Ejipta: horohoro vaovao indray ho an'ny fahalalahan'ny aterineto

Ao anatin’ny andrana vaovao hametraka sakantsakana amin’ny aterineto ao Ejipta lazaina fa hoe hanaovana izay hiarovana araka ny lalàna ny fizaka-manana ara-tsaina dia namoaka fanapahan-kevi-panjakana ny Ministeran’ny kolontsaina Ejiptiana tamin’ny 31 Aogositra 2010 mba hamafàna ireo tranonkala rehetra mamoaka sary sy feo tsy mifanaraka amin’ny lalàna (lah:28) mifehy ny fizaka-manana ara-tsaina navoaka tamin’ny 2002 tao Ejipta
Ny ministeran’ny kolontsaina dia namoaka ilay fanapahan-kevitra tamin’ny alalan’ny fanambarana nosoniavin’ny Ministra Farouk Hosni. Raha araka ilay fanambarana dia noraisina ilay fanapahan-kevitra taorian’ny fitarainana iray avy amin’ny “Central Association of Owners of Audio And Video Recordings – Foiben’ny Fikambanan’ireo Tompona Rakitsary sy Feo” nilaza fa maro ireo tranonkala mamoaka votoaty izay an’ireo mpikambana avy ao aminy nefa tsy nakàna fahazoan-dàlana avy amin’izy ireo akory. Io fanapahan-kevitra io dia noraisina niaraka amin’ny fanindriana fa ny Foiben’ny Fitantanan-draharahan’ny governemanta miandraikitra ny fanivànana ireo sangan’asa artistika no sampana manam-jo hanadihady ireo fanararaotana ataon’ireo tranonkala amin’ny raki-tahirin’ny “Association of Owners of Audio And Video Recordings ” izay mamaritra ny hoe iza no manana zo hitrandraka ny votoatin’ny asa famoronany. Io fikambanana io ihany koa no hamoaka tatitra isan-telovolana isaky ny avy mitsongatsonga ireo tranonkala sy manara-maso ny fitarainana rehetra alohan’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Raha misy tranga voamarina mikasika fanitsakitsahana ny zon’ny mpamorona, ny fitantanan-draharaha misahana ny sivana dia hanao tatitra mankamin’ny Ministeran’ny serasera sy ny teknolojian’ny fampitam-baovao izay afaka hanakatona ilay tranonkala..

Amin’ny alalan’io fanapahan-kevitra io dia manira-tena ny ministeran’ny kolontsaina ho mpanara-maso ny orinasa mba ho fanajàna ny fampiasana ireo votoatin’ny asam-pamoronana ara-niomerika. Endrika iray manan-dajan’ilay lalàna vaovao ny tsy fisian’ny fifandanjàna ao anatiny momba ny zo amin’ny fizaka-manana ara-tsaina sy ny zo hijery ireo votoatin’ny asam-pamoronana.

Mifanindran-dàlana amin’izany dia misy feo maro misonga avy ao Ejipta manandrana mampihatra ny petrak’hevitry ny “creative commons ” izay manome ny zo rehetran’ny fizaka-manana ara-tsaina ho an’ny mpanoratra saingy etsy andaniny koa dia manaja ireo zon’ny tsirairay ho afa-miditra sy mifanakalo ireo votoatin’asam-pamoronana.

Ilay fanapahan-kevitry ny ministeran’ny kolontsaina dia norasina ho toy ny fanitsakitsahana ireo fifanarahana iraisam-pirenena maro sy fifanaraham-paritra toy ny andalana faha-19 amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny ‘droits civils’ [international covenant on civil and political rights ( ICCPR )]  izay mametra fa ny tsirairay dia manana fahalalahana hikaroka, hahazo ary hanely vaovao sy hevitra isan-karazany, na am-bava, na an-tsoratra na an-taratasy, na amin’ny endrika zavakanto, na amin’izay endriny hafa tiany hanaovana izany, tsy ijerena sisintany. Ny andalana faha 9 ao amin’ny fifanarahana afrikana momba ny olona sy ny zon’olombelona ihany koa dia mametraka fa ny tsirairay dia manan-jo hahazo vaovao.

Tamin’ny 06 Septambra 2010, ny fikambanana ho amin’ny fahalalaham-pisainana sy fitenenana dia nanao fampakàrana ara-pitsarana an’io lalàna io teo anatrehan’ny fitsarana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ao Cairo ary nangataka tamin’ny fitsarana ny hanafoanana azy io noho izy io manitsakitsaka ny zon’ireo mpampiasa aterineto tsy hahazo vaovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.