Azerbaijan: Ny karatra Armeniana no lalaovina

Raha mbola eo ampanomanana ny fifidianana izay ho ao amin'ny parlemanta hatao amin'ny 7 Novambra i  Azerbaijan, ireo mpitoraka bilaogy avy amin'ny mpanohitra kosa efa maneho sahady ny tsy hafaliany momba ny ho fomba fizotran'ny fifidianana. Tamin'ity herinandro ity ohatra, nipoitra ny olana momba ny fandraketana ny anaran'irao mpirotsaka avy amin'ny mpanohitra, ary ankehitriny ny gazety ao an-toerana dia manomboka mamoaka ny kiana avy amin'ny governemanta milaza azy ireny ho fampielezan-kevitra maloto mikendry fotsiny ny hanaratsy endrika azy  ireo eo imason'ny mpifidy.

Ary, raha mbola tsy mifarana akory ny fifandirana momba ireo faritany ifandroritana amin'i Armenia ao Nagorno Karabakh, ny mpitoraka bilaogy sasany milaza fa misy làlana tsotra azo ahatongavana amin'izany. In Mutatione Fortitudo, ohatra, dia  manome antsipirihany ny fomba heveriny ho fanangànana fampielezan-kevitra manozongozona.

Amin'izao fotoana izao, iray volana monja mialoha ny fifidianana, toa misy fampielezan-kevita manozongozona iray hafa mitranga. Raha fehezina, ampangaina i Ali Karimli ho mifandray tendro amina hery vahiny – raha manohana azy amin'ny fifidianana ho avy eo, dia vonona izy handefitra momba ny fifandirana ao Nagorno-Karabakh.

Saingy fomba ahoana no hanaporofoana an'io sy hampinoana ny olona an'izany?

[…]

Voalohany, terenao ny “The 525th Newspaper” hamoaka lahatsoratra savaranonando izay ahitàna ny fanazavana ny firaisana tsikombakomba rehetra – hamidin'i Ali Kerimli amin'ireo hery vahiny i Karabakh raha manampy azy ho tonga eo amin'ny fitondrana ireo.

[…]

Faharoa, ny tranokalam-baovao amin'ny teny Rosiana 1news.az dia namoaka lahatsoratra iray momba izany ary mitanisa ilay tao amin'ny 525 izay iverimberenan'ny honohono tsy azo antoka mitovy – Hamidin'i  Ali Karimli (raha tsy efa lafo aza) i Karabakh ho takalon'ny fahefana.

[…]

Fahatelo, ireo famoaham-baovao Armeniana dia nandray ilay vaovao sy nanaparitaka azy – ilay mpitarika ny mpanohitra Azeri dia vonona ho amin'izay ho fandeferana rehetra mikasika ny olan'i Karabakh, araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao Azeri. Ny PanArmenian ohatra dia sady mitanisa ny 525th sy ny 1news.az.

[…]

Vita aloha izay ity ampahan'asa ity. Fotoana kosa izao hampahafantarana ny vahoaka Azeri ny amin'ity tskombakomban-devoly ity – ary farany, niditra an-tsehatra ny TV sy mpampita vaovao Azeri  hafa: “ Mitatitra ireo fampitam-baovao Armeniana fa nifanaraka tamin'ny tandrefana i Ali Karimli hoe vonona hihataka amin'ny olan'i  Karabakh ho takalon'ny fanohanana azy amin'ny fifidianana ho avy eo.”

Ny bilaogy Önər [AZ] dia manamarika koa.

Azərbaycanın analoqu olmayan iqtidarı var. Bu insanlar güya parlament seçkilərinə hazırlaşır. Kampaniyalarının da məzmunu təxminən bundan ibarətdir ki, “biz pisik bəli, lakin müxalifət də pisdi, onlar gəlsə yenə də pis olacaq”. Ağılları bundan o tərəfinə çatmır. Çünki ağılsızdılar. Absurd içində yaşamağa öyrəşiblər. […]

[…]

Çox gözəl aydındır ki, bu Əli Kərimliyə və müxalifətə qarşı növbəti qara pr kampaniyasının başlanğıcıdı. Bundan sonra daha pis şeylər gözləmək olar. İsa Qəmbəri mason, Əli Kərimlini erməni agenti çıxaracaqlar. Belə də davam edəcək. Bundan qətiyyən narahat olmağa dəyməz. Bunlar şərəfli mübarizə nədir onu başa düşməyiblər. […]

Manana Governemanta tsy misy mitovy aminy i Azerbaijan. Sahala amin'ny hoe efa nivonona amin'izany fifidanana izany ery ny vahoaka. Ny hevitra voizina amin'ny fampielezan-kevitra dia ny hoe “Ratsy izahay, ekena, saingy ratsy koa ny mpanohitra, ary raha ry zareo no lany eo, vao mainka ho ratsy ny tantara” Tsy afaka mandeha lavitra ny fisainan-dry zareo. Satria olona tsy misy atidoha ireo. Efa zatra miaina anaty hadalàna. […]

