Handray anjara amin'ny Iray andro manerantany ny Rising Voices

Ny Fikambanambe Rising Voices dia tena ahitana fahasamihafana, ary hita amin'ny solontenan'ireo faritra samihafa eran-tany izany, ireo teny fampiasa, sy ireo loha-hevitra soratana. Handray anjara amin'ny hetsiky ny mediam-bahoaka antsoina hoe Andro iray eto ambonin'ny tany ny sasantsasany amin'ireo tetiksa vatsiam-bola ireo, izay ahafahan'izy ireo mampiseho ny fahasamihafana.

Mikatsaka ny hampiombonana ny vahoaka maneran-tany hitantara ny fiainana eto an-tany izay tontosaina ny 10 Oktobra 2010 ny Andro Iray eto Ambonin'ny Tany. Ireo nandefa topy maso mikasika ny tontolo manodidina azy dia “lasa ampahan'ny horonantsary fanadihadihana sy hiaina ny sary indray mihelatry ny fiainan'olombelona.

Ndao hihaona amin'ny ny sasany amin'ireo mpandray anjara amin'ireo tetikasan'ny Rising Voices izay nanolo-tena handray anjara amin'ity tetikasa ity, ary hasongadina amina lahatsoratra iray ato amin'ny Rising Voices ny fandraisany anjara.

FOKO (Madagasikara)

Lalatiana Rahariniaina – Izaho dia fantatra amin'ny anarana hoe Ariniaina ato amin'ny aterineto. Ny bilaogiko dia DagoTiako izay hiresahako mikasika an'i Madagasikara. Mipetraka eto Antananarivo aho. Mitoraka bilaogy, maka sary, manao horonantsary mihetsika ary boky no fialamboliko.

Andry Rakotoniaina Andriatahiana – 34 taona aho, manambady an'i Lalatiana Rahariniaina (ariniaina). Mipetraka sy miasa eto Antananarivo aho, renivohitr'i Madagasikara. Mpanolotsaina mikasika ny lalàna no asako. Ireo fialamboliko dia: ny fitoraham-bilaogy, ny maha-olom-pirenena, ny teny Anglisy, ny fanaovan-gazety, ny teatra, ary ny radio. Ny bilaoginy: The Cyber Observer.

Nazra – Exploring Taboos (Ejipta)

Nawara Magdy Belal - Nahazo diploma tamin'ny literatiora sy teny Anglisy tany amin'ny Fakioliten'ny Zavakanto tany amin'ny Anjerimanontolon'i Kairo aho tamin'ny taona 2008. Nahavita ny Pre-MA-ko tamin'ny Literatiora Anglisy ihany koa aho ary niasa ho  mpampiofana sy mampifanaraka ny tetikasa momba ny Tambanjotran'ny Zon'ireo Vehivavy nandritra ny taona maromaro. Vao haingana aho dia lasa mpikaroka sy mpandika teny. Manoratra tantara fohy amin'ny teny Arabo sy Anglisy aho, sy hanatanteraka azy ireny tahaka ny nataoko tany amin'ny kolejy tamin'ny “Sins of the Mother (Ny fahotan'ny Reny)”. Ny bilaoginy: nooning.

Nomad Green (Mongolia)

Sukhbaatar Shinetsetseg - Mipetraka any Ulaanbaatar tanànan'i Mongolia aho, izay ahitana mponina mihoatra ny iray hetsy. Mpandika teny am-bava sy an-tsoratra sy mpamoaka lahatsoratra any amin'ny fahitalavitra Mongol aho, izay mitoetra any amin'ny faritra Avaratry ny tanànan'i Ulaanbaatar. Manao sary sy manao sary hosodoko ny fialamboliko, indrindra ireo sary hosodoko nasionaly sy nentin-drazana Mongoliana. Liana amin'ny fivoaran'ny olombelona aho, indrindra amin'ny fivoaran'ny ankizy, sy ireo olana mikasika ny tontolo iainana manerana ny tanindrazako sy manerana ny tany ihany koa.

Sodgerel Mongoloo dia mpandray anjara iray hafa avy any amin'ilay tetikasan'ny Nomad Green, sady mitoraka bilaogy ao amin'ilay vondrona hitoraham-bilaogy ao amin'ny Nomad Green.

Manasa ny hafa manerana ny fikambanana mba handray anjara sy hanohana ireo olo-tsotra tia mamoaka vaovao ireo ihany koa ny Rising Voices satria mitantara ny fiainan'ny fiaraha-moniny amin'ny alalan'ny sary sy horonantsary izy ireo. Iangaviana ianao hiditra ao amin'ny pejin'ny vondrona Rising Voices ao amin'ny Andro Iray eto Ambonin'ny Tany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.