Indonezia: Mihantsy ny didim-pitsarana ka manakatona fiangonana ny fanjakana iray

Noterena hampitsahatra ny fanompoam-pivavahana, tamin'ny alahady alina teo, ny fiangonana protestanta GKI Taman Yasmin ao amin'ny fitantanam-panjakan'i Bogor, Indonezia. Nohodidin'ny polisy sy ny sampan'ny mpitandro ny filaminana (Satpol PP) ny manodidina ny fiangonana, Notapahiny ny fotoam-pivavahana tao am-piangonana, ary nakatony ara-panjakana noho ny baikon'ny (fitantanana ny ) tanàna ny fiangonana.

Ny andraikitra voalohan'ny sampan'ny mpitandro ny filaminana dia ny hanatevin-daharana ny polisy sy ny fitantanam-panjakana isam-paritra hitandro ny filaminana. Nefa raha mahita ny fihetsika tampoka natao sy araka ny fanaon'ny miaramila, dia misy ny mieritreritra fa noho ny fandrisihana islamista hanenjika ny vondrona sy fiangonana krisitiana ao amina firenena maro silamo an'isa no mahatonga izao toe-javatra izao. Tamin'ny herinandro teo manko dia mpitarika fiangonana kristiana roa no nisy nanatsatok'antsy tany amin'ny fitantanam-pajakan'i Bekasi amin'ny ilany atsinanana mifanolotra amin'ny renivohitra, Jakarta.

Tsy dia mahaliana loatra ny fampitam-baovao mahazatra ao an-toerana ity toe-draharaha ity. Twitter indray no fitaovana lehibe nampiasain'ireo niharan'ity raharaha ity hampitany ny zava-misy.

Ny marainan'ny Alahady (September 19) i Bona Sigalingging, iray amin'ny mpiangona no tsy nitsahatra nampita sioka an-tserasera tahaka izao:

Polisi makin banyak, denpom akan dikerahkan. Alasannya keamanan. Kalo alasannya keamanan, kenapa kami yg diusir? Kami yg punya IMB lengkap!

Update 1:Jemaat msh dilokasi Gereja.Polisi makin byk,ultimatum jemaat pulang.Jemaat btahan ddpn pagar.Mbl polisi mulai pepet jemaat.

Update2:Pukul1.03jemaat GKI bnyanyi dan bdoa dbwh ancaman polisi utk bubar.Jemaat tetap btahan.
Update3:Pukul 1.07.Anggota Detasemen Polisi Militer mulai tlihat dilokasi.Kehadirannya mengintimidasi jemaat.Jemaat bertahan.Nyanyi dan doa.
Update4:02.47wib.Jemaat GKI msh btahan ddpn gerbang gereja,mencegah dtutupnya areal trotoar dan areal dpn gerbang oleh mobil2 polisi.
Update5:Pencegahan dtutupny trotoar oleh polisi hrs dlakukan agar ttap ada ruang bagi jemaat utk ibadah hari minggu sekalipun di trotoar lg.
Update6:Jemaat tampak tidur beralaskan tikar,dgn keyakinan penuh utk mptahankan iman dan hak beribadah yg dijamin konstitusi.
Update 7: 03.51 wib. Polisi:gerbang gereja digembok lagi adalah krn ada ancaman keamanan hari minggu ini bila jemaat ibadah didalam gereja
06.54 wib:mobil anti huru hara datang!Tp tetap saja Tuan-Tuan,kami ibadah 8 wib, mski hanya di trotoar ini http://plixi.com/p/45892275
Entah mengapa Anda kirim mobil anti huu hara ini.Kami hanya ingin ibadah,menyapa Tuhan yg disp o/ milyaran orang di dunia dlm beragam nama!

Tonga ny polisy fanampiny, ho avy koa ny zandary (Denpom). (Antony ara-piarovana) no lazainy fa anton'izao. Koa raha antony ara-piarovana, nahoana no izahay no roahina? Manana fahazoan-dalana hanangana trano mazava tsara izahay.

Noankotrihina 1 : Mbola eto ny mpiangona. Miampy ny polisy tonga, asainy mody izahay. Mijoro eo ivelany anelanelan'ny fefy sy ny fiaran'ny polisy ny mpiangona.

Noankotrihina 2: Amin'ny 1:03 maraina, mihira sy mivavaka tomerin'ny fandrahonan'ny polisy hanaparitaka ny mpiangona. Tsy mihetsika eo amin'ny misy azy ny mpiangona.

Noankotrihina 3: Amin'ny 1:07 maraina, tazana eto an-toerana ny avy amin'ny zandary (Denpom) . Ny hanindry anay no hahatongavany. Mbola tsy mihetsika amin'ny toerany mihira sy mivavaka ny mpiangona.

