Karaiba: Veloma i Arrow

Misaona ny fahalasanan'ny iray amin'ireo rain'ny mozika soca any amin'ny faritra – Alphonsus Cassell, fantatra kokoa amin'ny anarana “Arrow”, ireo mpitoraka blaogy any Karaiba – ny hirany hoe Hot, Hot, Hot dia be mpitia tokoa ary nitondra nankamin'ny fitiavan'izao tontolo izao ny soca.

Ireo tatitry ny vaovao milaza fa nararin'ny homamiadana efa fotoana vitsy lavalava ihany izay ilay mpihira; nanohina ny fo sy niavaka tokoa ny fanomezam-boninahitra avy amin'ireo mpitoraka blaogy.

Ny One Tribe, Many Voices dia manaiky fa feo nanakoako teo amin'ny fiainan'ny mponina tao Karaiba maro ny mozikany, ary namettraka rohy ahafahan'ireo mpamaky mpihaino mihitsy aza:

Ho an'ireo izay tsy dia mahalala loatra ny Calypso, dia tsy dia hahalala loatra ny anaran'i Arrow izy ireo fa tsy izany kosa no mitranga ho an'ireo izay nandihy sy nifety hatrany Brooklyn ka hatrany amin'ny Seranan-tsambon'i Espana.

Nitondra tsiro hafa ho an'ny Kaisdo i Arrow, dia ny tsiron'ny Montserrat. Nametraka ny Montserrat sy ny tenany teo amin'ny tontolon'ny mozika i Arrow tamin'ny 1982 niaraka tamin'ilay hira malazany : ‘Hot, Hot, Hot’.

Tsaroako kotsan'ny hatsembohana aho tamin'ny Fetiben'ny Trinidad raha nihira ny ‘Bills’, ‘Soca Rhumba’ ary ‘Rub Up’ i Arrow. Hafa ny fanaovany ny soca, mampahatsiaro ny merengue ilay izy ary toa mifangaro amin'ny Pan-Caribbean vibe. Tena mafy ilay bàn-kira ary indray mandeha monja dia nampahatsiaro ahy an'ilay Karibeana-Frantsay sy ilay Karibeana-Espaniola. Nalaza tokoa ny trompetra, teo amin'ny endrikao.

The Caribbean Camera dia manao lisitra ny zava-bitan'i Arrow teo amin'ny mozika, ary manome topimaso momba ny  lafim-piainana hafan'ilay lehilahy  ihany koa:

Nanomboka tamin'ny fanapoahana ny calypso niaraka tamin'ireo karazan-kira hafa toy ny R&B, Zouk sy salsa i Arrow ary tamin'ny 1982 dia niara-niasa tamin'ilay mpandrindra, Leston Paul sy niaraka tamin'ny vondrony *Multi National Force* mba hamoaka ny rakikira `Hot Hot Hot.`

Ny lohatenin'ilay hirany dia nanjary ho ny pan-Caribbean malazany voalohany indrindra ary izany ihany koa no soca malaza be mpividy indrindra hatramin'izay. Nalaina ho hiran'ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany FIFA tany Meksika tamin'ny 1986 io hirany io, taty aoriana dia nalain'i David Johansen (tamin'ny fombany Buster Poindexter alter ego/ manova tsy miera), Menudo, sy Babla & Kanchan.

Nametraka ny tenany ho lehilahy mpandraharaha tany Montserrat ihany koa i Arrow, tompon'ilay tranombarotra Arrow`s Manshop tany Plymouth. Rehefa simban'ny fipoahan'ilay volokano avy amin'ny tendrombohitry Soufriere izany, dia naveriny natsangana tany Salem. Nikarakara lanonamben'ny calypso tany amin'ny nosy izy tamin'ny taona 1996 ho fanangonam-bola, mba ho setrin'ilay fahasimbana naterak'ilay volokano.

Mbola be mpangataka foana i Arrow tany Karaiba ary vao haingana dia nampiseho ny fahaizany tamin'ny Fiadiana ny  Amboara eran-tanin'ny Cricket 2007 nandritry ny lanonam-panokafana niaraka tamin'i Shaggy,

Farany, avy ao St. Vincent sy grenadines, Abeni dia miteny:

Teraka tany amin'ilay nosy kelin'i Montserrat, ny talentan'i Alphonsus ‘Arrow’ Cassell dia tsy zava-bitika mihitsy. Nanome antsika ireo hira malazany tahaka ny ‘Pirates’, ‘Long Time’ sy ilay hira faran'izay malaza ‘Hot, Hot, Hot’ izy. Izany dia mbola nahazoana laza bebe kokoa tamin'ilay fanavaozana ny Buster Poindexter tamin'ny taona 1987. Taona maro taty aoriana, ny Kevin Lyttle ao St Vincent dia nisitraka fahombiazana avy  tamin'ilay hirany malaza ‘Turn me on’. Noho izany, marina  ny eritreritro raha miteny fa i Arrow dia namoha làlana ho an'ireo artista hafa mivoy ny soca tamin'ny fampahafantarana azy ireo fa azo amidy eny amin'ireo tsenam-barotra vaovao ny soca.

Mihevitra aho fa tamin'ny faran'ny herinandro angamba no nandrenesako fa nentina tamin'ny fiaramanidina ho any Antigua izy hanaraha-maso ny fahasalamany. Androany (15 Septambra) dia henoko  fa matin'ny homamiadan'ny atidoha izy. Miara-ory amin'ny fianakaviany sy ireo mponin'i Montserrat izay misaona ny fahalasanany aho. Raha misy fampiononana dia ny hoe  ‘hot, hot, hot’ foana izy.

Ny sary famantarana nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity, Cane Arrows 2, dia an'i TarikB, nampiasaina teo ambanin'ny  Attribution-NonCommercial 2.0 Generic Creative Commons License. Tsidiho ny sary mifandimbin'i  TarikB ao amin'ny  flickr.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.