Fitorahana Bolongana Hatrany amin'ny Fahazazàna: Tantaram-pahombiazana ny Drafitra Ceibal

Sary: One Laptop Per Child. CC BY

Ny tetikasam-pirenenn'i OLPC any Uruguay, Drafitra Ceibal dia namatsy XO (solosaina finday misanda 100 dolara) iray avy ho an'ireo  ankizy 395.000 any amin'ny fanabeazana fototra manomboka amin'ny taona voalohany ka hatramin'ny faha-6 tamin'ireo sekolim-bahoaka 2332 nanerana ny firenena. Nampiasa vola 100 tapitrisa dolara ny governemanta tamin'ireo solosaina azo entina mandehandeha ireo ary ny faramparan'ity volana Oktobra ity ireo solosaina farany no atolotra.

Ny fanafohezana anarana “Ceibal” dia avy amin'ny hoe (Conectividad Educativa de Informática Básica para el Aprendizaje en Línea) midika Fampianarana Fototra momba ny Informatika mba Handrantoam-pahaizana amin'ny Aterineto ary nofidiana ho fanehoana ny vahoaka ao Uruguay ilay hazo ceibo. (One Laptop Per Child).

Natolotra maimaimpoana an'ireo ambaratonga faharoa amin'ny sekoly tsy miankina ireo solosaina finday ary manaraka endrika famatsiam-bola hafa. Michael Trucano ao amin'ny bilaogy EduTech dia manazava hoe:

Misy fantsona fahitalavitra iray mivoy ny ara-panabeazana mifameno amin'izay. Maka ny toeran'ireo foibe ho an'ny vondrom-piarahamonina wi-fi maimaim-poana ireo sekoly, ary nasiana fahafaha-miditra maimaim-poana ihany koa any amin'ireo foibe isan-tanàna. Misy ny fandaharan'asa ho fanofànana maimaim-poana ireo raiamandreny sy ny mpikambana amin'ireny vondrom-piarahamonina ireny mikasika ny fomba fampiasàna ilay fitaovana.

Miaraka amina famatsiam-bola kely avy amin'ny Rising Voices, ny tetikasa Fitorahana Bolongana dieny Hatramin'ny Fahazazàna dia nanambàra ny fisian'ny loka maro ao anatin'ny fifaninanam-pirenena ho an'ireo mpampiasa ny OLPC – ireo mpianatry ny ambaratonga voalohany. Ny sasany amin'ireo loka dia fandraisana an-tànana ireo mpandresy mba hanatrika fampianarana manokana momba ny fampiasàna ny bilaogy ho fanabeazana, ny famoahana lahatsary ary fahaiza-manao hafa koa.

Image courtesy OLPC. CC BY

Ny 15 Oktobra no nifàrana ny atrikasa ho fanofànana ireo mpampianatra nampanaovin'ny Ceibal. Nanomboka tamin'ny 17 Jona izany ary 16 andro no fitambarany, valo ora isan'andro no nolaniana tamin'izany fanofànana izany. Avy ao amin'ny bilaogin'ny tetikasa:

Nosoritany ihany koa ny fanokafana Bilaogy maro ho an'ny Mpampianatra ka tao izy ireo no nizara ny traikefany.

Ny asan-dry zareo ireo dia havoitra ao amin'ny Lanonamben'ny Ceibal hatao any Florid, Sarandi Grande, Fray Marcos sy Cardala ny 15 hatramin'ny 19 Novambra, izay handraisan'anjaran'ireo sekoly sy kolejy avy any ambanivohitry ny faritra tsirairay.

Atrikasa iray hafa koa no natao niarahana tamin'ny sekoly mpampianatra zavamaneno mba hanentanana ny fampiasàna ny solosaina finday XO amin'io sampam-pianarana io. Azonao atao ny mahalala bebe kokoa momba ireo atrikasa eto.

Ny tetikasa Drafitra Ceibal dia tsy hoe nanome fotsiny solosaina finday fa koa nanàngana rindrambaiko mifanaraka amin'ny zava-misy ao an-toerana mba hahafahan'izy ireo mampiasa ny talenta sy ny loharanon-tsoa eo an-toerana. Miguel Brechner avy amin'ny Drafitra Ceibal dia nanombana ny fahombiazan'ny tetikasa nandritra ny  anjara fitenenany tao amin'ny TEDxBuenosAires:

“Maro amin'ireo zava-boaangontsika no mitodika amin-javatra tokana: tena nilaina ilay izy. Tena nilaina ilay izy satria mavitribitrika kokoa  ireo ankizy rehefa handeha hamonjy sekoly. Tena nilaina ilay izy satria mavitribitrika kokoa ry zareo manao ny entimodiny. Tena nilaina ilay izy satria tsy mamerin-taona ry zareo tamin'ireo toerana azonay nanaovana fandrefesana. Tena nilaina ilay izy satria an'arivony ireo ankizy nomentsika antontan-taratasy mikasika azy, satria tsy nanolotra solosaina finday isika raha tsy nanana ny sorapiankohonana izy, na ny mombamomba ny raiamandreny. Ka amin'izay làlan-jotra izay dia mora ny mamantatra mazava tsara ny ankizy tsirairay.

Tena nilaina ilay izy satria nampiakatra ambony ny fanomezan-danja ny tena teo amin'ny ankizy maro. Maro ireo ankizy no nianatra momba ny fakàna sary, ny horonantsary, ny mozika… Ary farany, tena nilaina ilay izy satria navaditsika ho zo ny fahafahana manana solosaina tany amin'ny taona 2006 tany ho any.”

Christoph Derndorfer manamarika fa i Uruguay dia toy ny Soisa any amin'ny faritra Amerika Latina ary dia mitanisa ny tombana nanaraka mason-tsivana enina ho fahombiazan'ny fametrahana ny TIC ho amina tetikasa ara-panabeazana. Ny Drafitra Ceibal dia tsara toerana amin'izy rehetra ireny ary lasa tantaram-pahombiazana ilaina hapariaka amin'ny faritra hafa manerantany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.