Bahrain: Nosamborina i Ali Abdulemam, mpitoraka blaogy sady mpanoratra ho an'ny Global Voices

Ali AbdulEmam

Ali AbdulEmam

Ali Abdulemam, mpitoraka blaogy Barhaini iray  misongadina sady mpanoratra ho an'ny Global Voices Advocacy, dia nosamborin'ny manampahefana Barhaini vao maraina tamin'ity androany ity noho ny fiampangana azy ho  nanely “vaovao tsy marina” tao amin'ny vavahadin-tseraseran'ny BahrainOnline.org, iray amin'ireo mpanome vaovao isan'ny malaza be sady mpandala ny demokrasia ao Bahrain, nandritra ireo vanim-potoanan'ny jadona ara-poko sy tsy refesi-mandidy an-taona maro nataon'ny governemanta. Ny vavahadin-tseraseran'ny The BahrainOnline dia voasakana izao ao  Bahrain. Vao maraina dia nandefa hafatra mailaka izy nilazany ny naharaisany antso avy amin'ny Sampam-piarovam-pirenena Bahraini, izany dia talohan'ny nisamborana azy mihitsy, avy eo dia nosamborina izy ary notondroina ho nikasa handositra.

Ali

Araka ireo tatitra, ny governemanta  Bahraini dia efa goaika antitra mitàna ny loha-laharana amin'ny fampiasana herisetra amin'ireo tsy mpankasitraka http://bit.ly/9kZyJQ ary ny Tv an-dry zareo dia nandefa hafatra feno fankahalàna ara-poko mba hanamarinana ny herisetra ataony

Ali dia nosamborina koa tany aloha noho ny votoaty navoakany tao amin'ny vavahadin-tseraserany, ary mandray anjara arakarak'izay fahafahany ao amin'ny  Global Voices Advocacy sy ny  Global Voices Arabic Lingua.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.