikaritra zavatra teny ambonin'ireo tafontrano manodidina ahy. Nandray ny masolavitro aho ary nijery tsara ny manodidina, avy eo aho nahatsikaritra fa hay zaridaina eny ambony tafo ireo tazako.

Zaridaina isaky ny zoron-trano; eto izao ity tompon-trano ity dia manondraka ny voliny.

Ireto mpifanolo-bodirindrina ireto dia sahala amin'ny hoe mifanakalo traikefa mikasika ny fomba fambolena

Samy manana ny zara taniny ny tsirairay ary mifanampy, manome sy mandray.

Eto indray dia nakisaka ireo tavy ary efa vonona ny ho ampiasaina indray.

Mampiasa ny teknolojian'ny tranomaitso koa ry zareo (Serres)

Tena tsara fiomanana ireto olona ireto, nampakariny daholo izay fitaovana rehetra ilaina amin'ny fanorenana. Sahala amin'ny hoe eo mihitsy ry zareo no honina

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.