Goatemalà: Tahirin-kevitra manazava ny momba fampanjavonana olona

Where are the disappeared?

Sarin'i Rudy Girón – Antiguadailyphoto.com eo ambany fiarovana Creative Commons BY-NC-SA version 3.0 unported

Zava-dehibe ny fahazoana alalana amin'ny vaovao any amin'ny fiaraha-monina anaty tetezamita sy aorian'ny ady iray. Raha ny marina dia lasa fitaovana hiadiana amin'ny fanaovana tsimatimanota ny antontan-kevitra sy tahiry ofisialy, ka manome porofo ahafahana manenjika ny mpanao ratsy. Manampy amin'ny fanazavana raharaha lehibe iray momba ny fampanjavonana olona tany Goatemala ny fahazoana alalana hijery ny tahiry sy antontan-kevitra isan-karazany.

26 taona i Edgar Fernando García tamin'izany, mpiofana ho injeniera, mafana fo amin'ny asa ary mpikambana ao amin'ilay antoko tsy ara-dalàna, Antokon'ny Mpiasa Goatemalteka (PGT) raha nosamborin'ny mpitandro filaminana teny an-dalana tany amin'ny tanànan'i Guatemala ary tsy hita intsony. Ny fanjavonany dia namela ny vadiny mbola tanora, Nineth Montenegro de García, sy ny zanany vavy vao 18 volana monja. 18 Febroary 1984 tamin'izay

Izany no nanombohan'ny tantaran'ilay manam-pahaizana Kate Doyle momba ny Tahiry momba ny Filaminam-pirenena rehefa nanoritsoritra ny zava-nisy izy tao amin'ny fitsaràna izay nanenjehana ireo meloka tamin'ny fanjavonan'i Garcia.

Nijoro vavolombelona izy teo anoloan'ny Fitsaràna ady heloka bevava Goatemalteka, mifototra amin'ny tahirin-kevitra Amerikana navoaka indray avy amin'ny Departemantam-panjakàna sy ny masoivoho Amerikana any Goatemalà tamin'ny fotoana nanjavonan'i García. Izy ireo dia milazalaza momba ny tetika maty paika nataon'ny governemanta Goatemalteka tamin'izany hakàna an-keriny sy hamonoana ireo mpitarika mafana fo an'ny Antokon'ny mpiasa, sy ireo mpianatra misy fifandraisana amin'ny mpanohitra.

Nivaly izany fikarohana izany noho ny lalànan'ny Fahalalahan'ny vaovao izay nahatanteraka ny famoahana ireo rakitra voasokajin'ny governemanta, nefa koa izany nitaky asa avy amin'ireo mpandinika antontan-taratasy tamin'ny fampitohitohizana ireo singa-piozila (“puzzle pieces”) mba hamantarana ny tetiky ny governemanta rehetra. Azo antoka, araka ny ambaran'ny lohatenin-dahatsoratra iray ao amin'ny The Witness Blog momba ity raharaha ity, “Mety ho fototry ny fahatokisana sy ny fahamarinana ny mpandinika tahiry.” Ireo tahirin'ny mpitandro filaminana izao dia nahafahana nisambotra ireo mpanao ratsy, izay voaheloka ary voasazy 40 taona an-tranomaizina.

The Witness Blog dia manasongadina ny fiakaran'ny fampiasàna raki-tahiry ho mba hanaporofona ny fisian'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona; sy ny fahatsiarovan-tena mihamipoitra tsikelikely fa tokony hisokatra ary hangarahara ny governemanta:

Ohatra azo tsapain-tànana ny asan'i Kate momba ny raharaha García fa afaka mandray anjara lehibe eo amin'ny fanaovana fanovàna ireo mpandinika tahiry. Tsy vitan'ny hoe fandikàna lehibe ny zon'olombelona ny nataon'ireo mpitandro filaminana rehefa naka an-keriny an'i García, fa tao ihany koa ny tsy fanajàna ny zon'ny vadiny hahafantatra ny zava-misy. Nandritra ny taona maro izy nitady vaovao, nankany amin'ireo tranom-paty, fasana, ary ny biraon'ny filoham-panjakàna. Nilaza i Kate fa, “heloka io fahanginan'ny fanjakàna io.”

