Barbados: Olona enina voaroba; navela ho faty tanaty afo

Mbola tankina ny Barbados anio noho izy miady amin'ny zava-misy antsoin'ny haino aman-jery any an-toerana hoe “tranga nivoaka mivantana avy any anatin'ireo tantara mitohy mampitaintaina CSI”, fa hay afaka mitranga any amin'ilay nosy feno fandriam-pahalemana koa izany. Toa nanomboka tamin'ny halatra dia niafara tamin'ny vono olona noho ireo olona noahiahiana nandrehitra afo tamin'ilay tranobe mialoha ny nitsoahan-dry ireo, ka namela ireo tra-doza voafandrika tao anatiny.

Nanomboka niblaogy avy hatrany i Barbados Free Press:

Alahelo aloha. Miandry kely ny hatezerana – nefa tsy hisy karakaram-baravarankely hahatàna izany.

Mbola hisy fotoana ho an'ny hatezerana izay miha-miforona manerana ity firenena ity– hatezerana izay tsy ho an'ireo fakon'olona roa tsisy ilàna azy nandrasarasa ary nanipy baomban-dasantsy tany amin'ireo vehivavy tanora ireo fotsiny ihany.

Tsia, mbola hisy fotoana ho an'izany rehefa avy eo.

Izao aloha isika misaona, mivavaka ary manao izay azo atao ho an'ireo tsy afa-mitsahatry ny mitomany.

Ao amin'ny lahatsoratra iray hafa, mamoaka ny mombamomba ireo olona ahiahiana ny blaogy, manolotra izany amin'ny fitenenana hoe:

Misy olona mahalala zavatra – nosy kely ity.

Mandritra izany, ny “Gospel Knight Rider” an'ny Barbados Underground, amin'ny fanamarihana fa “ilain'ny olona mafy indray ny fiatoana” taorian'ilay tranga, dia manamarika:

MAHATSIKAIKY…Hitanao fa manana mpitarika isika izay tsy manana fitsipi-pitondran-tena, maka fepetra miankina amin'ny hevi-bahoaka izy ary momba ny fiatoana indray; mijoro miaraka amin'ny fikambanana iraisam-pirenena (Amnesty International sy ny mitovy aminy) ry zareo (ireo mpitarika antsika).

Ny lahatsoratra dia manohy  amin'ny fiderana ny herin'ireo “Fitsipiky ny Baiboly nahatonga ny sivilizasiona tandrefana hatanjaka toy izao”, mamintina amin'ny filazana hoe:

Avelao ny Làlana Tudor ho antso fanairana.

Barbados Free Press dia miahiahy noho ny fomba namalian'ireo mpitondra ny firenena (na tsia) iny zava-doza iny:

Tsy nahazo na dia teny iray fampiononana aza, na fandraisana andraikitra avy amin'ny Praiminisitra David Thompson ny vono olona faharoa lehibe indrindra tamin'ny tantara maoderin'ny firenentsika. Na dia fanambaràna amin'ny haino aman-jery aza, ny fisehoana manokana tsy lazaina intsony.

Ary tsy izany ilay David Thompson fantatsika rehetra.

Momba izany dia manontany tena ho azy ireo olom-pirenena raha efa salama tsara afaka hiverina amin'ireo andraikiny ny Praiminisitra taorian'ny fiverenany avy nitsabo tena nandritra ny roa volana tany Etazonia.

Tsy maintsy hoe  tsy afaka miseho am-pahibemaso ny Praiminisitra Thompson – raha tsy izany mantsy dia efa nanao izany efa ela izy.

Tsy dia momba ity loza mahatsiravina ity loatra ny ahiahy amin'ny tsy fisian'ny fisehoan'ny Praiminisitra.

Fantatsika rehetra fa miara-ory amin'ireo tapaka sy naman'ireo tra-doza i David Thompson. Mazava ho azy fa miraharaha sy misaona miaraka amintsika rehetra izy. Ny David Thompson fantatsika dia mety te-haneho fahaiza-mitondra sy fiaraha-miory amin'ireo tranga rehetra. Raha ny tokony ho izy dia efa nipoitra efa ela izy – nefa midika izany fa tsy afaka miseho izy.

Amin'ny fotoana  ilàn'ny firenena ny tena fahaiza-mitondra, olana tsy maintsy atrehin'ireo Barbadiana ny tsy fahasalaman'ny Praiminisitra. Global Voices dia hanohy hanaraka ireo adihevitra any amin'ny tontolon'ny blaogy ao amin'ilay nosy.

Ny sary famantarana ampiasaina amin'ity lahatsoratra ity, “Agni's Dance or Drawing with Fire”, dia avy amin'i addicted Eyes, ampiasaina eo ambany fiarovana Creative Commons Attribution-NonCommercial 2.0 Generic. Tsidiho ny raki-tsary flickr an'i addicted Eyes.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.