Ghana: Italiana ve i Mario Balotelli sa Ghaneana ?

Italiana ve i Mario Balotelli sa Ghaneana ? Izany no fanontaniana mipetraka nahatonga adihevitra mafana amin'ny aterineto . Mpilalao baolina kitra mpamono baolina, milalao ho an'ny tanànan'i Manchester i Mario Barwuah Balotelli . Nateraky ny mpifindra monina Ghaneana tany Italie izy? Na izany aza, ny olana ara-pahasalamana nanohintohina ny ainy no nampitodika ny ray aman-dreniny tamin'ny asa sosialy ary taty aoriana dia noraisina fianakaviana italiana iray an-tànana izy. Lasa olom-pirenena Italiana izy tamin'ny taona 2008.

Nandà ny hiaraka amin'ny ekipam-pirenena Ghaneana izy ary nilaza fa efa nofinofiny hatry ny ela ny hilalao ho an'i Italia. Tamin'ny Aogositra 2007 ny fiantsoana azy voalohany ho ao amin'ny ekipam-pirenen'i Ghana .

Ndeha hojerena ny hevitr'ireo mpitoraka bilaogy sy ireo mpamaky mikasika izany olana izany . Atombotsika amin'i Abena Serwaa izay manontany hoe , “Anisan'ny ao amin'ny Ghana-Deniers Club (Klioban'ireo mitsipaka an'i Ghana) ve i Mario Balotelli kely?”Atombony amin'ny famaritana ” ireo fomba fitafin'i Mario avy any amin'ny tany mafana “ny lahatsorany :

Fantatra amin'ireo fomba fitafiny avy any amin'ny tany mafana ihany koa i Atoa Balotelli. Raha ny tena izy, miavaka kokoa izy ka raha mahita azy ianao dia mety somary hihevitra fa izy dia mitovy kokoa amin'ny :

1. namana trotro* izay nandà tsy hanome anao ny tena famerim-bolanao tamin'ny làlanao handeha hiasa tamin'ny herinandro lasa
2. Tovolahy mpivarotra DVD ao amin'ny Tsenan'i Adum any Kumasi izay miezaka mandresy lahatra anao hividy ny laharana The Ultimate Steven Seagal
3. tanora tovolahy tsotra iray mirenireny miaraka amin'ny taritariny ao Accra Mall

Avy eo izy manontany hoe:

Ka ahoana ary no mahatonga ny tovolahy tena Ghaneana tanteraka toy izany hanana anarana Italiana miavaka tsara ? Anisan'ny ao amin'ny klioba Ghana-Deniers ve izy izay namolavola ireo olona misongadina toy ilay mpanao tolona matihanina, i Kofi Kingston , izay an'i Jamaika teo aloha teo ary an'i Ghana amin'izao fotoana izao ?

Ny mahaliana, angatahin’ ny Ghana Football Association hiaraka amin'ny Black Stars foana izy, nefa mijoro tsara amin'ny heviny izy fa ny nofiny dia ny hilalao ho an'i Italia irery ihany fa tsy ho an'ny firenena niaviany mihitsy. Izany na dia misy aza Italiana maro manana olana goavana amin'ny hidirany ho ao amin'ny Azzurri.

Mitsikera ny lahatsoratr'i Abena , milaza i Mike fa tsy Ghaneana i Mario . Tsy mahatonga ny olona iray ho Ghaneana ny fananany rà Ghaneana ao anatiny :

