Rosia: “Tranonkalan'ny fahamarinana “

The Court House - Figure of Justice, photo by Elliott Brown

Ny tranon'ny fitsarana – Endriky ny fahamarinana , sary nalain'i Elliott Brown

Tamin'ny herinandro lasa, nandefa vaovao mikasika ireo mpitoraka bilaogy Rosiana sy ny fomban'izy ireo, izay tena mivatravatra, sahy maneho ireo heloka bevava sy ny kolikoly eo amin'ny rafi-pitantanana, ny mpanentana ny fandaharana vahiny any Rosia ao amin'ny – Fahitalavitra Russia Today TV (RT) – . Ireto misy santionany avy amin'ny lahatsoratra naseho tamin'ny aterineto mifandraika amin'izay:

Nanjary mora idirana ny aterineto any Rosia noho ny solosaina, ny solosaina finday, ny finday ary ny PDA…. ary ampiasaina mihoatra kokoa noho ny maha-fialamboly fotsiny. Ho an'ny maro, nanjary niova ho toerana niomerika hifaneraserana izany, izay tsy hoe andrenesana fotsiny ny feon-dry zareo fa miantoka ihany koa ny fipariahany manerana ny taniny ao anatina ora maro.

Misy ireo ohatra am-bava mikasika ny fomba  azon'ireo mpampiasa aterineto anampiana amin'ny  famahàna olana sarotra. Amin'ny lafiny iray, nahavoaroaka ny lehilahy iray ny horonantsary nisy azy naseho teo amin'ny aterineto. Ity lehilahy ity, izay lehiben'ny governemanta eo an-toerana, dia tena mpampijaly ankizy tokoa any am-pianarana nefa dia tsy mbola voasazy mihitsy raha tsy lasa toy ny aretina miparitaka ilay horonantsary.

Tohin'ny fandalinana :

“Tsy midika akory izany fa tsy mahay ny mpanao gazety , ary lafatra kokoa ny mpitoraka bilaogy ,” hoy i Sergey Dorenko, tonian'ny fanoratana ao amin'ny Sampam-baovao Rosiana , manamafy.”Na hoe ity no endrika tokan'ny fahalalahana maneho hevitra misy ao amin'ny aterineto. Resaka safidy tsotra fotsiny ihany izy ity. Tsy te hahita olona hanao tatitra izahay, fa te hanao – ary afaka – manao izay vitanay . Mamela antsika hisafidy izay tiantsika ho fantatra ny aterineto, raha ny hafaingan'ny fandehan'izany, na ny gazety na ny haino aman-jerin'ny fahitalavitra aloha dia tsy afaka ny hifaninana aminy amin'izao fotsiny.

Nefa kosa misy an'ity :

Amin'ny lafiny hafa, niezaka hifandray  tamin'ny filoha Rosiana Dmitry Medvedev ny mpitoraka bilaogy iray mba hanampiana kamboty iray, Pasha Berezin. Mpilalao echec matihanina, manam-pahaizana amin'ny matematika ary nahazo fanohanana avy amin'ny fanjakana, tsy nahatratra ny fanombohan'ny taom-pianarana i Pasha noho ny fangatahan'ny orinasa mpanao trano izay manampy ara-bola ilay sekoly. “Te-ho manam-pahaizana manokana amin'ny IT aho”, hoy ity ankizilahy tamin'ny RT. “Nefa milaza ny sekoly fa raha te-hianatra ao aminy aho ary hipetraka ao amin'ny trano fonenan'ny mpianatra, dia tsy maintsy mianatra mba ho lasa mpanao trano.” Noraisin'ny fikambanana manao asa soa , Murzik, ny trangan'i Pasha.

Nilaza ny mpamorona azy ity , i German Pyatov, fa ny nahasamihafa ny trangany dia noho izy nandefa hafatra ho an'ny Filoha tamin'ny aterineto.” Taorian'ny nandefasako ny taratasiko, nisy olona avy ao amin'ny biraon'ny Filoha niantso ahy ary nanontany ahy ny antsipiriany mikasika ity tranga ity ” hoy i Pyatov . “Fantatro fa nifampiresaka tamin'ny fianarana nisy an'i Pasha izy ireo, satria saika taorian'izay avy hatrany, niantso ilay toeram-pianarana ary nilaza tamin'i Pasha haka ny antontan-taratasiny ary mazava ho azy ny hialany tao. Natahotra izy ireo fa niditra an-tsehatra ny manam-pahefana. Avy eo nalain'ny haino aman-jery ny tantara, ary voatery nanajanona ny asa ratsiny ilay toeram-pianarana. Navelan'izy ireo hanatrika ny fampianarana i Pasha amin'izao fotoana izao, fa tsy mbola ekeny kosa ny hanome trano azy.”

