Iran: Hossein Derakhshan (”Hoder”), mpitoraka bilaogy voafonja mety hiatrika fanamelohana ho faty

Loharano iray azo antoka no nilaza tamin'ny Global Voices fa ny mpampanoa lalàna ao Teheran dia mikasa ny hampihatra ny fanamelohana ho faty amin'ilay Iraniana mpitoraka bilaogy Hossein Derakhshan (fantatra koa amin'ny hoe “Hoder”). Tsy mbola nanome ny heviny momba ity tranga ity ny filoha mitarika ny fitsarana, antsoina hoe Salavati. Nampangaina ho  “mifandray tendro amina firenena fahavalo, manao fampielezan-kevitra manohitra ny rafi-pitondrana Islamika, maniratsira ny fahamasinana ara-pinoana ary  manao fampielezan-kevitra ho fananganana vondrona manohitra ny fiovana i Derakhshan.” 22 volana lasa izay no  nosamborina izy, ary ny fitsarana azy dia nanomboka tamin'ny Jona 2010.

Tsy mbola mazava ny anton'ny fisamborana voalohany an'i Hoder tamin'ny fiverenany tao Iran avy any Canada tamin'ny 2008 , nefa maro ireo milaza fa ireo diany roa  (tena nalaza be) nivezivezeny nankany Israely no tena antony voalohany indrindra.

Manana fahazoan-dàlana mivezivezy/ pasipaoro kanadiana i Derakhshan , saingy tsy manome lanja (tsy mankatoa) ny fananana zon-pirenena roa i Iran ary tsy lanin'ny vavonin'ny governemanta mihitsy ny fiotsidihana an’ i Israely.

Ny manahirana amin'ity tranga ity dia i Holder manana ny toerany eo anivon'izao tontolo izao toy ny hoe mpitoraka bilaogy iray misongadina sy mafana fo amin'ny fiarovana ny fahalalahana miteny (ary efa ni-blaogy ho an'ny Global Voices aza tamin'ny taona 2004 sy 2005). Tato aoriana dia niova filamatra izy ka nanoratra mikasika ny politikan'ny Filoha  Mahmoud Ahmedinajhad mikasika an'i Etazonia, ny fitaovam-piadiana nokleary, Israely, ary hatramin'ny tsy fandeferana ny tsy faneken'ny fanjakana ireo mavitrika amin'ny fiarovana ny zon'olombelona aza.

Tamin'ny Aprily 2009, ny Filoha  Iraniana, Ahmadinejad, dia nandefa taratasy mangataka ny hijerena ny raharahan'i Hossein Derakhshan amin'ny fotoana sy fomba voafaritry ny lalàna. Ny governemanta Kanadiana dia tsy mbola naharenesam-peo mikasika ny raharahan'i Derakhshan. Bilaogy iray mitondra anarana hoe Free Hoder (Afaho i Holder) no noforonin'ireo mafana fo amin'ny fiarovana ny fahalalahana miteny taoriana kelin'ny nisamborana azy tamin'ny 2008.

Ao amin'ny Twitter, i Sanam Dolatshahi dia nibitsika ireo vaovao momba ny mety hanamelohana ho faty azy, ary tranonkala iray amin'ny teny  Persiana atao hoe  Kamtarin no nanamarika toy izay koa, ka milaza fa noho ireo honohono tany aloha fa hoe i Derakhshan dia voatana noho ny resaka  “asa fitsikilovana” tany Israely dia tsy dia izany loatra no isan'ny antony iray anamelohana azy ka hoe hitadiavan'ny mpampanoa lalàna ny hamonoama azy.

Ao anatina bilaogy iray noforonin'ny fianakavian'i Derakhshan, Edalat Baraye Hossein Derakhshan (midika hoe ny rariny ho an'i Hossein Derakhshan) tsy dia misy intsony tatitra na fampanarahana toetr'andro ireo vaovao mikasika ity lohahevitra ity. Ny lahatsoratra farany tao amin'ilay bilaogim-pianakaviana izao dia efa tamin'ny 15 Aogositra, ary milaza fa efa herinandro maro lasa izao no vita ny fitsarana an'i Hossein [Fa]:

Miandry ny didim-pitsarana izahay. Tsy mba nahazo akory izy na dia herinandro iray monja aza hivoahana ny fonja sy mba hodiany an-trano… Io no Ramadany faharoa tsy naha-teto an-trano azy… Nolazainy anay fa mba nihatsara ny sakafo ao am-ponja hatramin'ny Ramadany farany teo… Tena velom-panahiana mafy tokoa ny reniny… Lazaina fa mora mamaly vavaka Andriamanitra amin'ity volana ity… Mitalaho, aza mba adino re ilay Hossein-nay e.

Z8tun, Iraniana mpitoraka bilaogy dia mamimtina [fa] ny toe-draharaha tao anatin'ny roa taona lasa:

“Iraniana maro hafa no tratra nitsidika an'i  Israely, nefa navotsotra rehefa avy nohadihadiana nandritry ny ora vitsivitsy. Maro no milaza fa i  Derakhshan, izay lasa mpanohana ny governemantan'ny Filoha Ahmadinejad tato anatin'ny taona vitsy, dia nosamborina fa satria hoe naniratsira mpitondra fivavahana vistivitsy teo amin'ny firenena. Na izy manokana aza dia nilaza tany anaty fampahalalam-baovao Tandrefana, na teo aza ny fijoroana ho vavolombelona amin'ny fisian'ireo mpitoraka bilaogy nofomjàna, fa tsy misy olona alefa any am-ponja noho ny votoatin'ny bilaoginy izany any Iran.

Tato ho ato ny Repoblika Islamika dia tena tsy nitsitsitsitsy mihitsy ny tontolon'ny fitorahana bilaogy, ary mbola misy mpitoraka bilaogy maro hafa voaheloka hifonja ao Iran ka isan'ireny ilay mafana fo mpiaro ny zon'olombelona Shiva Nazar Ahari. Tamin'ny 18 Martsa 2009, i Omid Reza Mir Sayafi no mpitoraka bilaogy voalohany maty tamin'ny fomba mampiahiahy tany anaty fonja iraniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.