Malezia: Fanafihana nitranga nohon'ny fanavakavaham-bolon-koditra tamin'ny Andro fitsingerenan'ny nahazoana ny fahaleovantena

Tamin'ny taona 2009, namerina niresaka momba ny foto-kevitra firaisan-kina 1Malaysia izay nankalazain'ny haino aman-jery ny Praiministra Najib Razak.

Nanasongadina tatitra  iray vaovao izay manazava ny foto-kevitra 1Malaysia (Malezia tokana) ny mpitoraka blaogy OutSyed The Box:

Tao KUALA LUMPUR, tamin'ny faha 15 Aprily (Bernama) — Tokony hialan'ny Maleziana ny toe-tsaina fiavakavahana ara-poko, hoy Datuk Seri Najib Tun Razak. Ary hoy ny nambaran'i Praiministra: tokony “hiara-hijoro sy hiray saina ary hiara-hifarimbona” ho toy ny vahoaka iray ihany ny maleziana raha arak’ io foto-kevitra 1Malaysia io.

“Aleo hiato ny endrika fizarazarana ara-poko toy ny efa nataontsika taona maro lasa izay. Izany koa ny tena dikan'ilay foto-kevitra ‘1Malaysia’.

“Tokony hifanaja ny tsirairay avy, hifandefitra ary hametraka fifampitokisana eo amin'ny tsirairay  sy eo amin'ny vondrom-poko samihafa,” hoy izy eto nandritry ny resaka niaraka tamin'ny mpanao gazety tamin'ny alarobia.”

Nanomboka tamin'ny fotoana nanambarana an'io foto-kevitra io anefa dia efa maro sahady ny olona nanakiana azy io izay mieritreritra  fa tsy hitsahatra na oviana na oviana ny fifanenjehana noho ny fahasamihafana volon-koditra ao amin'ny firenena. Namerina ny tantaran'ny mpitoraka blaogy iray hafa ny mpitoraka blaogy Calvin Chew  :

Naheno momba ny foto-kevitra 1Malaysia aho, ary mieritreritra fa tsy ilaina akory ny filazana amintsika ny amin'ny hoe tokony hiray hina isika. Efa ela no tokony niraikitra tao am-pontsika sy tao an-tsaintsika hoe iray ihany isika.

Mampalahelo anefa fa dia mahita fanavakavaham-bolon-koditra sy fizarazarana foana ianao. Eo foana ilay fomba fijery izay mifototra amin'io resa-poko io izay milaza fa ny foko Maley no ambony indrindra ary tsy maintsy arovana ny zon'izy ireo, ary ireo ankoatran'ny Maley dia an-jorom-bala hatrany.

Ary tamin'ny faha 30 Aogositra 2010 tamin'ny takarivan'ny Andro fitsingerenan'ny nahazoan'i  Malezia ny fahaleovantenany  dia mbola namafisina hatrany io foto-kevitra io raha nisy tranga niseho tao amin'ny vohikalan'ny tambajotra ara-tsosialy facebook mikasika  fanafihana nohon'ny resaka fanavakavaham-bolon-koditra nataon'ny tanora maro :

Raha iny izahay saika hialoha azy ireo iny dia nitodika ny iray tamin'izy ireo ary nanomboka namely daka nisidina teny amin'ilay namako izy. Nahita ny ‘fahafinaretany’ teo am-panaovana izany ilay namany, dia indro koa izy nanao torak'izany koa tamiko. Tampoka be ilay izy ka ny zavatra noeritreretiko tamin'io fotoana io dia ny hoe: “Fa dia inona loatra re no nataonay azy ireo e?”

Lavo izahay ka tafandohalika tamin'ny tany nandritry fotoana kely talohan'ny nisidinan”ny dakan'izy ireo sy nahatongavan'ny totohondriny nifanesisesy tety aminay. Na dia voafatotra avy ao amin'ny sorokay aza ny rantsam-batanay rehetra, dia tsy afaka namaly izany akory  izahay nohon'ny hatezeranay diso tafahoatra. Ary tamin'ny farany, namely totohondry ahy teo amin'ny handriko ny iray tamin'izy ireo ka nitsininika ny ràko. Nony nahita izany izy ireo, dia tsy nanohy intsony fa lasa nandeha. NANOHY NY DIANY, hivaly amin'izy ireo anie ny nataony. Tsy mba natahotra akory izy ireo ka hoe  hihazakazaka hitsoaka fa vao maika NANOHY NY DIANY moramora toy ny avy nandresy tamin'ny lalao izany  na koa zavatra hafa. Ny zavatra henoko farany nolazain'ny anankiray tamin'izy ireo dia ny hoe “Baliklah ke negara asal” (Mandehana miverina any amin'ny firenena misy anareo any Malay any ianareo).

Na dia ohatran'ny tsy dia nahomby aza io foto-kevitra 1Malaysia io, dia mbola nanamafy io resaka io ihany ny mpitoraka blaogy Khoo Kay Peng:

Ny tena mbola tsy ampy dia mila politikam-pfiniavana hametraka ny tena toe-tsain'ny 1Malaysia ohatra: fanolorana fitoviana, ny fahatsapan-tena ho ao anaty vondrona iray, ny rariny, ny fahamarinana eo amin'ny ara-toe-karena sy ara-tsosialy ary ny fifanajana eo amin'ny Maleziana rehetra tsy asiana fijerena ny lokom-bolon-koditra sy ny resa-pinoana izany.

For the concept to be successful, the BN (Barisan Nasional) government must not continue to play its race supremacy game. If a particular race is seen as more supreme or privileged than others, the concept of 1Malaysia will remain a mere concept without a soul. Mba hampahomby an'io foto-kevitra io, dia tsy tokony hanohy ny lalaony eo amin'ny fametrahana fahamboniana eo amin'ny resaka volon-koditra ny governemanta BN (Barisan Nasional). Raha toa ka misy firazanana iray hita hoe ambony na hoe manana tombony amin'ny hafa dia mijanona fotsiny ho foto-kevitra tsy misy fanahy io 1Malaysia io fa tsy manana fototra akory.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.