Indraindray, mila manaiky isika fa tsy mahatonga ny olona iray ho lasa Ghaneana ny fananany rà  Ghaneana ao anatiny. Amin'ny endrika mitovitovy, tsy ekeko ny hampiasa ny teny  “Afrikana-Amerikana”  ho an'ireo taranak'olona nandevozina. Tsy vitako ihany koa ny mibaiko ny tenako hiantso ireo zanakavavin'ny mpiray tampo amiko hoe Ghaneana, na dia, SAMY Ghaneana aza ireo ray aman-dreniny. Betsaka ireo endrika mikasika ny kolotsaina Ghaneana ary tsy misy manana traikefa amin'izany akory ny iray amin'ireo vondrona ireo, amiko, ny mahatonga ahy ho Ghaneana dia ny traikefako sy ny fifandraisako amin'ny firenena .
Tsy ela akory izay dia nilalao horonantsary iray  tamin'ny Youtube  ny  hiram-pirenentsika aho ho an'ireo zanaky ny mpiray tampo amiko, ary afaka nilalao ihanyo koa ireo hira kalon'ny fahiny- tsy hain'izy ireo na tsy azoazony ny manandrana mifandray amin'ny tontolo izay tsy fantatr'izy ireo tsara . Mandà ny lova izay hitany fa tsy misy ifandraisana aminy ve i Mario ? Tsia, ary tsy hitazona alahelo aminy aho amin'izany. Mandà ny loharanom-pianakaviany ve izy ? Raha jerena hatrany amin'izy 10 taona miaraka amin'ny reniny sy ny rahalahiny – izay tena mifanohitra amin'ireo zavatra notantarainy – mihevitra aho fa mety ho izay, ary anisan'ny efa ela nitsanganany sy ireo olana tsy nampahafantarina azy tsara angamba mikasika ny fandosirana'andraikitra ( ankoatr'ireo zavatra hafa), mila mandamina ny fiainany izy noho izy efa miha-lehibe. Fa tsia, tsy Ghaneana izy .

Manaiky ny hevitr'i Mike i Sankofa . Hoy izy, “tena mihevitra mihitsy koa aho fa tsy misy zavatra tokony angatahan'ireo Ganeana aminy hatramin'ny minitra nilazany fa Italiana ny tenany “:

Manaiky ny hevitr'i Mike aho eto. Tena mihevitra mihitsy koa aho fa tsy misy zavatra tokony angatahan'ireo Ghaneana aminy hatramin'ny minitra nilazany fa Italiana ny tenany. Efa mazava tsara fa mihevitra ny tenany ho Italiana izy, ary iza moa aho no hisisika hanohitra izany ? tsy mbola nipetraka tany Ghana izy, ary mety mbola tsy nitsidika azy akory, ary tsy mahafatantra kolotsaina Ghana akory izy na iray aza. Avelao izy hiaraka amin'ireo namany Italiana izay tsy hihevitra azy mihitsy ho tena Italiana marina akory. Mampalahelo ahy izy. Indraindray dia mety hampanirery mihitsy ny fanànana mombamomba ny tena mifangaro .

Mpamaky iray hafa izay milaza tena ho  The other Mike no tsy manaiky. Tsy mampaninona izay zom-pirenena nofinidiny, manoratra i The Other Mike, tsy maintsy hisy hanontany foana izy hoe , “Avy aiza ny firenena tena niavianao ?”:

Ary azo antoka fa hahazo ny lohalaharana ao amin'ny lisitry ny Ghana-Deniers izy. Satria tsy dia mahay loatra ny baolina kitra aho, mora foana tamiko ny nanafangaro azy tamin'ireo tovolahy mivarotra ny andiana Dvd an'i Segal. Izany i Abena maahatsikaiky. Mitovy kokoa amin'i Castro fony mbola tovolahy tso-piaina koa aza izy (tamin'izy mbola nahia) .

Malalaka izy misafidy izay zom-pirenena tiany, ary mety izany. Fa ho tsapany haingana fa ao anatin'ny tontolo tena izy, hisy hanontany foana izy hoe ….” avy aiza ny firenena tena  niavianao ?”. Ny fihinànana paty aman-taonina, ny fitenenana  Italiana sns tsy hanova ny foko misy azy.

@ Mike; “indraindray mila manaiky isika …”
Indraindray? Marina ve ?
Rehefa tsy indraindray, inona ireo fotoana hafa ?

Manohana ny hevitr'i The Other Mike i Gifty :

Tena miombon-kevitra tanteraka amin'i  “the other mike” aho.. TSY MAINTSY hisy hanontany foana i Mario hoe avy aiza ny firenena tena niavianao …. r'ingahy, toy ny hoe miverin-dalana indray ianao.. amin'izao fotoana izao, MANDOA VOLA ireo afrikana amerikana hampiasa ireo DNA-ny hahitany ireo firenena tena niaviany any afrika Andrefana ary mitady ny hànana ny zom-pirenena roa (oh. Manana ny zom-pirenena roa miaraka amin'i Sierra Leone i Isaiah Washington ao amin'ny Grey's Anatomy ).. ary dia mizotra amin'ny lalan-kafa izy.. afaka manova anarana ianao .. mihinana paty aman-taonina, miteny italiana mikoriana tsara, na zavatra hafa.. mbola afrikana foana ianao.. tsaratsara kokoa ny manomboka manaiky izany ..

