Etazonia: Naverina nodinihana indray ny fanambarana mikasika ny zon'ny vazimba

Telo taona latsaka kely taty aorian'ny nandavana ny Fanambaran'ny Firenena Mikambana mikasika ny zon'ireo vahoaka vazimba (UNDRIP) tamin'ny Septambra 2007, mangataka ny fandraisan'anjaran'ireo mpitarika Amerikana Teratany (Indiana Amerikana) amin'izao fotoana izao ny governemantan'i Etazonia, manavao indray ny fanantenan-dry zareo fa mety hanampy amin'ny fanokafana làlana ho amin'ny fanaovan-tsonia ny lalàna, ny fifidianana ny Filoha Barack Obama . Mangataka “fanonerana ara-drariny”  ireo tanim-bazimba nangalarina ilay fanambarana, saingy tsy manohintohina ny maha iray tsy mivaky ny faritra eo amin'ny tanin'ny fanjakana akory.

Firenena telo fotsiny ihany no nandà ilay fanambarana tany am-boalohany, izay tsy mbola manana endrika tsy maintsy tanterahana, nefa mametraka fepetra mafy hanajana sy hampandrosoana ny zon'ny foko vazimba. Ny roa tamin'izy ireo,  Nouvelle Zélande sy  Aostralia, dia efa niova hevitra ka namela an’ i Etazonia sy i Kanada ho ny hany sisa tavela ho mpisafidy ny “tsia” . ( Tsy naneho hevitra (tsy nifidy) ireo iraika ambinifolo hafa – Azerbaijana, Bengladesy, Bhutan, Burundi, Kolombia, Zeorzia, Kenya, Nizeria, Rosia, Samoa sy Ukraine .)

Tendrombohitra mitohy manana endrika Crazy Horse any Black Hills any Dakota Atsimo, kilometatra vitsivitsy miala ny tendron'i Rushmore. Milaza ny Lakota fa tany masina nalaina tamin'izy ireo izy ity

Tamin'ny 4 Jona 2010, nilaza ny Departemantam-panjakan'i Etazonia fa tokony alefa ao amin'ny mailaka declaration@state.gov alohan'ny 15 Jolay ny fandraisan'anjaran'ny vahoaka. Taoriana kelin'izay, nampanantena fa hamerina handinika ny fepetra  ny lahatsoratra iray tanaty bilaogy ofisialin'ny Departemantam-panjakana:

Tamin'ny Talata 21 Aprily, nilaza ny fanapahan-kevitr'i Etazonia, ny masoivohony ao amin'ny Firenena Mikambana, i Susan Rice, ny amin'ny hiverenan'izy ireo handinika indray ny heviny manoloana ny fanambaran'ny Firenena Mikambana mikasika ny zon'ireo vahoaka vazimba, ao amin'ny Seha-piseraseran'ny Firenena Mikambana mikasika ireo olan'ny vazimba. Nampanantena fiaraha-miasa bebe kokoa miaraka amin'ireo governemanta ara-poko neken'ny tany sy fanjakana, ny Filoha Obama, ary lohahevitra lehibe ao amin'ny Lafim-pitantanana ny fampivoarana ny fifandraisana miaraka amin'ireo fokon'ny Teratany Amerikana.

Tamin'ny volana Aprily ihany koa no nanjary firenena faharoa taorian'i Aostralia i Nouvelle Zélande raha nandray ny Fanambarana taorian'ny nifidianany ny “tsia” tany am-boalohany . Fa tsy ny olon-drehetra no mihevitra fa fanapahan-kevitra tsara no noraisin'i Nouvelle Zélande.

