Kongo (RDC) : Radio Okapi, nandrombaka ny loka “Free Media Pioneer”

Didace Namujimbo, mpanao gazetin'ny radio Okapi nisy namono tamin'ny 21 novambra2008 tany RDC.

Ny 9 septambra 2010, ny Institut international de la presse (IPI) no nanolotra ny loka « Free Media Pioneer » [Mpitari-dalan'ny Media malalaka] tamin'ny Radio Okapi, radio an'ny Firenena Mikambana any amin'ny Repoblika demaokratikan'i Kongo naorin'ny Monuc (Mission des Nations Unies au Congo na Iraky ny Firenena Mikambana any Kongô izay niova ho Iraky ny ONU handaminana an'i RDC (MONUSCO) hatramin'ny 28 mey lasa teo sy ho an'ny Fondation Hirondelle any Soisa. Efa hatramin'ny febroary 2002 no nandeha ity radio ity ho fandraisana anjara hanolokoloana ny fandriampahalemana ao amin'ity firenena ity.

Efa nanana ny fanambiny ny radio Okapi (anaram-biby velona arovana any Kongo) hatramin'ny nananganana azy. Tahaka izao no ilazan'ny vohikala grandslacs.net azy:

Le projet Radio OKAPI, c’est: Un réseau de transmissions par satellite et de diffusion en ondes courtes et en FM, ainsi que sur l’Internet.
[…]
Des programmes consacrés à une information rigoureuse, non partisane, crédible, diffusés sur l’ensemble du territoire. Des programmes en français, en lingala, en swahili, en tshiluba, en kikongo, dans d’autres langues locales, et en anglais.
Des programmes consacrés à la santé, à l’éducation, aux droits de l’homme, à la culture, à la musique.

Ny tetikasan'ny Radio OKAPI : Tambajotram-pampielezampeo amin'ny alalan'ny zanabolana sy fandehanany amin'ny onjam-peo fohy sy amin'ny FM, ary amin'ny aterineto.
[…]
Fandaharam-baovao matotra, tsy mitongilana, azo inoana, alefa manerana ny firenena. Fandaharana amin'ny teny frantsay, lingala, swahili, tshiluba, kikongo, amin'ny tenim-peritra hafa ary amin'ny teny anglisy.
Fandaharana miompana amin'ny fahasalamana, fanabeazana, zon'olombelona, kolontsaina, amin'ny mozika.

Araka ny lahatsoratra hita ao amin'ny reliefweb.int:

« Huit ans après avoir commencé à émettre, Radio Okapi a prouvé sa pérennité et a changé le visage de la couverture de l'actualité de la RDC », précise le communiqué de l'IPI. Selon l'Institut, « dans un pays qui a souffert de la violence et du sous-développement, Okapi contribue à la paix et à la démocratisation en permettant la libre circulation de l'information ».
Radio Okapi a également contribué à la propagation de l'information dans et autour de la RDC grâce à son site internet (www.radiookapi.net) qui est le site d'information le plus visité de la RDC, avec plus de 400.000 connexions par mois.

“Noporofoin'ny Radio Okapi ny fikirizany, valo taona taorian'ny nandehanany voalohany ary novainy ny endriky ny fitateram-baovaon'i RDC”, hoy ny fanamarihan'ny IPI. Hoy ny Ivotoerana,”ao amin'ny firenena ianjadian'ny herisetra sy ny fahantrana no nandraisan'ny Okapi anjara fanorenana ny fandriampahalemana sy ny demaokrasia nahafahan'ny vaovao nivezivezy malalaka”.
Nandray anjara tamin'ny fampielezana ny vaovao anaty sy manodidina an'i RDC koa ny Radio Okapi noho ny vohikalany (www.radiookapi.net) izay vohikalam-pampahalalam-baovao be mpitsidika indrindra any RDC, fa mihoatra ny 400.000 isam-bolana ny miditra ao aminy isam-bolana.

Nampisy aingam-panahy namoahana lahatsary Radio Okapi- Radio de la vie na Radio Okapi – Radion'ny fiainana, izay nahazo loka vitsivitsy sady efa nandeha tamin'ny fahitalavitra samihafa toy ny TV5, RTBF izay belza miteny frantsay ny tetikasa radio Okapi. Miresaka momba ny lahatsary indrindra dia nanoratra toy izao ao amin'ny bolongany prland.net i Eric Maillard :

Produit et réalisé par Pierre Guyot, ce film de 52 minutes se révèle touchant, percutant et tout simplement utile. Il propose en particulier des images d’archive extrêmement rares sur le génocide rwandais.
En 1994, au Rwanda, « La radio des mille collines » a réglé minute par minute le dernier génocide du 20ième siècle qui fera plus d’un million de morts. La République Démocratique du Congo, pays voisin, a elle aussi connu une guerre civile qui a fait des millions de victimes. Avec des journalistes, Radio Okapi est née de cette volonté de faire autrement dans une zone de conflit : apporter aux citoyens une information juste et équilibrée et faire de cette radio un instrument de paix.

Hita ho mahadona, mazava ary ilaina indrindra ity lahatsary maharitra 52 minitra novokarina sy notontosain'i Pierre Guyot ity. Hita ao indrindra indrindra ny tahirintsary vitsy dia vitsy momba ny fandripahan'olona tany Rwanda.
Tamin'ny 1994 tany Rwanda, nalamin'ny « La radio des mille collines » [radion'ny Vohitra Arivo] isa-minitra ny fandripahan'olon'ny ny taonjato faha-20 izay nahafatesana olona mihoatra ny iray tapitrisa. Nahalala ady an-trano, mihatra amin'olona an-tapitrisany, ihany koa ny Repoblika demaokratikan'i Kongo, firenena mifanila aminy. Noho ny finiavan'ny mpanao gazety sasany hiasa amin'ny fomba hafa no nahaterahan'ny Radio Okapi: mitondra vaovao marina sy voalanjalanja sy mampiasa ny radio ho fitaovana ho an'ny fandriampahalemana.