Mamaly ireo tsikera ireo , i Abena Serwaa no mamarana sy milaza toy izao , “…fa tsy mahavariana ve ny fomba nandraisan'i Kevin-Prince Boateng ny maha-Ghaneana azy feno tanteraka ary tena nikofoka mafy tokoa ho amin'izany raha ny fijery azy ety ivelany?” Mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena Ghaneana  teraka tany Alemana i Kevin-Prince Boateng . Nilalao tao amin'ny ekipam-pirenen'i Ghana izy nandritra ny Fiadiana ny  mboara Eran-tany FIFA 2010 raha toa kosa ny rahalahiny i Jérôme Agyenim Boateng ka nilalao ho an'i Alemana.

Nanoratra lahatsoratra mikasika an'i Mario Balotelli ihany koa ny mpitoraka bilaogy i Nana Sarpong : Ilay Tovolahy Barwuah nanjary lehilahy Balotelli. Hitany ho toy ny zazakely mikorontan-tsaina miezaka ny mahalala ny tenany i Mario :

Zazakely mikorontan-tsaina miezaka ny mahalala ny tenany no hitako raha mijery an'ity mpanao baolina kitra ity aho.
Mario miaraka amin'ny fianakaviana Balotelli
Inona no maharatsy izany, raha ny hevitro , lalana tsara ialany amin'ny adin-tsainy ve ny manalavitra ny tenany amin'ny ray aman-dreniny sy mitsoaka ny “fahamaintisany “. Mazava be, tena mila fanampiana izy. Karazana fanampiana izay tsy vitan'ireo ray aman-dreniny fotsy omena azy. Raha afa-nanao izany izy ireo — ary raha tena nandinika tsara — tokony nanasa  ny fianakaviana Barwuah tamin'ny lanonana izay nahazoan'i Mario  ny zom-pirenena Italiana ry zareo, na nampahafantatra azy ireo ny fanovana anarana. Farafaharatsiny, raha ny fahitan'i Mr. Barwuah azy, nanao ezaka lehibe tsy hamerenana  an'i Mario ny fianakaviana Balotelli satria nitarin'izy ireo ny fotoana nampiantranoana/nandraisana an-tànana azy (Tsy afaka mifampitaha amin'ny fahefana ananan'ny fianakaviana Balotelli eo anatrehan'ny lalàna  ny fianakaviana Barwuah mahantra ).

Araka ny filazan'i Nana, nilaza tamin'ny Ghana Football Association i Mario fa mbola tsy nahare mikasika io firenena io mihitsy !:

Mangataka an'i Mario hilalao ho an'i Ghana ny Ghana Football Association (GFA), amin'ny lafiny iray. Nandà ny GFA ny tovolahy sady nanaratsy namoaka fa tsy mbola naheno mikasika ilay firenena mihitsy izy na dia efa iray klioba tamin'ilay mpilalao baolina kitra afovoan'ny kianjan'i Ghana, i Sulley Muntari aza izy. Ny tao an-dohako tamin'izany fotoana izany dia hoe mpilalao manan-talenta i Mario, fa tsy mila manaotao foana hoatr'izany i Ghana. Mazava be fa mety manana ny lafiny azy irery momba ny tantara ihany koa izy– araka ny teniny hoe nandao azy tany amin'ny hopitaly ny ray aman-dreniny– nefa mila mitombo saina kokoa noho izany i Mario .

Namarana ny lahatsorany izy nanao hoe tantara tsotra ny an'i Mario “…angano mampalahelon'ireo fianakaviana Afrikana mahantra maro monina any Eoropa, Amerika na any Ghana aza “:

Saingy angano iray mampalahelon'ireo fianakaviana Afrikana mipetraka any Eoropa, Amerika, na any Ghana aza izany. Hadisoana lehibe nataon'ny fianakaivana Barwuah izany, ary hita tsara fa te-hampiaina azy ireo miaraka amin'izany mandrakizay ity zanany ity (izay maneho fa tsy isan'izy ireo izy) !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.