Mitaraina ny mpanao politika mpanohitra avy amin'ny vazimba Maori, i Nanaia Mahuta, izay ny Antokon'ny Asa misy azy dia nanohitra ilay antontan-taratasy  tamin'ny taona 2008, sady manindry fa ny toetra ” sarintsariny” amin'ny Fanambarana no ampiasain'ny governemanta. Manoratra eo amin'ny bilaoginy izy manao hoe :

Tao ambadiky ny voalin'ny tsiambaratelo no nanasoniavan'ny  Ministry ny Raharaha Maori ka nampidirany ny governemanta tamin'ny UNDRIP.  Kinga ery ireo Ministry ny Nasionaly [Avy amin'ny mpandika; Antoko Nasionaly] ny hanamaivana ny hetsika ho “manana tanjona” sy ” tsy mamatopatotra” ! In-telo farafahakeliny no nanindrian'ny PM izany nandritra ny fotoana fametraham-panontaniana. Ny sedra ho an'ny Antoko Nasionaly dia hoe ry zareo ve hitazona ity antontan-taratasy ity ho hetaheta  tsy misy fiantraikany any Nouvelle Zélande, sa ry zareo hanome ny valinteny izay efa nambaran'ny MParty ?? […] Mahazo vahana ny fanehoana fampanantenana poak'aty sy foana – raha mitohy miakatra hatrany kosa ny tsy fananana asa ho an'ny Maori …

Raha toa an’ i Nouvelle Zelande sy i Aostralia, manao sonia manaiky ilay fanambarana i Etazonia, izay toa mety ho izay ny tantara hiseho, dia i Kanada irery sisa no tavela amin'ny nanao sonia ny “tsia”. Ao amin'ny bilaogin'ny Center for World Indigenous Studies, Fourth World Eye, mamaritra ny fomba fandinihan'i Kanada i Rudolph Ryser mikasika ny fanoheran'izy ireo ny fanambarana, ary mamarana izy fa ny fiovana hisy dia avy amin'ireo mponina vazimba ireo ihany fa tsy avy amin'ny governemanta akory.

Matanjaka ny famantarana ireo vahoaka vazimba nipetraka teo amin'ny Lalantsaran'ny Fihaonam-ben'ny Firenena Mikambana, nefa kosa tsy mahasolo ny asa tanterahan'ny fahefana ara-politika. Hanohy hanome zava-poana sy oha-pitenena mahazatra feno fampanantenana ho amin'ny fampivoarana ho avy atao ho an'ireo vahoaka teratany ny  firenena toa an'i Kanada sy i Etazonina , nefa hetsika tena henjana avy amin'ireo vahoaka vazimba ihany no hanery azy ireo amin'ny fanekena feno ny haja sy ny lalàna momba ireo vahoaka vazimba mipetraka eo an-databatra fanapahan-kevitra izay mendrika azy ireo tokoa.

Eo amin'ny bilaogy mavitrika progresista Docudharma , manolotra tohan-kevitra maro ny mpanoratra mitondra ny anarana hoe “winter rabbit” mikasika ny antony mety hanasoniavan'ny Filoha Obama (fantatra ihany koa amin'ny hoe Awe Kooda Bilaxpak Kuuxshish – ny anaran'ny foko Crow nanangana azy ) ilay fanambarana. Iray amin'ireo rohy maro ao amin'ny lahatsorany no mankany amin'ny tantaram-baovaon'ny taona 2009 izay mitatitra fa tsy mbola namaky ny Fifanarahana Ft. Laramie tena izy tamin'ny taona 1868 ny lehiben'ny mpampanoa lalàna ao Dakota Atsimo amin'ny ankapobeny, izay miantoka fa tompon'ny Black Hills ny Lakota, talohan'ny  tena nitazonana izany nony nahitàna volamena tao.

Tsy mazava tsara raha hanery ireo Dakotana Tatsimo, handinika tsara indray ny zon'ny vazimba amin'ny taniny, miohatra amin'ireo Amerikana hafa, ny fanekena ny UNDRIP. Fa ny fangatahan'i Etazonia hevitra avy amin'ireo Teratany Amerikana ho fiverenana mandinika ny fepetra aloha dia efa manome risi-po.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.