Sina: Mpampianatra lalàna iray amidy …

Tamin'ny herinandro lasa iny, nivezivezy eran'izao tontolo izao tany anaty sehatra fitorahana bilaogy kiritika tany ity sary eto ambany ity.

Tantara mampiasa loha eny an-dalambe

Tamin'ny 3 Septambra no nakàna ny sary tao  Beijing. Eo amin'ny sary, ny  Profesora Yang Zhizhu avy ao amin'ny  Anjerimanontolo Fianarana ny Siansa Politika ho an'ny Tanora ao Sina dia nihazona takelaka iray hilazany fa amidiny ho andevo ny tenany  ho fanonerany  ny nandikàny ny politikan'ny zaza tokana:

我叫杨支柱,原是中国青年政治学院法律系副教授。因妻子意外怀孕,不忍堕胎,于2009年12月21日生下第二个女儿,我今年4月被学校下岗。现在 我工资单上每月应发工资960元,实发工资368元。两个月后再减960元,变负数了。北京市海淀区计划生育委员会又向我征收24万所谓“社会抚养费”, 我无力缴纳,只好把自己卖了。考虑到卖身之后不能照顾孩子了,我希望多卖40万元补偿她们。一口价64万元人民币,谁买我我就给谁当奴隶,鞠躬尽瘁死而后 已。我拒绝好心人的捐助,因为我不想做“超生”孩子身上的寄生虫。

Yang Zhizhu no anarako ary teo aloha aho dia mpampianatra mpisolo toerana tao amin'ny Anjerimanontolo Fianarana ny Siansa Politika ho an'ny tanora any Sina. Bevohoka tsy nahy ny vadiko ary tsy marisika ny hanala zaza. Tamin'ny 21 Desambra 2009 izy no niteraka ny zanakay vavy faharoa. Ny Aprily tamin'ity taona ity, noroahan'ny anjerimanontolo aho. Teo amin'ny 960 Yan teo ny karamako isam-bolana, saingy 368 Yan sisa izany ankehitriny. Roa volana taty aoriana, mbola nakòn-dry zareo 960 Yan hafa indray aho. Manampy an'izany, ny komity miandraikitra ny fandrindrana fiainam-pianakaviana avy amin'ny distrikan'i Haidian dia mitaky ny handoavako 240,000 yuan ho  “saram-panabeazana ara-tsosialy”. Tsy manam-bola aho ary ny hany sisa fomba azoko iantohana ny fandaniana ataoko dia ny fivarotako ny tenako. Satria tsy afaka intsony niantoka ny filàn'ireo taranako aho taorian'ny nahalafo ahy, dia te hametraka ny sandako ho ambonimbony kokoa any amin'ny  640,000 yuan any aho. Na iza na iza no te hividy ahy, dia ho andevon'izy ireo aho ary hanompo azy mandra-pahafatiko. Laviko ny fanampiana miendrika fanomezana satria tsy te ho laza kantsetsitra aho noho ny amin'ireo zanako.

Ilay sary dia tantara mampiasa loha eny an-dalambe mba hanairana ny sain'ny rehetra manoloana ny lalàna henjana loatra mikasika politikan'ny zaza tokana sy ny ‘saram-panabeazana ara-tsosialy’. Nanapa-kevitra ny handeha eny amin'ny fitsarana hitory ny komity miandraikitra ny fandrindrana fiainam-pianakaviana avy amin'ny distrikan'i Haidian i Yang. Raha voalazan'ny “Fitsipiky ny Saram-panabeazana ara-tsosialy” navoaka tamin'ny 2 Septambra  2010, ilay sara 240,000 yuan dia nokajiana avy tamin'ny fampitomboana in-tsivy ny totalim-bola miditra aminy isan-taona:

Saram-panabeazana ara-tsosialy

i Yang dia nandefa  famintinana resadresaka iray nifanaovany tamin'ny T.V tao amin'ny bilaoginy tamin'ny 7 Septambra mba hanazavany ny tena fototra ijoroan'ny dingana ara-pitsarana nataony:

