Chili sy Chine: Famonjena ireo mpitrandraka ankibon'ny tany

Ny vaovao mikasika ny  fanavotana ireo mpitrandraka harena ankibon'ny tany nahombiazana nataon'ny fanjakana tany Chili tamin'ny 14 oktobra no narahan'ny loza nitranga tamin'ny toerana fitrandrahana an-kibon'ny tany tao Pinyu, ao amin'ny faritanin'i Henan any Chine tamin'ny 16 oktobra. Ity loza tany Chine ity, vokatry ny fipoahan'ny entona sy ny vovoka saribao, dia nahafaty mpitrandraka 37. Raha ampitahaina ny asa famonjena natao tamin'ireto firenena mandroso anankiroa ireto dia nokianin'ny olona ny tsy fahampian'ny fanajana mahaolona raha mikasika an'i Chine. Raha lohalaharana ity firenena ity amin'ny fampandrosoana, maro no mihevitra fa raha mihamatanjaka ny lafiny ekonomia dia tsy misy lanjany kosa ny  olona.

Chili sy Chine mamonjy mpitrandraka saribao

Isaky ny misy loza mihatra amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any Chine, dia afenin'ireo manam-pahefana ao amin'ilay tanàna nitrangan'izany loza izany foana fa tsy miantso vonjy amin'ny faritany mifanila aminy izy na koa any amin'ny fanjakana foibe. Beifangkeke manontany ny fihetsik'ireo manam-pahefana sinoa manoloana ain'olona:

这次智利矿难的救援也可以说成是一次国际救援行动。据报道,这次矿难发生后,负责营救行动的智利国家铜业公司就邀请了跨国矿业公司的专家,以及美国宇航局的专家来共同向营救人员提供建议。这不仅是一种国际智慧支援,它更增强了那些营救者和受困者的自信。有评论就指,这一现象反映出在智利人的眼中,矿工的生命比国家的“脸面”更重要。而在我们过往发生的矿难中,人们更多看到的是矿主瞒报、谎报,监管方的监管缺位、参股矿企,很多出事矿属非法开采、安全措施不到位……就在最新发生的河南这起矿难中,在相关报道当中,也有“矿难前22小时发现瓦斯超标,工作人员表示,通报后未收到相应处理意见”、“瓦斯检测员权限上缴”、“新风机尚未建好即开采”等问题被曝光。而无论怎样,我们都已经看到,智利和中国同为发展中国家,在对待矿工生命的态度上,可谓对比鲜明吧。

Iny famonjena mpitrandraka nataon'i Chili iny dia azo lazaina ho fiaraha-mientana iraisampirenena. Voalaza mantsy fa ny vondron'orinasa Siliana momba ny viraty tompon'andraikitra tamin'iny asam-panavotana iny, no nila hevitra tamin'ny kaompania mpitrandraka harena an-kibon'ny tany avy any amin'ny firenena hafa, tahaka ny NASA hanoro izay tokony atao hamonjena voina. Izany karazana fanohanana iraisam-pirenena izany no nanome hery ireo mpamonjy voina sy ireo mpitrandraka viraty tafahitsoka tany ambanin'ny tany. Ny mpanoratra sasany, vokatr'izany, nanamarina fa sarobidy ho an'ny Siliana ny ain'ireto mpitrandraka an-kibon'ny tany ireto noho ny fampideraba ivelany ny fireneny. Ny zava-pitranga mahazatra any amin'ny sehatra fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any Chine mantsy dia afenin'ireo tompony ny zava-misy, tsy voafehin'ireo mpampihatra ny lalàna ny lafiny fiarovana ary ny ankamaroan'ireo toeram-pitrandrahana koa dia tsy ara-dalàna avokoa. Ohatra tamin'ilay loza nahazo ny toeram-pitrandrahana any Henan farany teo, nisy ny fampandrenesana naneno tsy an-kiato 22 ora mialoha ny fipoahana fa miakatra be ny entona, kanefa tsy nisy ny fepetra noraisina hiatrehana ny zava-misy. Taorian'ny loza, nilaza  ny media fa ny fampangatsiahana avy amin'ny rivotra no tsy nipetraka tsara. Na izany na tsy izany, hitantsika izay ny tsy fitoviana eo amin'ny firenena roa mandroso, Chili sy Chine, amin'ny fomba fanaony manoloana ny fiainan'ireo mpitrandraka harena an-kibon'ny tany.

