Namibia: Ny anjara asan'ny haino aman-jery vaovao tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2009

Tamin'ny 27 – 28 Novambra 2009 no nanaovana ireo fifidianana ny filoham-pirenen’ i Namibia sy ny fifidianana ny antenimieram-pirenena. Antoko politika efatrambinifolo no nandray anjara tamin'ireo fifidianana. Efa nandrasana handresy ny antokon'ny eo amin'ny fitondrana, ny Fikambanan'ny vahoaka ao Afrika Atsimo Andrefana (South West Africa People's Organisation – SWAPO) . Ny fiaraha-mientan'ny Vondrona manohana ny demokrasia sy ny Fandrosoana (RDP) no tena mpifanandrina goavana amin'i SWAPO .

Nampiasa fitaovana haino aman-jery sosialy maro ireo antoko politika sy fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana ho fampielezan-kevitra, fanaraha-maso ary fitaterana ireo vaovao momba ny Fifidianana tany Namibia tamin'ny taona 2009.

Nampiasa Ushahidi ny Fiarahamonim-pirenena misahana ny Zon'olombelona (Nationa Society fro Human Rights – NSHR) mba hanaraha-maso ny fifidianana . Ny Ushahidi, izay midika hoe vavolombelona amin'ny fiteny Kiswahili, dia fitaovana iray namboarina taorian'ny fifidianana nahabe adihevitra tany Kenya tamin'ny taona 2007 . Manangona ireo vaovao hita maso mikasika ireo herisetra ny Ushahidi ary mametraka azy ireny ao anaty saritany iray.

Nampiasa ny Ushahidi ny NSHR mba hanangonana ireo tatitra mikasika ny hosoka, ny tsindry aloka, ny fandrahonana, ny herisetra, sns. Nalefa tamin'ny fomba telo ireo tatitra: simaiso (SMS), mailaka ary pejy fenoina ao anaty tranonkala.

Ny herisetra mialoha ny fifidianana notaterin'ny Ushahidi:

Ny alin'ny Zoma farany teo, teo anelanelan'ny tamin'ny 8 ora sy tamin'ny 9 ora alina tamin'ny làlana Eveline Street any ambanivohitr'i Goreangab ao Windhoek, nanomboka nisy adiady teo amina vondron'olona 15 avy amin'ny antoko Swapo sy mpanohana 7 avy amin'ny RDP taorian'ny nanongotan'iretsy voalohany sary lehibe an'ny RDP teo ambany jiroben'ny kaominina sady nihira ny ‘We are Nujoma's soldiers’ (Miaramilan'i Nujoma izahay). Niditra an-tsehatra haingana avy hatrany ireo mpikambana ao amin'ny Polisin'ny distrika Wanadeha ary tsy nisy intsony loza nitranga iny alina iny.

Mampiasa ny haino aman-jery sosialy vaovao ny Tetikasa Afrikana misahana ireo fifidianana ho fitaovana fanaraha-maso sy fitateram-baovao mikasika ireo fifidianana any amin'ireo firenena Afrikana . Nanao pejy ho an'i Namibia ilay tetikasa , bilaogy iray ary pejy Twitter mba hanarahana ny fandehan'ireo vaovao sy ny valim-pifidianana.

Avy amin'ny pejy Twitter-n'ireo fifidianana Afrikana :

Andro faha 3 amin'ny fanamarinana ny fitsipika androany, 40%n'ireo valim-pifidianana no azon'ireo komity misahana ny Fifidianana ary nohamarinin'ny #namibiaelections2009 ny 30%
ora 12 lasa izay, avy amin'ny tranonkala
Naverin'ny olona 1 nolazaina indray

Ireo valim-pifidianana eo amin'ny bilaoginy :

Ireto ambany ireto ireo valim-pifidianana nahazoana fankatoavana avy amin'ny Fifidianana tao Namibia ny taona 2009 (Ny fifidianana ny filoham-pirenena sy ny Antenimieram-pirenena ) avy amin'ireo faritra maro samihafa:

Valim-pifidianan'ny faritra avy any Tsumeb any Oshikoto efa nankatoavina :
Beukes
9
Garoeb
352
Goagose
9
Hamutenya
1131
….

Tetikasan'ny Ivontoerana Fikarohana momba ny Politikam-pirenena ny Election Watch . Manana ny bilaoginy ahitana eo noho eo ireo valim-pifidianana feno ny Election Watch.
Fitorohana ireo tsy fanarahan-dalana :

Nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny RDP sy ireo antoko mpanohitra maro hafa ny Asabotsy hariva mba hamakiana bantsilana ny tsy fanarahan-dalana toy ny ranomainty izay tsy afaky ny rano tsy mandeha akory, ireo vatom-pifidianana izay tsy misy fitomboka ara-panjakana, ary ireo lisitry ny mpifidy miova lava ( izay ahitana dika vaovao misy isa hafa momba ny isan'ireo mpifidy voasoratra anarana ).

Mampiasa ireo tambajotra sosialy ihany koa ny Ivontoerana Fikarohana momba ny Politikam-pirenena (IPPR) toy ny Facebook hahafahan'ny olona manerana izao tontolo izao maneho ny fomba fijeriny sy ny heviny mikasika ireo fifidianana Namibiana.

Manana fantsona ao amin'ny YouTube, bilaogy ary sampan-draharaha Simaiso ihany koa ny SWAPO antokon'ny mpitondra izay manome alalana ireo mpikambana hifanerasera foana amin'ny antoko. Ny laharana ho an'ny Simaiso dia 79276.

Manana fantsona ao amin'ny Youtube sy pejy ao amin'ny Facebook ny antoko mpanohitra DTA-n'i Namibia.

Ao amin'ny YouTube ihany koa ny antoko mpanohitra matanjaka, ny RDP

Tsy nahazo laza toy ny tany amin'ireo firenena Afrikana hafa toa an'i Afrika Atsimo, Kenya, Malawï, Nizeria ary i Tanzania, ny media sosialy any Namibia. Tsy hitsahatra ny hanara-maso an'i Namibia izahay hijerena ny hoavin'ny media sosialy ao an-toerana .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.