问:你为什么要拒绝缴纳“社会抚养费”?
答:不该交。孩子是我们自己在养,不是社会或者政府在养。我们若楠连户口都没有,在中国这样一个无证寸步难行的国家,没有户口意味着没有被承认为一个人, 完全不能享有作为人最起码的权利,更不要说社会福利了,跟养了条宠物狗差不多。中国政府并没有对养宠物狗征收“社会抚养费”呀。若楠唯一享受的社会福利大 概就是免费注射一类疫苗了,那都是几块钱一支、最多几十块钱一支的便宜疫苗,贵一点的二类疫苗还是要交钱的。而若楠出生以后他们把若一曾经享受的独生子女 费和我工资中的“幼补”都要回去了,四年就有两千多块,已经远远超过若楠免费注射疫苗的成本了。何况若楠长大后还要纳税,一个人一生所纳的税扣除他(她) 幼年、晚年、生病和失业时所享受的社会福利外应该还有剩余…

Q: Maninona ianao no mandà tsy handoa ny  “Saram-panabeazana ara-tsosialy”?
A: Tsy misy antony tokony handoavana an'izany. Isika no mampisakafo ny zanatsika, tsy ny fiarahamonina na ny governemanta. I Renan aza (anaran'ilay vaviaivo) tsy soratana ara-dàlana akory ho isan'ny ankohonanay. Ao anatina firenena toy itony, rehefa tsy voasoratra ara-dalàna ho isan'ny ankohonana ianao,  tsy raisina ho toy ny olombelona manan-jo ianao, tsy resahana ny fiahiana ny ara-pahasalamana. Sahala amin'ny hoe mamahana ny biby fiompinao ianao. Kanefa, ny Governemanta Sinoa tsy mangataka amin'izay manana biby fiompy hoe mandoava “saram-panabeazana ara-tsosialy”. Ny hany mba fiahiana ara-pahasalamana azon'i Renan hatreto dia ny fanaovana vaksiny fanefitra, nandoavana  yuan roa na raha lafo indrindra dia ampolony. Nefa terena isika handoa ho an'ny hafa, izay tena mihoam-pampana tokoa. Tsy vitan'izay, taorian'ny nahaterahan'i Renan, notapahana koa ny fanampiana tokony ho an'ilay zanako voalohany. Io vola io anefa dia tokony ho ampy handoavana ny vaksiny rehetra. Rehefa mitombo i Renan, tsy maintsy mandoa hetra koa izy, mbola ho ambony noho izay ho tombony tokony ho azony mandritry ny androm-piainany koa ny masom-bola haloany…

问:你认为“一胎化”强制计划生育对中国社会的可持续发展有哪些危害?
答: …强制计划生育使得大多数“超生”孩子的母亲不敢进正规医院的门,计划生育政策所倡导的性与生育分离的观念导致青少年视堕胎为儿戏并导致性病泛滥成灾,还有 计划生育所提倡的晚婚晚育,导致了新生儿出生缺陷率的大幅度增加。独生子女的普遍化导致独生子女养育模式成为几乎所有孩童的养育模式,从小娇生惯养,生存 能力和心理素质严重下降。巨额“超生”罚款和社会抚养费夺去了“超生”父母抚养、教育孩子的财产,导致“超生”家庭的孩子营养不良,受教育程度相对下降。 仅仅上世纪80年代中国农村“超生”的孩子就有一亿左右,这意味着至少4亿人的生活水平受到了严重影响。因此计划生育决不像国家计生委所说的那样是“优生优育”,而是恰恰相反,是劣生劣育。