Vaovao nandeha tamin'ny 20 Septambra ity tantara ity . Ny ampitson'io andro io, vaovao hafa mikasika ny anjara toerana mavitrika raisin'ny tontolon'ny bilaogy Rosiana no niseho tao amin'ny I Rosia ao ambadik'ireo Lohateny lehibe (Amin'ny aterineto sy an-tsoratra , fiaraha-miasa amin'ny gazety maro manan-danja avy any ivelany):

Nihanihena ny firesahana antontan'isa na antoko ao amin'ny fanoherana ara-politika any Rosia, fa niha nivelatra kokoa ho amin'ny olana fototry ny vahoaka : Araho maso ny fanoheran'ny mpamily fiara na ny fampielezan-kevitry ny olona any ifotony manohitra ny kolikoly ataon'ny polisy. Tena hita mihitsy ny fiantraikan'ny fanomezam-baovao mitsitaitaika (avy amin'ny tontolon'ny bilaogy mankany amin'ny haino aman-jery fototra ), noho izy maneho ny hetsiky ny mpitoraka bilaogy miala amin'ny maha-mpitahiry fotsiny ny maha-tandrenivohitra, sangany tena maharaka tsara ny zava-misy.

Eo ampahitàna tatitra toy izany, tsy vitan'ny tsirairay ny tsy hijery izay loharano: ny roa amin'ireo famoaham-baovao ireo dia an'ny fanjakana ary vokarina, voalohany indrindra, amin'ny teny Angliy,  miaraka amin'ny tanjona mba ” hanampiana ireo vahiny hahalala kokoa mikasika an'i Rosia”. Miaraka amin'izany ao an-doha, sahala amin'ny hoe hanampy ny fifandraharahana amin'ny vahoaka any Rosia kokoa izany tantara izany, indrindra rha ny ezana nataon'ny Filoha Medvedev hanandrana  hampiseho amin'izao tontolo izao fa i Rosia dia afaka milahatra (en par) tsara amin'ny Tandrefana raha resaka fivoarana ara-teknolojia, ary koa ny fiovana ara-tsosialy sy ara-toekarena izay miaraka aminy.

Kanefa, toa mifanohitra ihany amin'izay tokony ho izy raha ny fahalalahana mampiasa ny aterineto Rosiana izay nahasarika ny sain'ny maro tato ho ato. Tamin'ny voalohandohan'ity volana ity , niezaka ny naneho ny “demokrasia niomerika” i Tangled Web, izay milaza mikasika ireo vaovao farany avy amin'ny U.S. Institute of Peace – Blogs and Bullets – momba ny tanjaky ny media vaovao:

Tao anatin'ny fampidirana, nanamarika ny vaovao fa mbola tsy mazava mihitsy ny fiantraikan'ireo haino aman-jery vaovao amin'ny demokrasia, satria hita mibaribary loatra fa mbola miparitaka sy tsy matotra izany. Fa fehezanteny iray, eo amin'ny lafiny mikasika ny fiantraikan'ny haino aman-jery vaovao any amin'ny tsirairay, miaraha amiko : “mahatonga ny mponina ho malai-mihetsika ny haino aman-jery vaovao, amin'ny fitarihana azy ireo hanafangaro  ny fanasana vangy aty amin'ny aterineto sy ny hetsika ara-politika lehibe, mamily ny fifantohan-tsain-dry zareo tsy hizotra ho any amin'ny hetsika mamokatra maro.”

Tena miasa malalaka tsy misy hoatr'izany ny toerana fanaovana aterineto any Rosia, indrindra raha oharina amin'ny fampielezam-baovao  sy ny gazety an-tsoratra an'ny fanjakana. Ary maro ireo hetsiky tsara avy amin'ny olona ifotony ao amin'ny tranonkala any Rosia. Fa ankoatry ny maha fanoitry ny demokrasia kokoa ny aterineto, dia mety ho iray amin'ireo toerana fitsoahana lehibe ihany koa izy, izay ahafahana manao resadresaka  sy fomba fanao maro amina fotoana iray, izay  tena velona sy maro karazana, nefa ny sarintsariny aloha no tena betsaka.

