Oman: fandraràna ny VPN tsy ho ela

Tamin'ny trangana sivana aterineto farany tany Oman, ny Fahefàna Mpanara-maso ny Fifandraisan-davitra any Oman dia nanambara ireo tetik'asany handràra tanteraka ny fampiasàna ireo Tambazotra Virtoaly Mitokana (VPN) ary hitaky ireo orinasa haka ny fahazoan-dàlan'ny Fahefàna Mpanara-maso ny Fifandraisan-davitra izay vao afaka mampiasa izany. Mbola tsy mihatra ilay lalàna vaovao ary navoakan'ny Fahefàna Mpanara-maso ny Fifandraisan-davitra amin'ny aterineto ho vakian'ny besinimaro.

Nihanitombo ny fampiasàna ny VPN ataon'ireo mpanjifa tao anatin'ny taona maro noho izy hany fomba ho an'ireo mpampiasa aterineto any Oman mba hampiasàna ireo tolotra VoIP – izay efa noraràna tany Oman efa an-taonany maro izao. Ny sasany amin'ireo “protocole” VPN toa ny PPTP dia efa voasakana tanteraka any Oman ary ireo mpamatsy vahaolana VPN hafa dia mihamaro ireo tratran'ny ISP na FAI na mpanome ny tolotra hiserasera ka voasakana tsirairay.

Sehatra nanahirana ny fampiasàna ny VPN taloha noho ny lalàna mandràra ireo endrika fampiasàna fandrika rehetra, nefa ireo lalàna vaovao dia hahatonga ny fampiasàna ny VPN ho tsy ara-dalàna ho an'ireo olon-tsotra mampiasa azy ho an'ny tenany.

Ireo orinasa kosa ho afaka hampiasa ny VPN rehefa avy mameno fangatahana manokana hatolotra ny Fahefàna Mpanara-maso ny Fifandraisan-davitra sy avy mahazo ny fanomezan-dàlany. Ho an'ny fandefasana ny taratasy fampiasàna ny VPN dia tsy maintsy manana ireto mombamomba ireto ny orinasa:

  1. Antsipiriany momba ilay mpampiasa ny VPN. (Tsy mazava raha ny mombamomba ilay olon-tokana no ilain-dry zareo na ny mombamomba ilay orinasa).
  2. Fanazavàna ny antony ilàna ny fampiasàna ny VPN.
  3. Antsipiriany momba ny adiresy IP an'ny loharano sy ny ihafaràn'ny fifandraisana.

Ny Andininy faha-telo amin'ny lalàna dia manamarika fa ny Fahefàna Mpanara-maso ny Fifandraisan-davitra dia afaka mandà ny fangatahana ary tsy voatery hanome antony ho an'izany.

Efa afaka jeren'ny besinimaro izao ireo lalàna, nefa toa tsy hiteraka fiovàna amin'ilay fandraràna mahery vaika voalaza ao anatiny satria ny fandraràna ny VPN dia mifanaraka amin'ny lalàna ankapoben'ny Oman manohitra ny fampiasàna fandrika ary ny ankabeazan'ireo fampiasàna VPN ataon'ireo olon-tsotra any Oman dia fampiasàna zavatra voaràran'ny lalàna hafa toa ny VoIP na zara raha mahasoroka ny sivana ataon'ny ISP na FAI na ny mpanome ny tolotra hiserasera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.