07 Novambra 2010

Tantara tamin'ny 07 Novambra 2010

India: Obama bemanadala

  07 Novambra 2010

Any India, anisan'ny firenena teteziny any amin'ny faritra maharitra folo andro any Azia, amin'izao fotoana izao ny filoha Amerikana [Etazonia] Barack Obama ary nahaliana ny olona 1,2 lavitrisa ao amin'ity firenena ity izany. Voatantaran'ny fampahalalam-baovao Karana Indiana avokoa ny fihetsika kely ataon'i Obama any India ary dia miresaka momba izany ihany koa ny mpiserasera Karana Indiana

Haiti: Horohorontany, Kôlera; Tomas koa?

  07 Novambra 2010

Navarina sokajy i Tomas, izay narahin'ny faritra maso amin'ny maha tafiodrivotra tropikaly talohan'ny nivoarany ho rivodoza mahery sokajy faha-2 azy ka nandrava izay hitsin'ny diany tamin'ny namakivakiany ny nosy madinika maro. Niverina tamin'ny heriny teo aloha izy rehefa nitodi-doha nankany Haiti mbola miavotra noho ilay horohorontany nitranga ny 12 Janoary teo sy ilay areti-mifindra Kôlera.

Nizeria: Ohabolana Haosà ao anaty tontolom-bolongana

  07 Novambra 2010

Karin Magana dia bolongana iray miompana amin'ny ohabolana Haosà: “Elaela aho izay no namaham-bolongana tao amin'ny Karin Magana, bolongana iray miompana amin'ny ohabolana Haosà. Hatramin'izay fotoana izao dia eo ho eo amin'ny 600 eo ny ohabolana tafavoakako ao amin'io bolongana io. Miezaka moa aho ny hanampy hatrany isan'andro ny isan'ny...

Asia Atsimo-Atsinanana: Tranonkalam-panabeazana ifanakalozana momba ny ara-pananahana

  07 Novambra 2010

Nanomboka nisokatra ny Jolay 2010 teo tany Singapore, ny vohikala sexxie.tv dia nilaza ho sehatra fampianarana ara-pananahana voalohany sy tokana erantany izay novolavolain'ireo mpitsabo malaza mikasika ny fampianarana ifanakalozana ara-pananahana. Tsy sahala amin'ireo fandaraham-pianarana nentindrazana mikasika ny fananahana, ny sexxie.tv fa mampiasa ny sehatry ny aterineto mba hahatratrarana izay liana amin'izany.

Japana: Haino aman-jery manao an-tendrony sy ny fandisoam-baovao

  07 Novambra 2010

Mpitoraka bilaogy iray tsy nitonona anarana ao amin'ny NewzJapan.com no mitefotefoka ny fandrakofam-baovao nataon'ny CNN momba an'i Japana. Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Ny Halloween any Japana sy ny Tsy Fahampian'ny Firakohana nataon'ny  CNN [amin'ny teny Anglisy] nilaza ilay mpitoraka bilaogy fa dia “gaga sy nivalaketraka” tamin'ny hamaivànana...