Pakistan: Mijanona ho zava-miafina ny raharaha Dr. Aafia Siddiqui

“Ny vokatry ny fitsarana nataoko dia voaheloka higadra mandritra ny 86 taona i Dr. Siddiqui,” (noho ny saika namonoany manamboninahitra amerikana iray tany Afghanistan) hoy ny mpitsara Richard Berman, miasa ao amin'ny lapan'ny fitsarana an'ny distrika any Etazonia ao amin'ny fitsaram-paritry Manhanttan ny 23 septambra 2010. Ilay teratany avy any Pakistan Dr. Aafia Siddiqui nanameloka ity fitsarana ity ary nilaza fa  mandany andro fotsiny ny “(fampiakarana fitsarana ambony). Andriamanitra no antsoiko.”

Vantany vao nivoaka tamin'ny media ny valin'ny fitsarana dia niakatra ny hatezeran'ny pakistaney ary olona aman'arivony maro no nidina an-dalam-be nanohitra ny nanamelohana an'i Dr. Siddiqui higadra 86 taona.  Minitra vitsy taorian'ny nivoahan'ny didim-pitsarana, ny rahavavin'i Dr. Siddiqui, Fauzia no nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety niaraka tamin'ny reniny, teo no nanakianany ny fanjakana any Pakistan izay tsy nanaja ny teny nomeny amin'ny hampodiana an'i Dr. Siddiqui.

Vokatry ny fihetsiketsehana dia voatery ny fanjakana ao Pakistan sy ny ministry ny raharaha anatiny Rehman Malik no nangataka an'i Etazonia hampody ny Dr Aafia Siddiqui any Pakistan.

Sary voarafitra an'i Aafia Siddiqui hita ao amin'ny poster-ny ao amin'ny vohikalan'ny FBI. Sary tamin'ny Wikipedia.

Dr. Aafia Siddiqui, fantatra araka ny hoe matoatoan'ny  Bagram na ny gadra laharana 650, no tadidin'ny Pakistaney an'arivony hatramin'ny tsy nahitana azy izay zava-miafina ihany nambaran'ny media tamin'ny taona 2007. Dr Siddiqui manana ny marim-pahaizana doctorat amin'ny génétique tany Massachussetts Institute of Techology (MIT) any Etazonia. Ny volana martsa 2003, dia nanjavona tampoka tao Karachi izy niaraka tamin'ny zanany telo. Raha ny marina, tsy niraharaha ny fikambanana miaro ny zon'olombelona manerana ny tany raha tsy navoakan'ilay gadra britanika Moazzan Begg tao amin'ny boliky “Mpiady fahavalo” izany zavatra izany.  Ny 6 jolay 2008 ilay mpanao gazety britanika Yvonne Ridley, nanao antso hanampiana vehivavy pakistanezy iray izay inoany fa natokan'ny Amerikana monina ao amin'ny fonjan'ny Bagram any Afghanistan nandritra ny efatra taona.

Araka ny fanadihadihana, i Ahmed, 12 taona, (zanaka lahin'i Aafia) dia nomena ny nenitoany Fauzia Siddiqui tamin'ny volana septambra 2008 taorian'ny taona maro nitazonana azy am-ponja tao amin'ny toby miaramilan'ny Amerikana any Afghanistan. Taty aoriana, nilaza ny media fa zazavavy kely iray antsoina hoe Fatima no nisy nanatitra teo alohan'ny tranon'ny rahavavin'i Dr. Siddiqui, ary ny fizahana ADN an'io zazavavy io dia nitovy tamin'ny an'i Ahmed (zanaky Aafia). Mandritra izany rehetra izany, loholona pakistaney sady filohan'ny birao maharitra ao anatin'ny sénat, Talha Mehmood, no “nihirahira fa ny Amerikana no nitazona ity zaza ity tao amin'ny efitrano mangatsiaka sady maizina ao amin'ny fonjan'ny miaramila nandritra ny 7 taona.”

Taorian'ny fiverenan'ireto zaza roa ireto, nanantena ny fianakaviana Aafia fa hiverina tsy ho ela ihany izy ary nanohy ny fifandraisany tamin'ny fanjakana ao Pakistan hahazoany antoka ny fiarovana an'i Aafia. Kanefa nihena izany fanantenana izany taorian'ny nahazoana vaovao fa voaheloka higadra mandritra ny 86 taona izy.

Maneho hevitra isankarazany amin'ity toe-draharaha ity ny media sy ny mpitoraka bilaogy any Pakistan, ny sasany miantsoantso fa niharan'ny tsy fahamarinana i Aafia, ny hafa kosa maka lesona ho an'ny sandan'ny fahamarinana sosialy.