Ilay mpitoraka bilaogy 70 yard manambara fa novan'ny fanjakana any Chili ho fihomehezana iny zava-doza iny, raha tsy izany kosa any Chine, izay ny toeram-pitrandrahana saribao dia mampieritreritra ny helo:

这哪是让人悲伤的矿难呀,完全是一幕喜剧电影呀。据说,智利被困矿工全部获救后,引来了国人的极度羡慕,特别是国内矿工,感叹同样是辛苦的矿工工作,却有如此天壤之别。国内矿工,几乎每天都有可能遇到生命危险的矿难事故发生。而国内煤矿事故的频繁,让国人麻木,再大的矿难也很难吸引人的眼球。尽管中国不缺钱,更不缺人,矿难一旦发生,成功救援地可能性极小极小。和智利矿难相比,被困69天矿工还能精神奇佳的走了出来,不想去医院也被“强迫”去医院的幸福相比,中国矿工在遇到矿难后,获救的希望都很渺茫,等待他们的家属的,是无尽的悲伤。

Tsy nampalahelo mihitsy ny famonjena ireo mpitrandraka tany Chili! Tena zavatra nampihomehy aza. Voalaza fa ny vahoaka sinoa, indrindra fa ny mpitrandraka, dia mitsiriritra fatratra iny famonjena nahitam-boka-tsoa tany Chili iny. Mety ho faty any ambanin'ny tany any isan'andro ny mpitrandraka aty amintsika, raha tsy fantatry ny olona akory ny fiakaran'ny tahan'ny loza mpahazo ireo mpitrandraka ireo. Tsy resahana ny fahapotehan-javatra, tsy raharahian'ny olona akory izany. Na dia tsy olana amin'ny Sinoa aza ny vola sy ny mpamonjy voina, raha vao misy ny loza mihatra amin'ny teoram-pitrandrahana iray, dia kely ny vintana mety hahavelona ny mpitrandraka. Tsy mitovy amin'ny zavatra niseho tany Chili, tafajoro tsara noho ny fahagagana ireto mpitrandraka rehefa taty ambonin'ny tany ary “noterena” hijery fahasalamana any amin'ny hopitaly, ny hany azon'ny mpitrandraka aty amintsika andrasana dia fanantenana mitsilopy, ary ny azon'ny fianakaviany atao dia ny malahelo azy tsy misy fiafarany.

Fanovana tsy miankina ireo toeram-pitrandrahana any an-kibon'ny tany sy ny vokatr'izany tsy ho zaka

Cai Chongguo, izay nitoraka bilaogy mikasika ny fitrandrahana an-kibon'ny tany any Chine tato anatin'ny 10 taona izao, no manazava ny nofy ratsy amin'ny fitrandrahana izany any Chine amin'ny alalan'ny famerenana ny tantara tamin'ny fanaovana ity asam-pitrandrahana ity manerana ny firenena, kanefa notsipahan'ireo tompon'ny toeram-pitrandrahana nasesiky ny tombom-barotra azony:

即上世纪90年代末,政府不愿,可能也无能预计两、三年后的经济增长、能源价格上涨的未来,为了“甩包袱”,鼓励并操作全国的煤炭行业空前规模的私有化,并放开了煤矿的开采权。当时,全国,特别是山西内蒙河南等产煤大省,毫无安全保障的私人小煤窑煤矿如雨后春笋般地冒出。同时,大批国有煤矿倒闭、破产,然后以象征性价格,像批发罗卜土豆般地卖给私人。没卖的,则将其矿井和开采面承包给私人包工头,“国有”徒具其名。很多国有煤矿现在仍然如此。

Raha iverenena ny taona 1990, tsy voasakan'ny fanjakana ny firoboroboan'ny lafiny ekonomia, sy ny fiakaran'ny vidin'entana. Mba hanamaivanana ny enta-mavesatra, dia nampirisika ny fanjakana tamin'ny fivarotana tamin'ny tsy miankina ireo toeram-pitrandrahana saribao ny fanjakana ary nanapaka lalàna mikasika ny fitrandrahana. Vokatr'izay, mpividy tsy miankina vitsy kely sady mahantra no nividy toeram-pitrandrahana an-kibon'ny tany any amin'ny faritany toa an'i Shanxi, Inner Mongolia ary Henan. Nandritra izany fotoana izany dia banky ny toeram-pitrandrahana an'ny fanjakana ka voatery namidy tamin'ireo tsy miankina. Ireo izay tsy lafo kosa dia hiantohan'ny tsy miankina ihany .

