Pero: Ny fankalazana ny faha 20 taonan'ny ‘Nubeluz’

Ireo Peroviana izay mbola ankizy madinika tamin'ny fiandohan'ny taona 1990 no mety hahatadidy ny fandaharana tena nalaza tao amin'ny fahitalavitra Nubeluz. Tamin'izany taona izany, nandalo fotoan-tsarotra mafy i Pero; fanafihan'ireo mpampihorohoro no hita matetika amin'ny vaovao , zatra niaina tao anatin'ny tsy fisian'ny herinaratra ny olona, ary ny tena misongadina mihoatra ireo, Manasarotra ny fiainana ny halafosan'ny vidim-piainana be loatra .

Nandritra izany vanim-potoana izany,  ny marainan'ny Sabotsy sy ny Alahady no mba mihiratra kely noho ny fandaharan'ny fahitalavitra Peroviana iray tsy mbola nisy nanao mihitsy. Zavatra telo no tena asongadin'ny Nubeluz : 1) tsy noheverina ho fampisehoana amin'ny  fahitalavitra izy fa ho fetin'ny ankizy madinika (voarara ny teny hoe “fandaharana”); 2) notontosaina tao amin'ny rahona mahagaga ny fety izay mitety toerana araka ny baikon'i Glufo, izay manana namana vehivavy roa antsoina hoe “dalinas” (teny glofika ) ary ; 3) tsy maintsy misy rahona avokoa ny kilalao rehetra atao..

Amin'ny teny Española, midika hoe rahona ny hoe “nube” . Noho izany, raha ara-bakiteny, azo adika hoe ‘raho-mazava’ ny anaran'ny fandaharana .

Amin'ity herinandro, mankalaza ny tsingerintaonany faha 20 i Nubeluz, ary nanao hetsika mikasika ity fotoan-dehibe ity  ireo mpitoraka bilaogy sasany ; Mankalaza ny tsingerintaona ny pejy iray   ao amin'ny Facebook [es] natokana ho an'ny fandaharana.

Ao amin'ny Todo pasado (no) fue mejor [es],ny mpitoraka bilaogy Sandro Escandón no  mamehy [es] ny tontolo manodidina ny fahitan'ireo ankizy ny fandaharana tany Pero:

[…] mientras nuestros padres (los mios y los de los de mi generacion) se debatian entre las colas,la hiperinflacion y el terrorismo sanguinario, la mayoria de nosotros,los niñas y niños de mi generacion, nos sumerguiamos en esa nube,cual burbuja de cristal contra el horrible presente y la realidad nacional que muchos desconociamos en su exacta magnitud, 5 horas-de 8 am a 1 pm- en ese mundo magico llamado “el mundo glufico” o “Nubeluz” en el que el capitan Glufo nos trajo a las dalinas,las cindelas y los golmodis un 9 de septiembre de 1990.

[…] Raha toa mbola miady amin'ny halafon'ny vidim-piainana sy ny filaharana ary ny fampihorohoroana ireo ray aman-dreninay ( izaho sy ireo ankizy niara-lehibe tamiko), dia tafiditra tao anatin'ity rahona ity toy ny tao anaty baloma krisitaly tsy mahalala ny zavamisy mankaloiloy teo amin'ny firenena kosa ny ankamaroanay, ireo ankizilahy sy ankizivavy niara-lehibe tamiko, izay tsy fantatra mihitsy hatramin'izao ny fiantraikany  ho anay, adin'ny 5-manomboka amin'ny 8 ora maraina hatramin'ny 1 ora atoandro- ao anatin'ity tontolo mahagaga antsoina hoe “ny tontolo glofika” na “Nubeluz”, izay ahitana ny Kapiteny Glufo izay mitondra ho anay ireo dalina, ireo cindela ary ireo golmodi tamin'ny 9 Septambra 1990.

Mizara ny zavatra niainany ny mpitoraka bilaogy i Jhon Núñez Sandman, ao amin'ny bilaogy Diario de un soltero [es] ao amin'ny lahatsorany “Yo fui nubecino” (efa nubecino aho) raha niteny azy ny dadany fa nanana tapakila hijerena mivantana ny Nubeluz :

Año 1993, aquella infancia espectacular que nunca volverá, que se llevo lo mejor de mi niñez y me dejo los mas hermosos recuerdos.

