- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Ny fitantaran'ny olona iray avotra tamin'ilay fahirano tany amin'ny Sekoly tany Beslan

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Politika, Tanora, Tantara, Voina, Zon'olombelona, Akon'ny RuNet
[1]

Tsingerin-taona voalohan'ilay tranga nampalahelo tany Beslan, 2005. Sarin'i Natasha Mozgovaya

Zazavavy 13 taona hanomboka hiditra kilasy fahasivy indrindra i Agunda Vataeva (LJ user agunya) ny 1 septambra 2004 andro izay nanaovana azy ny reniny ary olona maherin'ny 1,100 hafa ho takalon'aina [2] tany antsekoly #1 tany Antsinanan'ny Ossetia [3], tanànan'i Beslan [4]. Naharitra nandritra ny telo andro ny nitanana azy ireo. Ny reniny, mpampianatra kosa, tsy naharitra. Tamin'ireo takalon'aina 334 namoy ny ainy telo taona lasa izay, 186 no ankizy.

Mpianatra 19 taona i Agunda amin'izao fotoana. Nandritra ny telo andro lasa, dia namoaka fizarana telo mikasika ireo zava-niseho (RUS) tamin'ny 1-3 Septambra 2004, ao amin'ny LiveJournal-ny [5] sy ny blaogin'ny Radio Echo an'i Moscow [6].

Nanomboka izany tamin'ny teny fampidirana tao amin'ny lahatsorany voalohany izy [7]:

Tamin'izaho tany amin'ny hopitaly, vao nahazo notebook [solosaina] aho, dia nanomboka nanoratra izay tadidiko nandritra ireo telo andro nitanana ahy ho takalon'aina. Enintaona aty aoriana, te-hamoaka ireo naoty hosoratako aho, [tamin'ny mbola nahatadidy tsara]. […]

Tao amin'ny blaogy Echo of Moscow [8], dia efa nojerena in-7,554 sy nisy nametraka tsikera 55 ity lahatsoratra mikasika ny 1 Septambra ity tamin'ny famoahana azy.

Manomboka ny fitantarany amin'ny fanamarihany ny tontolo andro ravoravo nefa andro tsotra i Agunda, mafana sady nibaliaka ny masoandro, ny fandehaany ho any antsekoly niaraka tamin'ny reniny, ireo fikarakarana farany mikasika ny fiarahabana ny fanombohan'ny taonam-pianarana vaovao, sy ny resany tahaka ny isanandro niarakatamin'ireo namany- izay tapaka noho ny fitifirana:

[…] Nijery ny manodidina ahy aho ary nahita lehilahy telo niazakazaka nakany amin'ny fivoahana, ary taorian'izy ireo nisy lehilahy reraka nisy volombava mainty matevina. Niazakazaka nanenjika an'ireo lehilahy ireo izy ary nitifi-danitra. Niheritreritra aho: “Misy olona manao sangy ratsy izany, mety vazivazy na fanazaran-tena hafa.” Niala tao an-dohako anefa izany eritreritra izany rehefa nanomboka ny fitifirana teny amin'ny manodidina sy nanomboka nanosika anay ho any amin'ny efitra fanafanana izy ireo. Samy niampify daholo izahay rehetra. Voahitsaka ny voninkazo, niparitaka teny amin'ny arabe tara ny kitapo sy ny kiraro sy kitapo. […]

Voahidy tao amin'ny trano fanazaran-tena, niaraka tamina takalon'aina anjatony hafa ry Agunda sy ny namany:

[…] Nisahotaka ny olona, tena taitra izahay. Mba hampangina anay, naka lehilahy izy ireo ary nandrahona fa hamono azy raha tsy mikombona ny vavanay. Niezaka izahay, nefa resin'ny taotra sy ny koropaka izany. Nirefotra ny basy. Novonoiny ilay lehilahy… tamin'izay vao nangina ny rehetra, tena nangina tahaka ny faty. Ny tomanin'ireo ankizy sy ny fidradradradrana ihany no nanapaka izany. […]

Taoriana kely dia navela niaraka taminy ny renin'i Agunda:

[…] Tonga izahay dia nanontany azy izay mety hitranga, raha hamela anay handeha na tsia izy ireo. […] Niresaka ampilaminana i Mama, niteny fa handeha tsara ny zava-drehetra, fa afaka ho vonjena izahay. Nefa raha mijery azy aho, fantatro fa na Mama aza tsy nahalala ny nety hiafarany, nampilamina anay fotsiny izy, tahaka ny mpianany, tahaka ny ankizy. Ankizy – ankizy feno tahotra  izahay. […] Amina tranga tahaka izao, na ireo OLON-DEHIBE tena matotra indrindra aza nitomany tahaka ireo zaza be ranomaso. […]

Antsipiriany bebe kokoa tamin'ny Andro 1 tao amin'io toerana io:

[…] Nisy lehilahy nitana basy nandalo, avy eo nijanona tampoka, […] nijery an'i Madina [naman'i Agunda] ary tezitra. Nanipazany akanjobà izy ary nitey hoe: “Rakofy ny henatrao!” Tsy nitafy ny lohaliny, ary, nentin'ny fahatahorana, norakofany teo no eo izany. Somary nitony kely aho taorian'izany. “Fara-faharatsiny, tsy hanolana anay izy ireo,” hoy aho nieritreritra.