Cai manindry fa nanjary niaro ireo tompon'ny toeram-pitrandrahana tsy miankina ny fanjakana:

十分重要的是,是国家对矿藏开发的垄断和控制的放弃,国有煤矿盲目、无任何监督和透明度的私有化,根本改变了矿山所在地的利益关系,改变了地方政府的财政收入构成和其行为方式。它不仅对掌握权力者及其亲属朋友产生极大的诱惑和空前未有的机会及极小的以权寻租的风险,使腐败上了一个大台阶,而且使地方财政依赖煤矿。因此,很多地方政府实际上成了煤老板的秘书处,保护矿主,隐瞒矿难,不遗余力。

Satria niala tamin'ny fitantanana irery ireny toeram-pitrandrahana ireny ny fanjakana, dia nanjary tsy ara-dalàna sady tsy nangarahara ny fanaovana azy ireny ho tsy miankina. Nanova hatramin'ny fakany ny herin'ny lalàna tany amin'ny toerana nisy azy izany toe-javatra izany, ary niova tahaka izany koa ny fidiran'ny hetra tamin'ny fanjakana, ary niantraika hatrany amin'ny toe-tsaina izany. Nahasarika tokoa ny fanovana ho tsy miankina ireo toeram-pitrandrahana ho an'ireo tompon'izy ireny matanjaka, ary nanome azy sy ny fianakaviany fahafahana, kanefa maintin'ny kolikoly koa izany. Izany hoe, maro amin'ireo tompon'andraikitry ny fanjakana any an-toerana no nanjary mpitan-tsoratry ny ny tompon'ny toeram-pitrandrahana, ary afenin'izy ireny ny loza mihatra mba hiarovana ny tompon'ny toeram-pitrandrahana.

Ny isan'ireo mpitrandraka harena an-kibon'ny tany sinoa maty betsaka noho ny isan'ny miaramila maty tany Iraka

Malaza ny Sinoa amin'ny isan'ny maty rehefa misy ny loza mahazo ny toeram-pitrandrahana saribao. Raha iverenana ny taona 2009, ilay mpitoraka bilaogy Yuchang mampitaha ny isan'ny miaramila amerikana maty tany Iraka amin'ny isan'ny mpitrandraka sinoa maty, ary nahita izy fa latsaka 7 heny ny isan'ny miaramila amerikana maty!

2006年12目30日,一名驻伊美军士兵30日在巴格达的街头炸弹爆炸中丧生,从而使伊战以来美军死亡人数突破3000大关。截止举国媒体和反美愤青欢腾的这一天,伊战期间中国煤矿矿难死亡人数约21716人(注:官方公布的数据是,2003年6683人、2004年6027人、2005年5930人、 2006年4746人,将2003年减四分之一后累加得出21716人)。

Ny 30 desambra 2006, miaramila amerikana iray no matin'ny baomba tany Baghdad, nitarika ny isan'ny maty ho 3 000. Tamin'izay andro izay dia faly be ny media tsy tia amerikana sy ireo tanora tezitra, ny isan'ireo mpitrandraka saribao sinoa maty dia toy izao . (Mariho: araka ny tarehimarika ofisialy, ny isan'ireo maty dia toy izao: 2003: 6,683, 2004: 6,027, 2005: 5,930, 2006: 4,746. Raha atambatra ireo tarehimarika tao anatin'ny efatra taona ireo ary anesorana ny ampahany tamin'ny taona 2003 (nanomboka ny volana aprily ny ady), ny fitambarany dia manome 21,716).

上月月初,中国媒体广泛报道:截至2007年10月30日,驻伊美军死亡3840人。同日,国家安全生产监督局网站公布,今年1至10月,全国煤矿事故 1920起,死亡3069人。看到这二则新闻,心一沉,不妙!

Vao tamin'ny volana lasa, nilaza ny media sinoa fa tamin'ny 30 desambra 2007, dia tafakatra ho 3 840 ny isan'ny miaramila amerikana maty tany Iraka. Tamin'izay andro izay koa, nanambara ny Sampan-draharaha momba ny Fiarovana amin'ny Asa fa hatramin'ny janoary ka hatramin'ny oktobra tamin'izay taona izay, dia nisy loza nitranga 1 920 tamin'ireo toeram-pitrandrahana tany Chine, ka niteraka fahafatesan'olona 3 069. Kivy aho teo am-pamakiana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.