Azerbaijan: Koa satria manakaiky ny fifidianana, dia mirona makany amin'izany ny tambajotra sosialy

Ny 7 Novambra, hizotra makany amin'ny toerana fandatsaham-bato indray i Azerbaijan amin'ny fifidianana antenimieram-pirenena ho avy na dia tsy hanomboka ofisialy aza ny fanentanana raha tsy 23 andro alohan'ny andro hanatanterahana izany. Latsaka dimy andro noho ireo fifidianana ho avy ity taorian'ilay fanovana niteraka adihevitra natao tamin'ny lalàm-pifidianana nivoaka ny volana Jona.

Na dia izany aza, efa misy soritra vitsivitsin'ity hetsika ity ao amin'ny Facebook.

Erkin Gedirli, mpahay lalàna sady mpitoraka blaogy, dia anisan'ireo olona vitsy mampiasa ny vohikalan'ny tambajotra sosialy malaza hatramin'izao. Fotoana fohy taorian'ny fanapaha-keviny hihazakazaka ho amin'ny toeran'ny antenimeram-pirenena dia nanangana vondrona iray ao amin'ny Facebook izy [AZ]. Hatreto dia manana mpikambana 416 izy ary mikendry ny hahafahan'ny vahoaka mahazo ara-potoana hatrany hatrany ny vaovao rehetra mikasika ny fizotran'ny fifidianana , ny fanentanana, sy hamaly ny fanontaniana ary ny ahiahy rehetra.

Nitsangana ny volana Jolay tamin'ity taona ity io vondrona io ary tsy ilozana adihevitra. Fotoana fohy taorian'ny fananganana ny pejy Facebook-n'i Gedirli, ny Sekreteran'ny Vaomiera Foibe mpandrindra ny Fifidianana , Natiq Mammadov, dia nametraka ahiahy ka ny zavatra nolazainy dia tahaka ny fanentanana alohan'ny fotoana ofisialy tokony hanombohana.

Nahatonga fanontaniana maro mikasika ny fampiasana ny media sosialy vaovao mandritra ny vanim-potoanan'ny fifidianana ilay fiampangana. Ohatra, koa satria mbola tsy vosoratra amin'ny fomba ofisialy ho isan'ireo mpifaninana i Gedirli, mety ho raisina tahaka ny làlana maizina misokatra mankamin'ny fandikàna diso sy adihevitra, fa indrindra ho an-dry zareo manam-pahefana.

Tena marina mihitsy io, ny fananan'ireo mpanao politika ny pejiny Facebook manokana izay ampiasain-dry zareo mba hahazoan'izy ireo mpanara-dia mandritra ny fotoana iray.

Na eo aza anefa izany, satria miteraka olana goavana any Azerbaijan ny fahalalahana miteny sy ny media , indrindra fa nanomboka tamin'ny fanakanana ny fandefasana ireo onjam-peo vahiny tahaka ny BBC, VOA ary ny RFE/RL tany amin'ny voalohandohan'ny taona 2009 tany, eto kosa dia mety ho afaka hihetsiketsika matetika any anaty aterineto.

Ny fivoarana tahaka izany ihany koa dia mety hamerina indray ny fitohizan'ny fampiasan'ireo mafana fo ny media sosialy vaovao hiseho masoandro, indrindra raha afaka manome fahafahana amin'ny ampahany hialàna ny sivana ataon'ny governemanta amin'ny fanaovan-gazety mandritra ny fifidianana izay hatreto dia tsy neken'ireo mpanaramaso iraisam-pirenena ho malalaka sy marina.

Eo eo amin'ny 170,000 eo ho eo ny olona mampiasa Facebook any Azerbaijan araka ny vinavina manokan'ny tranonkala avy amin'y fidirana amin'izao fotoana izao. Araka ireo salan'isa ireo, tanora Azerbaijanis manodidina ny 18-30 taona eo ny ankabeazany.

Amin'izao fotoana izao, nanokatra ny pejiny manokana ihany koa[AZ] Ilgar Mammadov, vinqvinqinq ho mpifaninana iray hafa ihany koa, mpandalina ny ara-politika sy olona manana ny lazany . Mpiara-miasa amin'i Gedirli ao amin'ny RE-AL (Republican Alternatives) i Mammadov  izay manana ny bilaoginy manokana ihany koa, tahaka azy. Mitoraka tweeter ao amin'ny @ilgarmammadov ihany koa izy.  

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.