Mpamaham-bolongan'ny Global Voices manatrika ny vovonan'ny Firenena Mikambana momba ny tanjon'ny taonarivo

Mpamaham-bolongana efatra avy amin'ny Global Voices no nanatrika ny Vovonan'ny Firenena Mikambana momba ny Tanjon'ny Taonarivo ho amin'ny Fampandrosoana tontosaina tany New York City (20-22 Septambra). Any amin'ny bolongany sy any amin'ny Twitter any ry zareo no mizara ny eritreriny momba ilay Vovonana sy ny drafitra nivoaka avy tamin'ny fivoriana. Ampolony monja ny mpamaham-bolongana nizara ny fomba fijerin'olo-tsotra amin'ny fivoriana avo lenta tahaka izao any New York sy manerantany. Ny Tanjon'ny Taonarivo ho amin'ny fampandrosoana no tarigetra valo lehibe nifaneken'ny firenena mambra ao amin'ny Firenena Mikambana hampihenana ny fahantrana manerantany mialoha ny taona 2015.

Sonam OngmoSonam Ongmo dia mpamaham-bolongana sady mpanao gazety avy any Bhutan. Ao amin'ny bolongany, Dragon Tales, no anoratany:

Rehefa mieritreritra ny hanolotra ny “Fahasambarana” ho tanjona fahasivin'ny MDG (Tanjon'ny Taonarivo ho amin'ny fampandrosoana) ianao tamin'ity herinandro ity nandritra ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana nasongadin'ny avy amin'ny firenena bitik'i Bhoutan dia mahandrasa mandra-pahitanao ny hetahetan'io firenena io hahazo toerana tsy maharitra ao amin'ny filankevitry ny filaminana…

Ao amin'ny Conversations for a Better World (na dinidinika hanatsarana ny tany) no hanazavan'i Sonam fa te-hampiroborobo ny “Gross National Happiness” (tahan'ny fahasambaran'ny firenena) ho maridrefim-pampandrosoana ekena anilan'ny  fiharian-karem-pirenena i Bhoutan. Ao amin'ny Twitter (@sonamongmo), no itantarany bebe kokoa ny ezaka nataon'ny solontena avy any Bhoutan.

Andrea Arzaba Andrea Arzaba avy any Meksika no iray amin'ny mpandresy telo tamin'ny THINK! Fifaninanana fampivelarana ny tontolon'ny famahanam-bolongana nokarakarain'ny Ivotoerana Eoropeana momba ny fanaovan-gazety ka nahazoany ny loka hanatrika ny Vovonan'ny Firenena Mikambana notontosaina tany New York. Ao amin'ny bolongany ao amin'ny THINK! i  Andrea no efa nampanantena fa hanoratra bebe kokoa saingy niato vetivety aloha izy hizarany ny fientanentanany:

“Feno dia feno tokoa ny fotoananay noho ny fanenjehanay ny hetsika maro mifandimby. Saingy haizatra nahaliana dia nahaliana ihany koa- ary raha avelako moa ny fombafomba dia azoko lazaina fa MAAAAASAKA EEEEE!!!!”

Tao amin'ny Twitter (@andrea_arzaba) izy no tsy nitsahatra ny namoaka ny vaovao farany, ny zavamisy sy fanampim-panazavana amin'ny kabary sy ny hetsika ofisialy.

Bhumika GhimireBhumika Ghimire indray dia mpanangom-baovao tsy miankina no mpamaham-bolongana ihany koa fa avy any Nepal. Nanara-maso manokana ny firenena niaviany izy tamin'ity herinandro ity tao amin'ny Firenena Mikambana. Tao amin'ny Twitter (@bhumikaghimire) izy no nilaza ny fahafaliany sy ny ahiahiny:

“Nahazo ny lokan'ny tanjon'ny taonarivo i Nepal tamin'ny fanatsarana ny fahasalaman'ny reny (bevohoka sy mitaiza zaza). Eny saingy mila ezaka be dia be amin'ny fampianarana, fitoviana (lahy sy ny vavy) ary ny tontolo iainana”.

Niresaka ihany koa ny momba ny tsy fahombiazan'ny fampandrosoana Indiana sy ny fiovan-kevitr’ i Alemaina momba ny fanampiana ho amin'ny fampandrosoana izy.

Eman AbdElRahmanEman AbdElRahman indray dia avy any Ejipta izay nahazo loka tamin'ny World Youth Summit Award  (Lokan'ny Vovonan'ny Tanora Manerantany) hanatrika ny vovonan'ny Firenena Mikambana momba ny Tanjon'ny Taonarivo momba ny fampandrosoana noho ny tetikasany “Laila daholo isika rehetra” (Laila Kolena) izay fandraisana andraikitra an-tserasera miompana amin'ny Zon'ny vehivavy any Proche Orient sy Afrika Avaratra. Ampy ny Sioka an-tserasera nataon'i Eman hahafantarantsika izay tao an-tsainy (mihamazava kosa izy izany!):

Tsy maintsy hikabary aho rahampitso maraina… maty aho marina!

Manana pejy manokana momba ny Tanjon'ny Taonarivo momba ny Fampandrosoana ny Global Voices izay hahitanao lahatsoratra momba ny fampandrosoana sy ny tafa nivoaka avy tamin'ny Vovonana.


Fanampiny an-tserasera nandritra ny herinandron'ny Vovonan'ny Firenena Mikambana

avy amin'i Johanne Veilleux

Araka ny notaterin'ny Global Voices teny frantsay, dia maro dia maro ihany koa ny fandaharam-potoana niara-dalana tamin'ny Vovonan'ny Tanjon'ny Taonarivo momba ny fampandrosoana tontosaina any New York ary aorian'izany ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana (UNGA). Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa dia nametraka  UN Week Digital Media Lounge foiben'ny famahanam-bolongana ao amin'ny 92 lalana Y izay ivorian'ny mpanao gazety antserasera, ONG ary ny mpamaham-bolongana amin'ny mpitondra ambony isan-karazany ny UN Foundation, Mashable ary ny 92Y ary mandritra izany no isoloandry zareo vava izay tian-dry zareo arovana na asongadina. ireo fikambanana ireo ihany koa no tompon'andraikitra tamin'ny Vovonana Sosialy (Social Good Summit) (Sept 21-24) izay niompana tamin'izay azon'ny fitaovan-tserasera vaovao miatrika ny fanamby miandry an'izao tontolo izao. Azonao arahina ny fampitana mivantana ny fivoriana. Na dia tsy any New York aza ianao mandritra ny herinandro dia mbola azonao atao ny mandray anjara amin'ny tafatafa noho ny Twitter sy ny tenifototry ny vovonana, #UNWEEKDML.

Nandray anjara tamin'ity lahatsoratra ity i Maria Grabowski Kjær.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.