- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny sainam-pirenena vaovao sy ny anarana vaovaon'i Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Politika

Naseho am-pahibemaso voalohany tamin'ny herinandro lasa teo ny sainam-pirenena vaovaon'i Myanmar. Araka ny vohikala media iray mpanohana ny fitondràna, tao amin'ny Biraon'ny Filànkevitra ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Fandrosoam-pirenena no natao ny fankalazàna, ary natrehan'ny Praiminisitra [1]U Thein Sein.

Manome vaovao misimisy kokoa [2] momba ny sainam-pirenena vaovao ny vondrona media tsy miankina The Irrawaddy.

Ilay sainam-pirenena vaovao, voatondro tao amin'ny Lalàmpanorenanana 2008, dia ahitàna kintana eo afovoany, ary loko mavo, maitso ary mena kosa ny tokotaniny.

Ho ampidinin'ireo Minisitra teraka tamin'ny andro Talata ireo sainam-pirenena taloha, ary ny vaovao kosa hakarin'ireo manamboninahitra teraka andro Alarobia.

Sainam-pirenena iray tapitrisa no novokarin'ireo orinasa mpanjaitra, araka ny loharanom-baovao ao amin'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena.

Manambara ofisialy ny fandriampahalemana ny loko maitso amin'ny saina, firaisankina ny mavo , ary voninahitra ny mena . Manana anarana vaovao koa i Myanmar: Ankehitriny izy manana ny anarana ofisialy hoe Repoblikan'ny Fiombonan'i Myanmar. Taloha izy nantsoina hoe Fiombonan'i Myanmar.

Tahaka ny ahoana ny fanehoan-kevitr'ireo mponin'i Myanmar amin'ny aterineto? Tsy tia ilay sainam-pirenena vaovao i dawn_1o9 [3]

Vao naharay vaovao fa novàna araka ny lalàna ny sainam-pirenentsika. Ka lazaiko eto ity, ary dradraiko mafy: TSY TIAKO ILAY SAINA VAOVAO!!!

Tsy mahatsapa fitiavan-tanindrazana mihitsy aho mahita an'io. Sady mitovy amin'ny an'ny saina Litoaniana ny firafitry ny loko, fa tsy misy ilay kintana fotsiny, na dia tsy mitovy aza ny hazavàny.

Tsy izaho irery anefa no mahatsapa izany. Maro ireo tezitra. Amiko manokana aloha dia ompa io.

Mitovy amin'ny fakofako kitoatoa namboarina tamin'ny MS Paint” – ny namako no niteny an'io fa tsy izaho.

Toa izao ny saina taloha. Maneho ny fandriampahalemana sy ny filaminana ny loko manga, ny mena ho an'ny herimpo, kintana 14 ho an'ireo firenena sy fizarana 14, ny kodiarana mampiseho ny hery mpamokatry ny firenena, ary ny salohim-bary ho an'ireo tantsaha ao amin'ny firenena. Tiako io saina io, ary io foana no ho sainan'ny firenenako, na ovainy ahoana na ahoana

Adihevitra mahaliana no ao amin'ny bilaoginy momba izany

awoolham: Ny loko mavo ho an'i shwe (fanamarihana: ny mpitondra an'i Myanmar), ny maitso ho an'ny vola, ny mena ho an'ny ràn'ny vahoaka.

ei_angel: Oadray le!!…Tsy mbola azony ovaina io. Tena halako io saina io. Ohatran'ny hoe sainam-pirenena Etiopiana na an'i  Ghana. Hay ny anarana koa niova ho RUM (Repoblikan'ny Fiombonan'i MM)? Noheveriko fa hoe rehefa vita ireo dingana fito izay vao hovaina. Dia aorian'ny fiantsoana ny parlemanta.

dawn_1o9: @cafengocmy – Mitovy amin'ny sainam-pirenenan'ny firenena Afrikana maro. Tamin'ny mbola ilay saina taloha dia i Taiwan no nitovitovy sainam-pirenena tamintsika. Izao dia lasa telo na efatra: Ghana, Ethiopia, Lithuania, etc.

awoolham: mahay loatra amin'ny fakàn-tahaka, tafiditra amin'izany ny sainam-pirenena. Mety hoe nivoaka avy amin'irony sary fanaon'ny zafikely irony rehefa manandrana pensilihazo izy. Eritreritra ihany izany.