[…]

Efa somary mazava izao fa miàla any ny fampielezan-kevitra hafa ho fanalàm-baraka an-dry Ali Karimli sy ny mpanohitra. Ampoizina ny hipoahan-javatra ratsy aorian'izany. Hotondroina ho franc-maçon i Isa Gambar, ho olon'i Armeniana i  Ali Karimli. Dia hitohy tahaka izany hatrany io. Tsy misy tokony hahataitra mihitsy ny amin'izany. Tsy takatry ny sain-dry zareo mihitsy ny atao hoe ady atao am-pahamendrehana. […]

Mpanohana sy mafana fo maro avy amin'ny mpanohitra koa no nandefa bitsika sy namoaka tao amin'ny pejy facebook-ndry zareo fanamarihana sady fanaingàna fihokoana amin'ny mpanohitra any Azerbaïdjan, atosik'ireo mpampita vaovao avy ao an-toerana sy avy any Armenia. Na izany aza, vitsy tamin'ireo mpampita vaova any ivelan'ny sisintany no nanaraka akaiky ny tantara, ary ireo nanao izany dia efa manan-daza amin'ny  fakàna ny lahatsoratra avy amina loharano hafa tsy voamarina akory.

Kanefa, satria tsy mbola misy mihitsy zavatra azo anaporofoana ny maha-mitombina na tsia ireny honohono milaza tsikombakomba sy fifanarahana miafina rehetra eo amin'ny fampahalalam-baovao avy amin'ny andaniny sy ny ankilany ireny, ny zava-doza goavana ateraky ny filazana toy izany, alefan'ny mpampita vaovao mpomba ny governemanta mamely ny mpanohitra, dia tena misy fiantraikany mivaingana tokoa. Na izany aza, ny sasany toy ny aligenjevi [AZ] dia mba nanamarika farafaharatsiny ny esoeso tao anatina fanehoankevitra iray napetraka tao amin'ny andiany amin'ny teny Azerbaijani amin'ny bilaogy voalohany voatanisa ao anatin'ity lahatsoratra ity.

Xatirimdədir, Ermənistanda prezident seçkiləri olanda koçaryan-sarkisyan komandasının Ter-Petrosyana qarşı istifadə etdikləri arqumentlərdən biri, sonuncunun Azərbaycan mediası, azərbaycan cəmiyyəti tərəfindən arzuolunan olması idi.

Yəqin indi ermənilər bizimkilərə borcu qaytarırlar 🙂

Tsaroako fony natao ny fifidianana izay ho filoha tao Armenia. Iray tamin'ireo fanohanan-kevitra nampiasain'ny tariky ny [governemanta] Kocharyan-Sarkisyan hanoherana ny  [mpitarika ny fanoherana] Ter-Petrosyan ny filazana fa ity farany dia nambàra ho olona azo fidiana tsara ho an'ny mpampita vaovao sy ny fiarahamonina ao Azerbaijan.

Sahala amin'ny hoe nahaloa ny trosany ny  Armeniana. 🙂

Indrisy anefa, na izany aza, ny filalaovana ny karatr'i Nagorno Karabakh ataon'ny firenena roa tonta dia nanjary fomba fanao iraisan'ny roa tonta isaky ny fifidianana hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena. Ary raha hodinganina fotsiny ireo fifidianana vao haingana tao Armenia, sy ny fifidianana ho avy ao Azerbaijan, ny resaka manodidina ilay fifandirana eo amin'ny roa tonta dia toy ny milaza fa mitohy ho any amin'ny hoavy efa fantatra izy io.

Mandritra izany fotoana izany, ao anatin'ny tanjona hanandratra ny tsy fiandaniana sy ny fitaterana ny vaovao araka ny tena zava-misy any amin'ny andaniny ataon'ny ankilany, ny mpamoaka lahatsoratry ny Global Voices any Kaokazy dia nihaona tamin'ny Filoha sy solontena hafa avy ao amin'ny Eurasia Foundation avy any Washington D.C. tamin'ny Jolay mba hifanakalo hevitra ny amin'izay ho tohana aroso ny  fihaonan'ny mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy avy eo an-toerana sy avy any ivelany hatao ao Tbilisi, Georgia, amin'ny faramparan'ity volana ity.

Ny mpamoaka lahatsoratry ny Global Voices avy any Kaokazy Onnik Krikorian, ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices Aygun Janmammadova, dia ho isan'ny ao anatin'ny tariky ny Global Voices amin'ny teny Rosiana, ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices, Arzu Geybullayeva dia handray anjara amin'izany. Ny fanavaozam-baovao mikasika ny hetsika dia ho hita ao amin'ny  pejin'ny fandrakofana manokana mikasika ny Feon'ny Fifandirana any Kaokazy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.