[…]

Tena ela be ny fandehan'ny fotoana. Nafana dia nafana tamin'izany. Nalanay daholo izay akanjo rehetra afaka nesorina nefa tsy hahamenatra. Tery kely ny toerana, nipetraka teo amina dabilio izahay.[…]

[…]

[…] Teo amin'ny 8 alina dia nanomboka nirotsaka ny orana […]. Nipetraka teo akaikin'ireo varavarankely vaky izahay ary nanakatra ireo ranonorana tamin'ny vavanay – tsy mbola nangetaheta toy izany izahay. Nandrakotra anay tamin'ny akanjobàany i Mama, nefa nisintaka hanakatra ranonorana kely aho. Tena tsara izany – mihevitra aho fa izay no fahatsiarovana tsara indrindra tao anatin'iny helo iny. […]

Akaikin'ny lera fisakafoanana, fanampin'izay, niezaka hanisy TV tao anatin'ilay trano fanazaran-tena izy ireo (mba hanary dia ireo takalonaina amin'ireo fampahalalam-baovao, mazava ho azy), nefa [tsy nandeha izany]. Niteny anay izy ireo fa, araka ireo tatitry ny TV, 354 ireo takalonaina. Tena […] tsiravina izahay. […]

[…]

Ny alina manontolo, nifandimby natory tsiroaroa nandritra ny adiny iray izahay. Raha nipetraka teo amin'ny dabilio izaho sy Madina, i Mama sy Zarina kosa natory tamin'ny tany. Tapitra ny adiny iray, ary nifanakalo indray izahay. […]

Tamin'ny naotin'ny 2 Septambra [9] (voajery in-9,626, tsikera 92 tao amin'ny blaogy Echo of Moscow [10]), manoratra i Agunda, ankoatra ny zavatra hafa, ny resaka antelefonin'ireo mpaka takalonaina, ny fangatahan'izy ireo (izay ahitana ny fisitahan'ireo andia-miaramila Rosiana amin'i Chechnya [11] sy hanaiky ny fahaleovantenany), ny fitsidihan'i Ruslan Aushev [12], filohan'ny firenena mifanakaiky aminy teo aloha akaiky Ingushetia [13], sy ny famoahana ireo “vehivavy mampinono 11 sy ireo zaza 15 rehetra [14]” nanaraka izany- tranga izay namoha ny fanantenan'i Agunda.

Ny tantaran'ny Andro 3 tao amin'io toerana io no sarotra ho an'i Agunda ny hanoratra azy – ary izany no tena sarotra vakiana:

[…] Ity no andro tsaroako indrindra, ary mandritra ny fotoana elabe ireo fahatsiarovana ireo no nampijaly ahy, izay tsy mahatafasoratro azy ireo. […]

Hatramin'izao, efa voajery in-16,185 sy nametraka tsikera 178 ity fitantarana ny 3 Septambra [15] ity ao amin'ny blaogy Echo of Moscow [16] (ary tsy mitsaha-mitombo ireo isa ireo).

Nitantara ny haharerahany sy ireo takalonaina hafa i Agunda, ny hanoanana sy ny fahaverezan'ny fanantenana:

[…] Nandritra izany fotoana izany, ny *cousin* an'i Zarina, hiditra ao amin'ny CP, niaraka taminy, ary nitaintaina be izy mikasika io “cousin”any io. Tamin'ny andro fahatelo, tena narary be izy ary tsy mitsahatra ny mangataka rano. Tany ho any, nahita ranon'amany izy, tao anaty boaty simba, ary nomeny kely izy, nofafany tamin'izany ny tarehiny sy ny an'ilay “cousin”any. Tsy afaka nandresy ny faharikorikoko aho, na angamba tsy tena nangetaheta be loatra aho ka hisotro izany. […]

Teo amin'ny 1 folakandro teo, manoratra i Agunda, nilaza ireo mpaka takalonaina fa nisitaka an'i CheChnya ireo andiana Rosiana ary raha marina izany fanambarana izany, dia hamotsotra ireo takalonaina izy ireo rehefa kelikely:

[…] Izany no fotoana voalohany naha te-hitomany ahy andritra ireo telo andro, satria nisy fanantenana hivoahanay tao amin'izay. Ary avy eo… Tsy nahatsiaro tena intsony aho, ary rehefa niverina ny saiko, efa may ny tafotrano manodidina ahy, nirodana daholo ny zava-drehetra, amin'ny tany daholo ny olona manodidina. Ny zavatra hitako voalohany indrindra dia ny vatana kilan'iray amin'ireo mpampihorohoro, […]. Nanomboka mikiakiaka niteny izy ireo fa izay mbola velona dia tokony hitsangana sy hivoaka ny trano fanazaran-tena mankany amin'ny lalàntsara. Tsy fantako hoe ahoana, fa nitsangana izaho sy Mama ary namonjy ny varavarana fivoahana. […] Teo akaikin'ny varavarana, nahita zavatra izay mbola ato an'eritreritro foana aho rehefa mieritreritra mikasika iny fampihorohoroana iny… Nahita vatan'ankizivavy kely, mahia aho, ary rehefa nijery ny tendany, dia tsapako fa tsy nahita ny tapany ambony amin'ny karandohany aho […]. Izany no fotoana tena nampihoro-koditra ahy indrindra, ary teo ihany koa, ekeko, no nahatsapako fa tena nitranga daholo izany zava-drehetra izany. […]

