Nalàn'i Torkia ny fanakànana ny YouTube, saingy ho fotoana fohy monja ve izay famahàna izay?

Nosoratana ho an'ny OpenNet Initiative blog ity lahatsoratra ity tany am-boalohany

Tamin'ny 2007, voalohany i Torkia no nanakana ny tranonkala Youtube fifampizaràna lahatsary, nanaraka ny dian'ireo firenena 12 na mihoatra izay efa nanao toy izany tamin'ny fotoana'andro, nahitàna an'i Arménie, Siria, Maraoka, ary Tonizia. Avy eo ilay tranonkala dia azo nidirana tsindraindray tamin'ny 2007, ary niafara tanteraka  tamin'ny fanakànana azy indray tamin'ny 2008, fanakànana izay nitohy hatramin'ny fiandohan'ity herinandro ity, rehefa nambara fa niverin-dàlana ny governemanta Tiorka tamin'ny farany ka nanàla ny fandraràna.

Ny fanapahan-kevitra noraisina hanakana ny YouTube dia taorian'ny fitarainana fa hoe nisy lahatsary tao amin'ilay tranonkala nanala-baraka ny mpanangana an'i Torkia maoderina, Mustafa Kemal Ataturk. Naniratsira an'i Insulting Ataturk, na ny “maha-tiorka” mihitsy aza no heverina ho toy ny heloka bevava. Na dia nisy fangatahana an'i YouTube hanaisotra ilay lahatsary nanafintohina aza, dia nolaviny izany ary dia noho izany dia ilay tranonkala no nosakanana.

Nandritr'ireo roa taona lasa, nisy fitomboany betsaka ny fanoherana ny sivana atao amin'ny aterineto ao Torkia, nanomboka tany anaty aterineto ary tato ho ato, nirotsaka an-dalambe. Amin'izao fotoana, ireo Tiorka mponin'ny aterineto dia nankamamy tokoa ny fahafahany miditra malalaka kokoa.

Dr. Yaman Akdeniz manampahaizana momba ny tranonkala dia mampitandrina fa mety ho fotoana fohy monja izao fientanentanana izao:

Na teo aza ny filazana vao haingana teo fa hoe nanàla ny fanakànana ny YouTube i Torkia taorian'ny efa ho roa taona sy tapany, naverin'ny YouTube napetraka ireo lahatsary efatra izay nofafan'ny orinasa iray mpiaro ny zon'ny mpamorona ao Alemana. YouTube, tao anaty fanambaràna iray niely tao Torkia ny harivan'ny Alatsinainy dia nanazava fa tsy nandika velively ny lalàna mifehy ny fizakà-manana mihitsy ireo lahatsary ary dia dia neverina tao anaty aterineto noho izany…

…Hiaraha-mahita eo izay fihetsika hataon'ny manampahefana Tiorka mikasika io nataon'ny YouTube io, nefa ahiako mafy fa hisy filàm-baniny vaovao indray hanakànana ny fidirana amin'ny YouTube.

Azo jerena ato ireo fikarohana vao haingana nataon'ny  OpenNet Initiative mikasika an'i Torkia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.