Q: Inona avy no sakana ateraky ny fanerena tsy hiteraka afa-tsy “zaza tokana” eo amin'ny fivoarana maharitry ny fiarahamonina Sinoa?
A:… Maro ireo vehivavy mitondra vohoka no tsy sahy manantona hopitaly ara-dalàna noho ny politikan'ny zaza tokana. Ny fanavahana ho lahy sy vavy ary ny fananahana amporisihan'ny politikan'ny fandrindrana fiainam-pianakaviana dia nitarika tamin'ny fitomboan'ny fanalàn-jaza eny anivon'ny tanora. Ny fanambadiana sy ny fiterahana tara loatra dia mampitombo ny isan'ny fahaterahana saropady/be olana. Ny hoe ankohonana “iray-zaza iray” koa dia nanova be ny fomba fahizay nentina nanabe ny ankizy ary nahatonga ny zaza maro ho diso hanta. Ny sazy ara-bola sy ny  “Saram-panabeazana ara-tsosialy” dia nanakana ny fianakaviana tsy ho afa-mitsinjo lavitra ny fanabeazana ny ankizy. Vinavinaina ho misy any amin'ny  0.1 lavitrisa any ny fahaterahana tsy voasoratra ara-panjakana any amin'ny faritra ambanivohitra eto Sina, izay midika fa ny fiharian'ny olona maherin'ny 0.4 lavitrisa no voakasika amin'izany. Izany no antony ilazana fa ny politika famerana ny isan-jaza ateraka dia tsy nitondra velively zavatsoa ho an'ny taranaka fa ny mifanohitra amin'izany aza, namoroma tontolo mahonena ho an'ireo ankizy izany ary ao anatin'io ry zareo no mitombo.

Ity ambany ity ny video iray tamin'ny resadresaka nataon'i Yang mivady mikasika ny toe-piainan-dry zareo taorian'ny nandikàn-dry zareo ny politikan'ny zaza tokana:

Ako sy fanohanana

Nahasarika fanohanana maro teo anivon'ny aterineto ny hetsika nataon'i Yang. Ao anatin'ny toerana fametrahana fanamarihana ao amin'ny bilaoginy, i feichujisheng da niteny fa:

看到杨支柱老师的行动,正义的信念让我不能只看不写,所以特意注册个用户名,支持杨老师,我在山东声援杨支柱先生,如果要搞游行,我第一个报名参加,为了中国人的生育自由,我可以随时奉献。
本 人是70年代的独生子女【74年出生,是中国第一批计划生育政策的受害者,当时政策规定,母亲生完孩子后要带环,隔六年允许生第二个孩子,(这个政策到 75年就变了,不需要带环了)但是到了80年,国家又变政策了,一对夫妇只能生一个孩子,现在父母都感觉上了国家的当,整天念叨当时要是有2个孩子就好 了】,我从小没有兄弟姐妹,没有快乐,独生子女政策也影响了我的性格,现在父母年龄已大,而自己又要工作,又要照顾小孩,没法分出更多的时间照顾父母,尤 其是父母有病住院时,我感到特别无助,从我的亲身经历来说,计划生育是非人性的,是一个无赖的政策,我坚决反对。
我很羡慕那些姊妹多的,生活中互相帮助,遇事互相商量,充满了天伦之乐,所以我们要团结起来,争取早日废除这个害人的政策。

