Bermudes: Miady amin'ny rivo-doza Igor

Ny zavatra marina raha jerena ny anarany, ny rivo-doza Igor , hatramin'izao, no lehibe sady natanjaka indrindra tamin'ity vanim-potoan'ny rivo-doza 2010 ity tany Atlantika, rivo-doza izay namely ny nosy kely Bermudes na dia mizotra mankany amin'ny Terre-Neuve, Canada aza izy. Manangona vaovao any ivelan'ny toha-drano ireo mpitoraka bilaogy vitsivitsy any an-toerana…

Talohan'ny nahatongavan'ny rivo-doza, Breezeblog nandefa sary mihetsika mampiseho ny anankiray amin'ireo moron-dranomasina ao amin'ny nosy, nanamarika koa fa ity nosy ity dia mikatona “noho ny fahitana azy ho toy ny notsofina”:

Hanoratra ao amin'ny Facebook sy twitter foana aho (@gobber) raha mbola misy ny herinaratra.

Manome rohy maro koa izy hahafahana manaraka aterineto ny fivoaran'i Igor.

Bermuda Blog gaga amin'ny fahalehibeazan'ny onja vokatr'ity rivodoza ity, na dia vao 60 ora mialohan'ny hidirany an-tanety aza.

Miharatsy ny toetr'andro, araka ny hita ao amin’ ity sarimihetsika ity avy ao amin'ny Breezeblog, izay mitantara:

Mandrivotra daholo ny zava-drehetra nandritra ny fotoana nivoahana nampitsangatsangana alika tamin'ny maraina. Efa mandray ny anarana rivodoza tropikaly izy izao, araka ny hita eo amin'ity sary mihetsika ity, hatreo amin'ny toeram-piantsonana ao Salt Kettle, hetrery am-pita ao Hamilton Harbour ao an-tanàna.

Ny Twitter, araka ny efa mahazatra rehefa misy trangan-javatra tahaka itony, dia sehatra mahomby fivoahan'ny vaovao; mampiasa azy foana i Politics.bm :

Aoka ianareo tsy hieritreritra fa tsy niomana hiatrika ny rivo-doza aho. Efa nampandroako aza ny alika.

Ny hafainganam-pandeha sy ny fizotry ny rivotra ao amin'ny Gilbert Hill http://bit.ly/97Xhs6

Lasa ny herinaratra fa eto ny tara-pahazavana. Misaotra #Igor

Raha afaka niteny angamba ny varavarako dia efa nanao hoe “Ouuuccchhhhh!”. Manara-drindrina aho hatramin'izao.

Mbola miantsoantso hatramin'izao hatrany ambony andrefana ka hatraty. Aza jerena ny fahapotehan'ny tafo manodidina an'i  Smiths sy Dev. Voasarika elabe eo ny maso tsy hijery zavatra hafa intsony.

Shawn & Sue manolotra vaovao fanampiny hafa koa, angamba noho ny maha any ivelan'ny nosy azy:

Hatramin'izao dia mamely an'i Bermudes ny rivo-doza Igor miaraka amin'ny rivotra mifofo, oram-be mivatravatra ary fahapotehana. Ny vaovao farany no nahalalalana fa ny antsasaky ny nosy mahery dia tsy tapaka herinaratra, mianjera eny rehetra eny ny hazo, tondraka ny rano, ary efa nisy 24 ora maninjitra niainana tanatin'ny rivotra nifofofofo mafy ary ratsy dia ratsy ny toetr'andro mialoha ny ahalasanany.

Tamin'ity herinandro ity dia manontany izahay raha afaka nanao na inona na inona niatrehana iny rivo-doza iny raha mbola tafajanona tany. Tsy zavatra hafa no vitanay ankoatra ny tahotry ny fahapotehana tanteraka. Mafy be ny tafo sy ny trano any Bermudes ary kely ny herijika amin'ny fahapotehana goavana. Kanefa ny hafanana be, ny tsy fahampian'ny rano sy ny herinaratra no mety hahatonga ny fahantrana. Nandritra ny fandalovan'i Fabian, nentin'ny rano ilay tetezana mitsingevana mampitohy ny ampahany maro amin'ny faritra tao amin'ny nosy amin'ny ilany antsinanana ary indrindra ny seranam-piaramanidina . Midika izany fa mety tsy hanana herinaratra ianao mandritra ny andro maromaro.

Manana namana marobe izahay any an-toerana izay manaraka akaiky ny fizotry ny rivo-doza ary manantena fa handao ny nosy izany ka tsy hamela fahavoazana goavana. Tsara ny asa nataon'ny royalgazette nampiaina ny zava-misy tamin'ny bilaogy kanefa niala tsy niserasera intsony izy ka voatery miandry ny ampitso isika vao afaka hijery indray raha mbola ao ireo bilaogy ireo.

Angamba aloha loatra izao raha hijerena ny halehibeazan'ny fahavoazana tao amin'ny nosy taorian'ny fandalovan'i Igor, kanefa nanapa-kevitra Breezeblog hijery izany amin'ny lafiny tsara, amin'ny alalan'ny fandefasana lisitra mahafinaritra ahitana zavatra folo hitiavana (ary koa hankahalana) ny rivo-doza. Eo amin'ny voalohan'ny lisitra no ahitana mazava ho azy ny efa nahalasa ilay rivo-doza…na dia amin'izao fotoana izao fotsiny aza.

Ny sary nampiasaina ao amin'ity soratra ity, “NASA Satellite Captures Hurricane Igor”, dia avy amin'ny  NASA Goddard Photo and Video, nahazoana alalana tamin'ny Creative Commons Attribution 2.0 Generic License. Tsidiho NASA Goddard Photo and Video's flickr photostream.

Janine Mendes Franco

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.