Eto, tsy misy afa-tsy ny filazana ny tatitra 2010 avy amin'ny OpenNet Initiative, izay vakian'ny Country Profile on Russia toy izao:

Ny tsy fisian'ny fanivanana ny aterineto ataon'ny fanjakana ao Rosia dia nahatonga ny mpandinika sasany hanao tsoak'hevitra toy izao  fa toy ny habaka iray midadasika tsy voarara ny aterineto Rosiana . Raha ny zava-misy, ny mifanohitra amin'izany no marina . Mifofotra mafy mifaninana mafy amin'ireo trano fidirana amin'ny aterineto ny governemanta Rosiana izay mampiasa ny tetikadiny andiany faharoa sy fahatelo ho fitaovana hanefena ny tontolon'ny famoaham-baovaom-pirenena sy  mba hanapariahana ny hafatra ara-politika sy ny tetikadin'ny mpanohana ny governemanta . Ity fomba ity dia mifamatotra amin'ny fomba fijery stratejikan'ny governemanta manoloana ireo trano fidirana amin'ny aterineto ary  narafitra ho tetikady hanjary ho ny lalàna fototra mifehy ny tsiambaratelon'ny vaovao.

Afaka mamaky bebe kokoa mikasika ny “fomba azo isafidianana ” amin'ny “fitantanana ” ny aterineto ianao ao amina toko iray hafa ao anatin'ilay tatitra, izay natokana ho an'ny trano fidirana amin'ny aterineto Rosiana . Raha ny heviny, na izany aza, maneho ny tsy hita maso izy ireo, ary angamba aza, mandray fanapahan-kevitra, izay tsy voatery ho voasakan'ny fetran'ny fahalalahana – amin'ny fanomezana hevitra ankapobeny mikasika ny filaminana  (izany hoe tsy misy “firewalls [Avy amin'ny mpandika :  rindrambaiko fanivanana ny hoe iza avy no afaka manao inona ao anaty tambajotrana solosaina] ” na fandrarana amin'ny tranonkala sasany ) – rehefa miato kely mandinika raha toa ka mety hisy fiantraikany goavana tokoa ny fahalalahana tafahoatra…

Maro ireo karazana “vaovao”  izay niresaka mikasika izay olana izay, izay tena mendrika horaketina an-tsoratra:

-Nanana lahatsoratra tsara mikasika ny “revolusiona amin'ny fitorahana bilaogy any Rosia ,” ny The Guardianraha, raha naneho ireo ohatra milaza ny fomba mety hahafahan'ireo izay eo amin'ny fahefana mitrandraka izany ho amin'ny tombontsoany manokana. 

- Nanana ampahana horonantsary manokana mikasika ny tombontsoa azo amin'ny fahavitrihan'ny aterineto , ary ny sasany amin'ireo vokatra mety ho azo avy amin'izany any Rosia ny New York Times.

-Ny fahitalavitra Russia Today TV ihany koa no mba nahita tantara mikasika ny andrana tsy nahomby nataon'ny fitsarana any amin'ny tanàna farany atsinanana lavitra any Komsomolsk-on-Amur hanakana ny YouTube. Izay no manohy ny “andrana vaovao “ tena resahana be nataon'ny Kremlin: manokatra ny tolo-dalàna fanovana ny rafitry ny polisy izay natolony vao haingana mikasika ny gazety bokim-bahoaka, amin'ny aterineto.

Mety hoe hanehoana ny mariky ny fandrosoana angamba ireo, izay mety tsy dia nandrasan'ny maro loatra hoe ho avy rahampitso. Na izany aza, mety ho ohatra fotsiny ihany koa ireo amin'ny antsoin'i Tangled Web izay hanamarinany ny atao hoe “fomba fisainana taloha tany Rosia, toerana izay ny “tsar” no tena nanjaka tao ka ny mpiasam-panjakana antonontonony teo  no tena notondroina ho mpanao kolikoly sy tokony ho saziana mafy amin'ny zavatra rehetra.”

Tokony ho lazaina na izany aza, fa izany demokrasia izany, – ny tena izy sy ny niomerika – dia hita ho azy foana eny ihany fa tena zara raha izy. Eny fa na dia ny demokrasia malaza Tandrefana  maro aza dia manana olana lehibe amin'ny fidirana amin'ny aterineto ary koa ny fanaraha-maso , ka angamba i Rosia tsy tokony hotsaraina hentitra loatra ? Nefa moa, fa maninona kosa ny firenena raha nametraka izany tanjona izany ho azy irery?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.