Fihetseham-po mitovy amin'izany koa no tsapan'ny mpitondra tenin'ny mpanohitra momba ny fampisehoana ny saina vaovao diso aloha loatra. Tokony hoe taorian'ny fifidianana 7 Novambra ihany vao naseho ity saina ity. Ny mpanohitra dia manameloka ireo miaramila mitarika an'i Myanmar ho tsy manaraka ny lalàmpanorenana izay ry zareo no nametraka azy. Manome vaovao fanampiny i Min Lwin [4] avy amin'ny Democratic Voice of Burma

Araka ireo mpanao politika mpanohitra, milaza ny lalàna Burmese fa tsy maintsy mihatra ny lalàm-panorenana 2008 izay vao afaka atsangana izay saina vaovao. Tsy tokony hisy izany raha tsy aorian'ny fifidianana amin'ny 7 Novambra.

Myanmar

Yu Yu Din [5], mpitoraka blaogy hafa avy any Myanmar, dia diso fanantenana tamin'ilay saina vaovao

Hodorana avokoa ireo saina taloha rehetra. Ny eritreritro dia hoe, diso manohitra loatra ny Amerikana ny governemanta ka tsy hety mihitsy na dia ny fanànana loko mitovy aza, nefa mitovy fironana sosialista.

Ary afaka tapa-bolana dia hifidy isika. Ny sasany amintsika dia sambany eo amin'ny fiainany. Izaho nifidy ho an'ilay lalàmpanorenana vaovao, roa taona lasa izay tany amin'ny masoivohon'ny Kolkata , tamin'izaho 20 taona, rehefa niaina tamina firenena demokratika maro indrindra indrindra.

Iza no handresy? Mazava ho azy fa ny governemanta. Izao rehefa sivily daholo ry zareo — ny amperora manao akanjo vaovao, miaraka amin'ny sainany vaovao. Ho azony koa ny firenena na ahoana na ahoana. Na inona na inona lazain'ny olona, na ataony, na eritreretiny dia tsy misy idiran”izao tontolo izao. Tsy misy dikany ny zavatra soratako eto na ny hevitra hasehonao, na tweet, na ny olona hizaranao ity.

Ao amin'ny sehatra fanehoan-kevitra ao amin'ny The Irrawaddy, mitohy ny resaka momba ny sainam-pirenena vaovao

yarzar: Tsy mahita hevitra intsony i Than Shwe.
Mitovy tsy misy hafa amin'ny sainam-pirenenan'i Shan mihitsy ilay saina vaovao, afa-tsy ny hoe tsy kintana ny azy fa boribory fotsifotsy.
Mahamenatra izany hoe nàka tahaka sainam-pirenena hafa i Than Shwe.

Trev: Tiako ilay saina vaovao: fotoanan'ny fety izao!
Hetsika feno fahaizana avy amin'ny junta. Tsara izao io raha atao amin'ny ambonin'akanjo raha mandeha tsara ny fizahàntany, ary iza koa moa no ho tezitra amin'ny fomba fisaina rastafarians?
Nefa hankato azy io ve ny Irrawaddy? Sa hotazonin'ny “Burma” ny sainany noho izy mitolona mba hijanonany amin'ny fitohizan'ny tantara?

Indre: Miala tsiny aho, fa nahoana ny governemanta no nangalatra ny sainan'ny Lithuania (mavo, maitso ary mena) ary nanambatra izany tamin'ny an'i Vietnam (kintana eo afovoany)?

Chindits: Tsy mampiseho ny firenena mihitsy io saina io. Kintana hoe?? Fantatrao fa io kintana fotsy lehibe io no hany kintana mampiseho ny “tatmadaw” an'i Myanmar, ny tafika an-dranomasina, ny tafika an'habakabaka ary ny polisy. Ny tafika ihany no asehon'io saina io.