Nanana anjara asa lehibe koa ny tahirin-kevitra, noho ny fanampian'i  Benetech, araka ny noalazalazainy tao amin'ny blaoginy:

Ny Lamin'asa Benetech momba ny Zon'olombelona dia mampiasa tetika informatika raitra sy fandinihana statistika mba hanaporofona ny fandikàna zon'olombelona. Fitaovana mahery vaika ny tahiry siantifika azo antoka avy tamin'ny fikarohantsika mba hiadiana amin'ny fanaovan-dratsy sy hitondràna ireo olon-dratsy manoloana ny fitsaràna. Nijoro vavolombelona i Daniel Guzmán amin'ny maha-manampahaizana azy. Nanampy ireo mpitsara ny fijoroana vavolombelon'i Guzmán tamin'ity raharaha ity, tamin'ny fanesorana ny ahiahy momba ny fahamarinana sy ny maha-azo antoka ireo antontan-taratasy. Nasehony fa azo antoka tsara ny rafitra sy ny tontaliben'ny vontoatin'ireo rakitra ireo, miaraka amin'ny antonan-taratasy hafa tao amin'ny tahiry ary tsy nofidiana an-tsitra-po na an-kifantipantina. Nosoritsoritany ny lasitr'ireo raki-tahiry hita tao amin'ireo antontan-taratasy, sy ny mety nahafantaran'ireo tompon'andraikitry ny mpitandro filaminana ny momba ireo antontan-taratasy 667 mifandraika amin'i García. Manaporofo ny fisian'ny fifandraisana eo amin'ny tafika sy ny mpitandro filaminana ny vinavinan'ny statistikan'i Guzmán momba ny hoe mpitandro filaminana iza avy manana alalana amin'ny antontan-taratasy tahaka ny inona.

Ireo havan'i Fernando, izay miady ho an'ny fahamarinana efa 26 taona izao, dia nanokatra ny http://casofernandogarcia.org/ mba hizaràna amin'izao tontolo izao, amin'ny teny Anglisy sy Espaniola, ny fivoaran'ny fitsaràna. Afaka vakianao ao ny Fanambaràna nataon'i Alejandra Garcia tamin'ny an-katoky ny fitsaràna ny rainy. Ity misy sombin'izany:

Tsy mitady valifaty aho, ary tsy ho nanao izany koa ny raiko, fa mitady ny marina, tiako ho fantatra hoe nentina taiza izy, te-hahalala aho hoe nahoana izy no tsy nenjehina araka ny lalàna, tiako ho fantatra hoe iza no nanome ny baiko, tiako ho fantatra ny toerana nitondràna azy sy ny olona nitondra azy, tiako ho fantatra izay nanjo azy. Tsy mety ho tony sy hilamina ny foko raha tsy hitako ny marina, na dia sarotra tahaka ny inona aza izany, manasitrana ny fanahy hatrany ny marina.

Araka ny lalàna iraisam-pirenena momba ny maha-olombelona, manan-jo hahafantatra izay nanjo ny havany tsy hita popoka ny fianakaviana, ary ireo nandray anjara tamina disadisa dia manana andraikitra amin'ny fitadiavana ireo tsy hita sy amin'ny fanamoràna ny fanadihadiana ataon'ireo fianakavian'ny tsy hita. Ankehitriny ny teknolojia sy ny fitaovana vaovao tahaka ny lalàna momba ny alàlana amin'ny vaovao, dia afaka manampy amin'ny fanatanterahana ireo andraikitra ireo sy hanampy ireo fianakaviana hampita ny lesona azo tamin'ny lasa mangirifiry amin'ny taranaka aty aoriana, amin'ny famelonana hatrany ny tantara sy fanokafana azy ho an'ny rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.