Ny hetsika nataon'i  Yang dia nanosika ahy haneho ny fitokisantsika amin'ny marina fa tsy ho mpitazam-potsiny. Izany no antony nanokafako ity kaonty ity hanehoako ny fanohanako ny hetsik'i  profesora Yang. avy aty Shandong ao no nitondra ny fanohanako. Raha toa ianao mihevitra ny hanao fanehoan-kevitra eny an-dàlambe, izaho no voalohany hanaraka. Vonona aho ny hanokan-tena hiaro ny fitakian'ny vahoaka Sinoa amin'ny resaka zo ara-pananahana sy ny fahalalahana.
Teraka tamin'ny 1974 aho, andiany voalohany nizaka ny fandrindrana fiainam-pianakaviana. Raha araka ny politika tamin'izany fotoana izany, tsy maintsy  niatrika fandidiana ho famatorana tranon-jaza ny reniko ary tsy nahazo niteraka fanindroany raha tsy enin-taona tany aoriana. ( Novàna io politika famatorana tranon-jaza io tamin'ny 1975.) Kanefa, tany amin'ny taona 80 tany ho any, niova indray ny politika, tokana ihany no zaza azon'ny mpivady ateraka. Nahatsiaro tena ho toy ny nofitahan'ny governemanta ireo ray sy reniko. Tsy manana mpiray tam-po aho na iray aza ary tsy sambatra. Nanova ny maha izaho ahy ny politikan'ny zaza tokana. Ankehitriny, amin'izao maha ao anaty fahanterana ny ray aman-dreniko izao, mila manokana fotoana hikarakarana ny zanako manokana aho. Tsy afaka manokana fotoana betsaka hiarahana amin'ireo ray aman-dreniko. Tena hitako ho tsy afa-manampy mihitsy aho rehefa injay ka miditra hopitaly ry zareo. Miainga amin'izay zavatra niainako, io karazana fanaraha-maso ny fiterahana io dia tsy araka izay maha-olombelona sy mahamenatra. Hiady hanohitra an'io aho.

jyc__2 niteny hoe:

给杨教授的几点建议(仅供参考)
1 不要激动,要冷静,不要有过激言行。
2 作为法律系的副教授,为什么不充分运用法律武器呢?计生委和学校的做法是否无懈可击呢?赞成你在博客上系统的阐明自己的观点。
3 最后一条:死猪不怕开水烫,虱子多了不痒,没有钱交,又能怎么样?中国并不是一个真正的法治社会。

Toro-hevitra kely sy bitika ho an'i Profesora Yang (ho torolalana monja ihany)
1. Aza diso entin'ny fihetseham-po loatra, mitonia ary tandremo ny vava sy ny zavatra atao.
2. Amin'ny naha-mpampianatra lalàna, nahoana ianao tsy nampiasa fomba fiady mifanaraka amin'ny lalàna? Azo iadian-kevitra ny  zavatra nataon'ny komitin'ny fandrindrana fiainam-pianakaviana sy ny sekoly. Tohanako ny fanehoanao ny hevitrao any anatin'ny bilaoginao.
3. Farany: ny kisoa rehefa maty dia tsy matahotra rano mangotraka intsony, na feno parasy aza eo ambony hoditrao tsy ho renao hangidihidy intsony izany. Raha tsy manam-bola handoavana ny sazy ianao, inona no azon-dry zareo hatao eo? Ny fiarahamonina Sinoa rahateo efa tsy tan-dalàna hatrizay.

180 thousands, iray isan'ny nizaka ny vokatry ny politikan'ny zaza tokana, nilaza hoe,

杨老师,
上次您博客上留过言。
我是中关村街道计生委管辖下的“超生”妈妈。
上周五去了计生委交所谓入户申请,借人口普查东风的较低“罚款-社会抚养费”为十八万。
不想多说什么了,您是我们这一群的一个代表,想到您,我会感到一些坚持下去的力量。谢谢您了!

Profesora Yang, namela hafatra tao amin'ny bilaoginao aho tany aloha tany.
Iray amin'ireo reny “fatra nihoatra” aho araka ny komitin'ny fandrindrana fiainam-pianakaviana tao amin'ny tanànan'i  Zhongguan.
Tamin'ny Zoma lasa teo, nameno taratasy fanoratana fiankohonana tao amin'ilay komity aho ary ny “saram-pamnabeazana ara-tsosialy” nasiana fanalefahana dia 180.000 Yans.
Ianao izao no mpisolo tena anay, miaraka amin'ny hetsika ataonao, handroso isika, misaotra anao.