[…]

Mi padre, una mañana llego y me dijo que tenia pases para ir a ‘Nubeluz’, salte tanto que no me lo creía, cuide las entradas como oro, las puse debajo del colchón, para que los traviesos de mis hermanos no las tocaran.

Taona 1993, ilay fahazazana tena nahagaga izay tsy hiverina intsony , izay naka ny tsara indrindra tamin'ny niandohan'ny fahazazako ary namela fahatsiarovana tena tsara indrindra ho ahy tamin'izany .[…]

Indray maraina, tonga ny dadako ary niteny tamiko fa nanana tapakila izy ho any amin'ny ‘Nubeluz’, Niatsambotsambotra ery aho, tsy nino izany, nambenako fatratra toy ny volamena ireo tapakila ireo, nataoko tany ambany kidoro, amin'izay tsy hanakorontana ny manodidina azy , ireo rahalahiko ratsy toetra .

Nanana ny vondrona toambolana vaovao [es] iray manontolo i Nubeluz . Araka ity voambolana “glofika” ity , iray amin'ireo ankizy tao amin'ny fandraisam-peon'ny fahitalavitra i “nubecino” ary iray amin'ireo izay nahita ny fandaharana tany an-tranony i “nubetor”

Ireo ankizy tao amin'ny fandaharana Nubeluz tamin'ny taona 1990. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr medea_material nampiasana avy amin'ny fahazoan-dalana Attribution 2.0 Generic Creative Commons license

Nisy ireo hira maro narahin-kafatra ho an'ny ireo ankizy sy ireo ray aman-dreniny tao. Mety ny tena tsaroana indrindra angamba dia ny ‘Papi, deja de fumar’ (Dada, ajanony ny fifohana), izay nangataka toy izao[es]:

Papi, papi, papi, deja de fumar

Cuando me das un beso no puedo respira

Deja ese cigarro si me quieres de verda

No ves que a mí también me hace mal ¡basta ya!

Dada , dada , dada , ajanony ny fifohana

Tsy afa-miaina akory aho rehefa manoroka ahy ianao

Avelao io sigara io raha tena tia ahy ianao

Tsy hitanao ve fa ratsy koa io ho ahy. Ajanony io !

Mampiseho sary ahitana ireo fihaonan'ny mpilalao sy ireo ekipa mpanatontosa, ny bilaogy Ser peruano [es] ary mizara ireo fihetseham-po avy amin'ny filalaovana :

Recordaron los miedos que enfrentaban en cada gira fuera del país ” En el estudio nos enfrentabamos a una cámara, pero cuando salíamos fuera, en las grandes presentaciones, en donde nos esperaban miles de personas, nos daba un poco de miedo, en realidad salíamos casi aterradas. Nos dábamos cuenta recién el éxito que tenía el programa y las miles de personas que lo seguían.”

Tsaroan'izy ireo ny tahotra izay natrehany isaky ny fiodinana any ivelan'ny firenena? ” Ao amin'ny trano fandraisam-peo, fakantsary iray ihany no jerena, fa rehefa mivoaka any ivelany izahay, amin'ireo fampisehoana goavana, izay ahitana olona anarivony maro miandry anay, somary matahotra kely ihany izahay, ny tena marina, zatra nandeha tanatin'ny tahotra izahay. Ary tena hitanay ny fahombiazan'ny fandaharana sy ireo mpanaraka izany anarivony .”

Fa nifarana ny zavatra nahafinaritra rehetra raha niditra tao amin'ny tontolo mahagaga ireo raho-mainty.Namono tena I Mónica Santa María, fantatra amin'ny anarana hoe ‘dalina chiquita’ (i dalina kely ) tamin'ny volana Marsa 1994. Nosoloin'ireo ankizivavy hafa ny toerany izay, miaraka amin'i Almendra Gomelsky, ilay dalina hafa, ary nanao izay tsara indrindra vitany izy ireo nanohy ny zavatra nahafinaritra rehetra tao .

Nifarana tamin'ny taona 1996 ny tontolo mahagaga an'i Nubeluz, fa mbola mety nahare ny teny hoe “grántico, palmani, zum”, (mitovy amin'ny hoe “vonona, miomana, lasa !” amin'ny teny glofika ) ireo ankizy tany aorian'ny taona 1990 rehefa hanomboka ny tantara mahafinaritra .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.