Noankotrihina 4: Amin'ny 2:47 maraina. Mbola eo ivelan'ny vavahady hatrany ny mpiangona ao amin'ny fiangonana Presbyteriana, miezaka ny manajanona ny fiaran'ny polisy mibahana ny sisindalana sy ny vavahady fidirana.

Noankotrihina 5: Miezaka mampijanona ny fibahanan'ny polisy ny sisindalana kasaina hanatanterahana ny fotoam-pivavahana isan'alahady ny mpiangona.

Noankotrihina 6: Matory eo amin'ny kidoro sesika ny mpiangona, mbola feno fahatokiana amin'ny fiarovana ny finoany sy ny zo hanao fotoam-pivavahana izay efa voarakitra ao amin'ny Lalampanorenana.

Fa nahoana ry zareo no mitondra fiara fitondra amin'ny rotaka? Ny hany mba tadiavinay dia ny hanome voninahitra ilay Andriamanitra antsoin'ny olona amina miliara manerantany, na inona fivavahany na inona.

Nanomboka ny fotoam-pivavahana fanao isan'alahady tamin'ny alalan'ny fihirana ny hiram-pirenena ny GKI Taman Yasmin. Saripika nalaina tao amin'i @bonasays.

Nolavin'ny fitantanam-panjakan'i Bogor aloha voalohany ny fahafaha-manangana trano tamin'ny 14 Febroary 2008 , izany hoe roa taona taorian'ny namoahana izany fahazoana alalana izany. Ny nentin'ny fitantanam-panjakana tao an-toerana ho anton'ny fanakatonana ny toeram-pivavahana tamin'izany dia noho ny fitabatabana miteraka fanelingelenana ny fiarahamonina. Nolavin'ny fitsarana anefa izany didy navoakan'ny fitantanam-panjakan'i Bogor izany ka afa-nisokatra indray ny fiangonana tamin'ny 27 aogositra nefa dia nakatona indray andro vitsy taty aoriana.

Tamin'ny Zoma, nandritra ny fanokafana tamin'ny fomba vaomieram-pifandraisana eo amin'ny Etazonia sy Indonezia tao Washington DC, no nilazan'ny Sekreteram-panjakan'i Etazonia, Hillary Clinton, tamin'ny minisitry ny raharaham-bahiny Indoneziana, Marty Natalegawa, fa tena mahavariana azy tokoa ny fiarovan'ny Fitondrana Indoneziana ny fahafahan'ny tsirairay manaraka fivavahana isan-karazany.

Natsidik'i Clinton ny maha-zava-dehibe ny fifampizakana ara-pivavahana ho an'ny Indoneziana sy ny demaokrasia indoneziana. Ho valiny dia hoy i, Natalegawa:

“Indonesia is, obviously, a very diverse country. We celebrate our diversity, as a matter of fact. And therefore, when we promote our democracy, nowadays, it is very much in full recognition of the need to ensure that people of all faiths continue to enjoy the freedom to exercise their faiths.”

Mivandravandra fa anjakan'ny fahasamihafana i Indonezia. Asandratray ho zavamisy tokoa izany fahasamihafana misy ao aminay izany. Noho izany, raha mampiroborobo ny demaokrasianay izahay, amin'izao fotoana izao, dia ao anatin'ny fiantohana fa samy afa-manaraka ny fivavahany amin-kahalalahana avokoa ny mpino rehetra.

Na izany aza dia manahy ihany ny sasany fa tsy hanatanteraka izay nampantenainy akory ny fitondran'ny filoha Bambang Yudhoyono. Araka ny nambaran'ilay mpikatroky ny fifampiresaham-pinoana monina ao Jakarta  Trisno Susanto ao amin'ny Facebook-ny fa:

“Malam ini, GKI Taman Yasmin di Bogor digembok lagi. Beberapa orang yang mencoba berdialog malah dikepung satpol PP atas perintah Bupati. Sungguh absurd, karena PTUN sudah memenangkan gugatan sehingga IMB GKI Yasmin sah. Negara ini bukan lagi tunduk pada preman, tapi sudah menjadi preman sendiri!”

Nakatona (noho ny didim-panjakana) indray halina ny fiangonana presbyteriana Indoneziana ao Taman Yasmin Bogor. Nohodidinin'ny Sampan'ny Mpitandro ny filaminana nobaikon'ny manampahefana ny sasany tamin'ireo nikasa hanao fifampiraharahana. Tena misy zavatra tsy manjary mihitsy, efa neken'ny fitsarana ny fananganana ny trano ao Taman Yasmin. Tsy vitan'ny hoe entin'ny jiolahimboto ity firenena ity fa izy mihitsy no efa lasa jiolahimboto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.