Ao amin'ny fitorahana bilaogy kiritika sina, ny iray tamin'ireo fanapariahana dia nisy namerina nandefa in-3611, mitondra fanamarihana i 1358:

@韩浩月:社会抚养费?有个冷笑话,一个二胎宝宝一年不到意外死亡了,家长要求计生委退还巨额社会抚养费,因为社会抚养已经终止了,这个理由不过分吧。计生委居然回复没有法律依据。什么是吃肉不吐骨头?社会抚养费的荒唐,可以穷尽人间所有笑话(9月11日 05:18)

@韩浩月: Misy resaka mahatsikaiky mampalahelo momba ny “saram-panabeazana ara-tsosialy”: misy raiamandreny namoy ny zanak'izy ireo faharoa tamina loza tato anatin'ny herintaona eo ary nangataka tamin'ny komitin'ny fandrindrana fiainam-pianakaviana mba hamerina amin'izy ireo ny vola satria tsy mila intsony izay resaka ‘fanabeazana ara-tsosialy’ ilay zaza. Namaly ny komity fa tsy misy mihitsy didy milaza fa tokony haverina ny vola (lamandy). Izany no atao hoe mitelin-kena miaraka amin'ny taolana! Mba fanalàna hamohamo tsy misy fotony! (05:18 Sep 11)

@老榕:回复@LANE1092:有些事儿不是这么简单的,不是放开生育人口就一定会爆炸。例如,香港对生育是鼓励的,别说罚款了,不仅生孩子免费,多生还有奖励。可是,他们的人口自然增长率到今天还是负数。

@老榕
valimteny ho an'i @LANE1092: Tsy mora mihitsy ny zava-misy. Ny famahana/famotsorana ny fanaraha-maso tsy voatery mihitsy ho tonga any amin'ny fidanganan'ny isan'ny mponina. Ohatra ao Hong Kong, ny governemanta dia mandrisika ny olona hiteraka maro. Malalaka ianao hiteraka hatramin'ny dimy ary ry zareo mihitsy no hitondra fanampiana. Na izany aza anefa dia mbola miiba foana ny tondro maneho ny fitomboan'isan'ny mponina manaraka ny fomba voajanahary any amin-dry zareo.

夏日清晨的栀子花 可叹可恨!当年我叔叔因为生了第二胎(这是因为前面失去了一个非常可爱的聪明的儿子,才那么渴望要有一个同样的宝贝吧),结果整整八年时间仅领取基本工 资,差点开除党籍,不能评高级教师。幸好他的两个女儿现在很争气,否则他真的是一辈子都会有阴影。(9月10日 20:02)

Tena mendrika fankahalàna izany! Taona maro lasa izay, nanana ny zanany faharoa ny dadatoako (satria maty talohan'izay ny zanany voalohany ary naniry ny mba hanana iray hafa izy) . Nandritry ny  8 taona, tsy nahazo afa-tsy ny mari-karama fototra izy ary nalàna hatramin'ny karatra maha-mpikambana azy tao amin'ny antoko sy ny maha-mpampianatra azy mihisy koa. Soa ihany, tena mamiratra tokoa ireo zanany roa vavy ankehitriny, fa raha tsy izany dia ho feno nenina angamba izy. (20:02, Sep 10)

Fahatsiarovana an'i Chen Guangcheng

Ny hetsik'i Yang dia nifanandrify tamin'ny namotsorana an'ilay mpisolovava malaza tsy mikiraro mpiaro zon'olombelona  Chen Guangcheng,  izay nanokan-tena  hiady hiaro ny zo hanan-janaka any amin'ny faritra ambanivohitr'i Sina. Voaheloka 4 taona sy 3 volana ho any am-ponja i Chen ary mbola araha-maso taorian'ny famotsorana azy tamin'ny 9 Septambra. Ao anatin'ny lisitra maintin'ny ankabeazan'ireo lohamilima fikarohana ao an-toerana ny anarany. Kanefa kosa, nanome tsirin-kevitra ho an'olona marobe ireo hetsika nataony ary i Yang dia isan'ny iray amin'ireo mpanaraka azy akaiky.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.