Minitra vitsivitsy taty aoriana dia narahina fipoahana hafa, sy kotaba ary horohoro. Naratra mafy i Agunda, fa mbola afaka nihetsika. Tsy toy izany kosa anefa ny reniny:

[…] Natory teo akaikikaiky teo i Mama. “Ny tongotro,” hoy izy. “Mandehana.” Tsy vitako ny hamela ny heloko noho ny nanarahako ny teniny, hitodika sy handao. Tsy fantatro ilay izy. Izay no nahatonga izany famadihana izany.

Nandady nanao tongotra efatra teny amin'ny varavarankely aho. Nisy fatana vitsy teo amin'ilay varavarankely, ary nahazo ny sisin'ilay varavarankely aho. Ao amin'ny iray amin'ireo fatana ireo dia misy fatin-dehilahy mahia anankiroa miboridana. Toa mpirahalahy izy ireo. Ny masony… […]

Efa ho tonga eny amin'ny arabe aho no nibolisatra ny tongotro ka latsaka tao anaty lavaka iray. Toa tsy tsapako firy ilay tongotro, tsy hitako, nanohy nisintona aho, nefa tsy nisy zavatra nivoaka. Ny miaramila ao antoerana efa niandry ahy tery ambany. niantsoantsoa ahy izy ireo: “Avia, ry zanako, avia, ry masoandro keliko!” Nefa tsy afaka aho. Izany fahatsapana ny faharariana sy fahaverezam-panantenana izany dia nampitomany ahy. Izany no fotoana voalohany nitomaniako nandritra ireo telo andro ireo. Nefa avy eo toa nisy hery nanosika ahy ary nanafaka ilay tongotro. […]

Manoratra mikasika ny nitondrana azy tany amin'ny hopitaly i Agunda, ny fandrenesany mikasika ny fahafatesan'ny reniny. Manoratra mikasika ny fahalasan'ireo namany sy ireo mpampianatrany. Manoratra mikasika ny fiainana arahin'alahelo izy:

[…] Mbola mamoy ny ainy ny vahoaka noho ny asa ratsin'ireo mpampihorohoro. Mbola hianjadian'ireny tranga ireny foana foana ny vahoaka. Tsy nitantara anao ny ampahany akory aho, raha ny eritreritro. Zava-mahagaga ny fahatsiarovana: miezaka ny hanadino ny zava-dratsy rehetra, mahatsiravina, mampalahelo ny olona.

[…] Mitantara ny tantarako aminao aho. Ireo zava-nitranga rehetra, nitranga tamin'ny fianarana mamiko, ny olona nanan-danja tamiko, ary mihevitra aho fa manan-jo hilaza aminao ny fahoriako. Izay nantsoiko ho aina dia nalana tamiko. […]

Miezaka ny hahafantatra ny marina ny vahoakan'i Beslan. Tsy tena hainay izany. Mbola mitohy ny fanadihadihana efa ho enintaona izao, fa tsy nahitana fandrosoana na kely aza. Tsy voavaly hatramin'izao ny fanontaniana rehetra napetrakay. […]

Maro ireo mpitoraka blaogy no nanisy rohy sy nampiseho ny lahatsoratr'i Agunda tao anatin'ireo andro vitsy lasa. Maro ny olona nanoratra mba hahafantarany fa mahatsiaro ny zava-nitranga enintaona lasa izay izy ireo ary mizara ny alahelony sy ny alahelon'ireo sisa tsy maty. Araka ny voalazan'ireo mpitoraka blaogy sasantsasany [17] (RUS), na dia izany aza, na ny Filoha Dmitry Medvedev, na ny PM Vladimir Putin, dia tsy nisy namoaka fanambarana mikasika ny tsingerintaona fahaenin'ny voina tany Beslan. Ary tamin'ny 1 Septambra, ny iray tamin'ireo mpamaky ny lahatsoratr'i Agunda dia nametraka ity hafatra fohy ity [18] (RUS) ao amin'ny blaogy Echo of Moscow-ny:

Mamaky ity ve ny zanak'i Putin?

[19]

Tsingerintaona voalohan'ny Beslan, 2005. Sarin'i Natasha Mozgovaya

Ireo sarin'i Natasha Mozgovaya [20] hafa mikasika ny Beslan 2005 dia eto [21]; ny blaoginy amin'ny teny Rosiana LJ dia eto [22].

Ireo lahatsoratry ny GV faramparany mikasika an'i Beslan dia eto [23].