Mila ny fanohananao ny mpikatroka Tailandey voasambotra taorian'ny #IAL2010!

chiranuch-premchaipornVoasambotra tao amin'ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Bangkok Suvarnabhumi i Chiranuch Premchaiporn, mpitantana ny Prachatai.

Niverina avy tany amin'ny Dinidinika “Aterineto ao amin'ny Fahalalahana 2010: Ny Fampanantenana sy ny loza mety hihatra amin'ny Fahalalahana Miteny” natao tany Bodapesta ny mpanao gazety sy mpanohitra ny fanivanana iray (@Jiew ao amin'ny twitter).

Mitondra loharanom-baovao manan-danja ho an'i Thailand izy, firenena izay fantatra amin'ny fitomboan'ny fanivanana ny aterineto, tahaka ny notaterin'ny OpenNet, ny fanimbazimbana ny zon'olombelona sy ireo fihetsika manohitra ny fahalalahana miteny. Nanaraka sy nanamarika fisamborana maro an'ireo mafana fo niomerika avy any Thailand ny Feo Voarahona, anisan'izany ny fisamborana an'i Chiranuch teo aloha tamin'ny taona 2009-2010.

Raha te-hahalala bebe kokoa mikasika ny tetikasany dia tsidiho ny Demokrasia Nomerikany. Raha te-hanohana azy ianao dia iangaviana hitsidika ity vohikala ity sy hanohana ara-bola amin'ny tranga manjo azy. Afaka mitoraka tweet ihany koa ianao ao amin'ny “Help free @Jiew #freejiew #Thailand (Ampio maimaim-poana i @Jiew #freejiew #Thailand) ”.

Efa voasambotra i Chiranuch Premchaiporn teo aloha, tamin'ny 6 Martsa noho ny Fandikan-dalàna amin'ny Solo saina any Thailand. Ny fiampangana azy tamin'izany dia ny famelany ireo tsikera apetraky ny mpamaky ny dinika ady hevitry Prachatai ao amin'ny aterineto voalaza ho *lèse majesté* [fanivaivana ny mpanjaka] . Ny 31 Martsa 2010, navoaka i Chiranuch Premchaiporn ary nandoa antoka (300,000 baht tsy maintsy naloa).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.