Shaukat Hamdani manoratra ao amin'ny Express Blog:

“Na inona na inona lazain'ny media maneran-tany, tsy maintsy lazaina fa tsy voarohirohy amin'ny asa fampihorohoroana i Dr Aafia. Ny mifanohitra amin'izany, voaheloka izy fa nanatsoaka ny basin'ny manam-boninahitra amerikana iray tamin'ny tapaky ny volana may 2008 nandritra ny fakana am-bavany azy tao amin'ny faritry Ghazni any Afghanistan, avy eo izy nitifitra ireo mpiasan'ny FBI sy ireo niasa tao amin'ny miaramila. Na izany aza, tsy nisy ny naratra. Ny anaram-bositra nomen'ny media amerikana azy “Lady al Qaida” (Ramatoa al Qaida) tsy voamarina mihitsy ary izany angamba no nisy dikany tamin'ny mpitsara. Ny tena mampalahelo, na dia mpiara-miasa akaiky amin'i Etazonia amin'ny ady atao amin'ny asa fampihorohoroana aza ny fanjakana any Pakistan dia tsy nahazo na inona na inona tamin'izany, ary ny fomba nitondrany ny teratany avy any Pakistan iray dia tena mahonena.

Faisal Kapadia manoratra:

Tsy misy tsy mahalala fa ny fomba nitondrana azy tao amin'ny fonjan'ny Bagram dia tsy rariny, kanefa ny fahafahan'ny fanjakana any Pakistan hahazo ny fanafahana ho an'ny olony notsaraina sy nomelohin'ny fitsarana amerikana dia toa zavatra mampihomehy. Indrindra fa ilay olona voakasika dia mizaka zom-pirenena amerikana.

Beenish Ahmed manamarika ireto manaraka ireto hoeritreretina:

“Nanosika ny Pakistaney sasany hijery mihoatra ny fitsarana sosialy hitarafana ny fanontaniana momba ny fahamarinana ara-tsosialy ny raharaha Siddiqui. Ny tantara manoka-dRamatoa Siddiqui tsy resahana, ny zavatra tsy fantatra mazava nisamborana azy sy ny lavaka mitanatana amin'ireo porofo tsy naparitaka satria nolazaina fa tsiambaratelon'ny fiarovana dia nanjary zavatra nampitangorona ny tsy fitiavana Amerikana any Pakistan.”

Tsy maivana koa ny hevitra avy amin'ireo mpanoratra tandrefana, miady hevitra amin'ny fomba fitsarana any amin'ny lapan'ny fitsarana amerikana momba ny zavatra nanamelohana an'i Aafia Siddiqui sy ny famaritana ny valim-pitsarana.

Araka ny voalazan'i Stephen Lendman:

“Ity toe-draharaha ity dia ohatra anankiray mampiseho an-karihary ny tsy fahamarinan'ny Amerikana sy ny fanaovany fanararaotam-pahefana, noravahana tamin'ny fanamelohana azy mandra-pahafatiny amin'ny heloka nolazaina fa nataony kanefa tsy nataony akory.”

Ao amin'ny Houston Criminal Lawyer, John Floyd sy Billy Sinclair milaza fa fanamelohana lavabe tsy mahazatra dia sady goavana no ilaina, tsy vanona sady tsy fahita:

“Ny fanamelohana 86 taona an-tranomaizina nataon'ny mpitsara Berman dia tsy inona fa fitohizan'ny tsy fahamarinana sy ny fampijaliana mahatsiravina natao taminy. Tena mahamenatra, ary ity raharaha ity dia hijanona handoto ny fomban'ny fitsaranantsika sy ny lazan'i Etazonia manerana ny tany mandra-pivoakan'i Aafia.”

Afisy lehibe avy amin'i Dr. Aafia

Yvonne Ridley manoratra lahatsoratra vao haingana ao amin'ny Countercurrents.org mitondra ny lohanteny hoe “Aafia androany, ny terantany amerikana rahampisto”:

Tonga ny fotoana tokony hitakian'ny fanjakana ao Pakistan ny hampodiana an'i Aafia tsy misy hatak'andro. Tokony hangina ny Amerikana, tokony hilefitra ary hampiseho ny mahaolona azy amin'ny famerenana ny zanaka vavin'i Pakistan.

Raha misy vintana kely, dia tsy hiharan'ny vokatry ny tsy fanajana ny lalàna iraisam-pirenena sy ny tsy fanajana ny zon'olombelona ireo teranatany amerikana mivoaka any ivelany.

Ny raharahan'i Dr Aafia dia mbola zava-miafina hatramin'ny nanombohany, kanefa amin'ny maha terantany na Fanjakana, ny tsy firaharahiana manoloana ny toe-drahartaha toy izao  dia tsy hahazoana afa-tsy ny fanalavana ny lisitry ny olona very ao Pakistan ary hampitombo ny fokorontanana any amin'ny fiaraha-monina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.