Kaoety: Mihinàna, Mijere dia Mivavàha

Orinasa goavana mpamokatra sarimihetsika ao Kaoety no nanambara fa mikasa ny hametraka 10 mn ho fakàna aina amin'ny ora fiasany efa voafaritra isanandro mba hanomezana fotoana ireo mpino marobe hanaovan'izy ireny ny maghreb izay fotoam-bavaky ry zareo. Nifangaro be ihany ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter naterak'ilay fanambarana.

Tao anatin'ilay fanambarany, CinescapeQ8 nilaza hoe:

Ny 10 Minitra fitsaharana dia hanomboka amin'ny  360 mandritra ireo  fotoam-bavaka Maghreb

Ny 360 dia iray amin'ireo toeram-pivarotana vaovao goavana ao Kaoety.

Niteraka fifanakalozan-dresaka nafana tao amin'ny aterineto ilay fanambarana.

ilsul6ana niarahaba ilay hevitra:

Cinescape 360 izany izao dia hanana 10 mn fitsaharana mandritra ny fandefasana ny Fotoam-Bavaka Maghreb.
Inshalla (rha sitrapon'Andriamanitra) manakaiky ireo vavaka rehetra

avenuesq8, etsy andaniny, tsy dia mankasitraka loatra ny nampidirana io 10 mn fitsaharana io ao anaty fandaharam-potoana:

Fa avy aiza no nipoiran'ity resaka fivavahana rehetra ity e?? Hatramin'izay ianareo tsy nieritreritra ny olona rehefa milalao vidin'entana sy mandrebireby vahoaka huh? Ankehitriny ianareo te-ho masina ka dia manapaka ny horonan-tsarimihetsika noho ny fotoam-bavaka maghrib? Ka maninona raha mba amin'ny fotoam-bavaka ny hariva?!

Maka fomba fijery mitovy amin'izay dia manomtany i  danderma:

OK. Mendrika fanakianana ivaivay izany. Aleo ho saintsainintsika amin'izay izay mety ho tohiny ankehitriny, sa tsy izany?

Dia izao izany, eo amin'ny ivon'ny sarimihetsika iray alefan'ny 360. Very ao anatin'ny fizarana ny olona. Tampotampoka eo, maizina tampoka ny fàfana (screen) ary niverina nirehitra dia fotoana izay ho an'ireo mpijery mba handehanany mivavaka?!

Izany tokoa ve? Amin'zao fotoana, mba firy amin'ireo mpijery no mandeha mivavaka?

Ary miverina amin'ilay fifanakalozan-dresaka tany anaty Twitter sady nitondra fanamarihana i Hilaliya:

Cinescape, aza mitsapatsapa sy mitsara an'ireo mpitahiry sy mpifikitra mafy amin'ny andalan-tsoratra masina – ‘fundamentalists’. Fa raha izay no fanapahan-kevitry ry zareo, tsy ho nisy akory ianareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.