Ho an'ny africine.org ny Radio Okapi dia :

… la fréquence de la paix en République Démocratique du Congo et la première radio nationale de cet immense pays au coeur de l'Afrique. Sa vocation : fournir une information fiable, rigoureuse et professionnelle à ses auditeurs. Elle diffuse ses programmes sur une grande partie du territoire congolais. Outre le studio principal à Kinshasa, elle dispose de 8 stations régionales, d'une vingtaine d'émetteurs FM et de 3 emetteurs ondes courtes. Dans ces stations, une petite centaine de journalistes, animateurs et techniciens se relaient 7 jours sur 7 pour offrir à la RDC une information de qualité en français, lingala, swahili, siluba et kikongo.

…Onjam-peon'ny fandriampahalemana ao amin'ny Repoblika demaokratikan'i Kongo sady radio nasionaly voalohany ao amin'ity firenena midadasika dia midadasika eo afovoan'i Afrika ity. Ny adidiny: manome vaovao marina, hentitra ary matihanina ho an'ny mpihaino azy. Mampiely ny fandaharany manerana ny sisintany Kongoley amin'ny ankapobeny. Ankoatra ny birao fanelezana foibe any Kinshasa dia manana sampana any amin'ny faritra anankivalo, fanelezana FM roapolo eo ho eo ary fanelezana amin'ny onjampeo fohy anankitelo. Any amin'ireny sampana ireny dia mpanao gazety, mpanentana ary teknisiana anjatony no mifandimby 7 andro amin'ny 7 anjatony no manolotra vaovao amin'ny teny frantsay, lingala, swahili, siluba ary kikongo.

Ho an'ny afriqueinvisu.org, Radio Okapi,:

… est née du constat qu’aujourd’hui, en zone de conflits, là où la propagande est une arme de guerre, l’information crédible parce que non partisane, peut être une arme de paix. Radio Okapi voit le jour en 2002. Une expérience contée par Pierre Guyot, journaliste, ex-collaborateur de Europe1.
« Radio Okapi, radio de la vie » propose des images totalement inédites du génocide rwandais, prouve qu’un média d’information peut promouvoir la démocratie et surtout montre le courage et le talent des journalistes de Radio Okapi dont certains ont, depuis le tournage de ce reportage, payé cette détermination de leur vie.

…hita ankehitriny, fa any amin'ny faritra miady, any rehefa fitaovam-piadiana ihany koa ny fampielezan-kevira, ny vaovao azo inoana satria tsy mitongilana, no fitaovana ho amin'ny fandriampahalemana. Teraka tamin'ny 2002 ny radio Okapi. Traikefa notantarain'i Pierr Guyot, mpanao gazety, mpiara-miasa taloha tao amin'ny Europe1. “Radio Okapi, radion'ny fiainana” no manolotra sary hafa mbola tsy fahita tamin'ny fandripahana Roandey no anaporofoana fa misy ny fampitam-baovao afa-mampiroborobo ny demaokrasia ary indrindra indrindra nampiseho ny fahasahiana sy ny talentan'ny mpanao gazetin'ny Radio Okapi, izay nanolotra ny ainy mihitsy aza ny sasany tao aminy hatramin'ny nakana sary io lahatsarim-panadihadiana io.

Toy izao kosa ny famaritan'ny Radio Okapi azy ao amin'ny vohikalany:

un réseau composé d’une tête de réseau à Kinshasa et de 8 studios régionaux. Elle compte plus de 200 collaborateurs (journalistes, techniciens, animateurs, chauffeurs, etc.) sur l’ensemble du pays, 20 relais FM propres et 27 radios partenaires qui reprennent une partie de ses programmes.

Tambajotra manana ny foibeny ao Kinshasa sy sampana 8 any amin'ny faritra. Manana mpiara-miasa mihoatra ny 200 (mpanao gazety, teknisiana, mpanentana, saofera, sns.) manerana ny firenena, tandrom-pifandraisana FM manokana 20 sy radio 27 mpiara-miombon'antoka izay maka ny ampahan'ny fandaharana ao aminy.

Ao amin'ny Afriqueactu.net kosa i Jean-Pierre Ndongo no mampahatsiahy ny tanjon'ny IPI sy ireo farany nahazo loka avy aminy :

Créé en 1996, cette récompense honore les médias qui contribuent au développement d’une presse libre dans leur pays grâce aux efforts inlassables qu’ils fournissent et aux risques qu’ils prennent. Les derniers lauréats du prix comprennent « Novaya Gazeta », journal de la Fédération de Russie (2009), le blog américain « Talking Points Memo » (2008), l’agence de presse « Mizzima Inde & Birmanie » (2007), le journal « Yemen Times » (2006) et la radio indépendante zimbabwéenne « SW Radio Africa ».

Manome voninahitra ny media mampiroborobo ny fampitam-baovao malalaka ao amin'ny firenena misy azy noho ny fikirizany hatrany na dia mety hisedrana zava-tsarotra aza ity loka ity raha noforonina tamin'ny taona 1996. Ireo nahazo loka farany dia nahitana ny « Novaya Gazeta », gazety any amin'ny federasionan'i Rosia (2009), ny bolongana amerikana « Talking Points Memo » (2008), ny sampana fanangonam-baovao « Mizzima Inde & Birmanie » (2007), ny gazety « Yemen Times » (2006) ary ny radio tsy miankina zimbaboeana « SW Radio Africa ».

Raha te-hahalala bebe kokoa momba ny Radio Okapi.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.