08 Septambra 2010

Tantara tamin'ny 08 Septambra 2010

Venezoela: Nodimandry i Franklin Brito taorian'ny fitokonana tsy hihinan-kanina maromaro nataony

  08 Septambra 2010

Maty noho ny tsy fahafahany miaina intsony tany amin'ny hopitaly miaramila ny alin'ny Alatsinainy i Franklin Brito Tantsaha Venezoeliana raha nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina izy tamin'ny Jolay 2009 . Niaina tanaty fitokonana tsy mihinan-kanina maro i Brito nanohitra ny fakan'ny fanjakana ny taniny. Manao hetsika noho ity filazana mikasika ny nahafatesany ity ireo Venezoeliana amin'ny alalan'ny Twitter sy ireo bilaogy .

Oman: fandraràna ny VPN tsy ho ela

GV Mpisolovava  08 Septambra 2010

Tamin'ny trangana sivana aterineto farany tany Oman, ny Fahefàna Mpanara-maso ny Fifandraisan-davitra any Oman dia nanambara ireo tetik'asany handràra tanteraka ny fampiasàna ireo Tambazotra Virtoaly Mitokana (VPN) ary hitaky ireo orinasa haka ny fahazoan-dàlan'ny Fahefàna Mpanara-maso ny Fifandraisan-davitra izay vao afaka mampiasa izany. Mbola tsy mihatra ilay lalàna vaovao ary...