Japana: Ireo ainga vaon'ny Tranonkala tao amin'ny WISH 2010

Natao tamin'ny faha 28 Aogositra teo ny andiany faharoa amin'ny hetsiky ny indostrian'ny Tranonkala [ja].

Hevitra avy amin'i Motohiko Tokuriki [ja] ao amin'ny Agile Media Network‘, ity hetsika ity dia niainga avy amin'ny fifanakalozan-kevitra nafana tamin'ny taon-dasa mikasika ny hoe ahoana no fomba hitarafana ny tranonkala Japoney. Ny Global Voices dia nandrakotra ilay fifanakalozan-kevitra tanaty andian-tatitra mizara telo izay nanangonana ireo valinteny mikasika ilay fanontaniana hoe, ” Mandiso fanantenana ve ny tranonkala Japoney?”. Ny lanonam-panokafana ny WISH 2009 dia nahasarika olona efajato nandritry ny andro sy alina iray ary ny tenifototry ny hetsika #wish09 dia nanjary lohahevitra iray naraham-pironana tao amin'ny Twitter. ( vakio ny tatitry ny Techcrunch report [Ang])

Tamin'ity taona ity, olona an-jatony maro  no nifamotoana tao amin'ny Roppongi mba hanatrika ny hetsika tapak'andro, raha an'arivony kosa no nanaraka akaiky ny famelabelarana tao amin'ny  UStream sy ny NicoNico Douga.

Avy amin'ny tranonkalan'ny mpikarakara:

昨今、「ガラパゴス」という言葉の流行にも見られるように、一般に日本の製品やサービスは国内だけの市場に最適化され、グローバルに展開しにくくなっていると言われています。 ただ、実際には、個人やベンチャーから大企業まで、世界を狙える新しいサービスやガジェットが生まれ続けてはいるものの、なかなかその実態を利用者に知られる機会がなく、利用者を増やすのに苦労しているのが実情です。

「WISH 2010」では、ウェブ関連の 「サービス」や「端末」を開発されている様々な企業・個人の皆様に、多数のメディアやブロガー、ツイッターユーザーに対し てサービスや端末をアピールするプレゼンテーションの機会を提供することにより、まだ知名度が低いけれども可能性のあるサービスや端 末が飛躍するきっかけとなることを目指しています。

Ny fipariahan'ny teny hoe  “Galápagos” tato ho ato dia mampiseho fa, voalaza ho nampiroboroboana fotsiny ho an'ny tsena Japoney ireo vokatra sy tolotra Japoney, izay mahatonga azy ho sahirana manakatra ny sehatra iraisam-pirenena. Raha ny marina anefa amin'izao fotoana izao, tolotra sy kojakoja maro manana izany fahafahana izany no vokarin'ireo sampan'asa samy manana ny habeny; an'olon-tsotra, vondron'orinasa mpampiasa vola sy orinasa goavana. Na izany aza, kely ny vintana hahafantarantsika ny tranga toy ity, ary miatrika ny fiakaran'ny mpampiasa azy ireo avy any amin'ny fototra ireo orinasa.

WISH 2010 dia manome sehatra ireo olon-tsotra sy vondron'orinasa mpamokatra fitaovana sy tolotra anaty tranonkala ho afa-manone tànana ny gazety, ny mpitoraka bilaogy ary ny mpampiasa Twitter. Manana ny fahaiza-manao izy ireny saingy tsy taza-mitsinjo, ary ny tanjon'ny hetsika dia ny hanampy azy ireo hikopak'elatra.

Mitohy ireo ady amin'ny fanokana-monina ary iray amin'izay mety ho fisehony ny toerana lalim-pàka noraisin'ny soritr'aretin'ny Galápagos eo amin'ny teny fampiasantsika/vokabolarintsika, tahaka izay voalaza ery ambony amin'ny teny fampidirana ny WISH 2010. Ny soritr'aretin'ny Galápagos dia filàza iray, tena fanambanian-tena, izay noforonina ho enti-mamaritra ny fivoaran'ireo finday Japoney mivoatra araka izay tiany ihany, tsy mifandraika sy tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny tontolo ivelany. Nitàrina fotsiny ilay fomba fijery mba hanazavàna ny fandrosoana mandeha làlan-tokana any anatin'ireo orinasa sasany sy hanaovana safobe mantsina ny famaritana  toe-panahy misalobona.

WISH 2010 dia natomboka  tamina fifanakalozan-dresaka iray [ja] teo amin'i  Yoshikazu Tanaka (mpanangana sady CEO ao amin'ny Gree), Akinori Harada (COO avy amin'ny Mixi) ary Hiroki Eda (mpandrindra ao amin'ny Digital Garage sady mpandrindra ny tetikasa ho fampivoarana ny tsenan'ny Twitter ao Japana) tamin'ny lohahevitra hoe  “ahoana no tokony hataon'ny tranonkala Japoney mba hipariahany kokoa manerantany “.

Tokony hanomboka hikendry ny fihainoan'izao tontolo izao ve ny kaompania, sa hifantoka voalohany indrindra amin'ny fakàna ny tsena anatiny? Nahaliana manokana tokoa ity resaka ity noho i Mixi narisika tamin'ny ezaka ivelany nataon-dry zareo. Noresahana ihany koa ny fiaingàn'ny kolontsaina Japoney sy ny olana amin'ny fahazoana fanohanana ara-bola. Navoitran'i Harada ny zava-misy dia ny hoe maro tamin'ireo maty namono tena tany Japana no ireo tompona fandraharahana madinika; ireo tompona fandraharahana Japoney dia tena mivarotra ara-bakiteny ny ain'izy ireo tokoa mba hampandehanana ny kaompanian-dry zareo.

@shinyai:

原田:腹をくくれというサムライ精神で起業させるという考えではダメ。リスクをとらないというのもどうかと思うが、大企業に入れるような人間が、起業に目を向けるような環境が必要。 #wish10

Harada: “Mazava loatra fa misy singa vitsivitsy idiran'ny fahasahiana ao [Avy amin'ny mpandika: hoy ny Malagasy hoe “izay sahy maty no mifono lambamena”] , saingy tsy azo ekena ny fidirana amin'ny toe-tsaina samurai  hoe ‘manao-na-maty’  amin'ny sehatry ny fandraharahana. Mila tontolo iray isika izay ahafahan'ny olona miditra malalaka amina vondron'orinasa midadasika mieritreritra hanangana ny kaompanian-dry zareo azy manokana.”

Nampivarahontsana ny mpihaino i Tanaka tamin'ny fitanisàny ireo olana ara-bola maro atrehana any am-boalohany, raha toa kosa  izy sy Harada  samy nandrisika ny ainga vao ho mafimafy kokoa sy hivelatra ara-toe-tsaina amin'ny lafiny fanangonam-bola.

@kakuit:

徳力「サービスが流行るのと,お金が入ってるタイミングにはズレがある。GREEが流行り始めた時期はAdsenceで?」田中「全然。GREEにはクレカのキャッシングで凌いでいた時期がある。楽天のボーナスで返済。」 #WISH2010 #WISH10

Tokuriki: ” Misy hady goavana eo anelanelan'ny fotoana hampahalaza ny tolotra iray sy ny hampanjary vola azy io. Nampiasa ny vola azo avy amin'ny Adsense ve ianao mba hamatsiana ny GREE tany ampiaingàna?”
Tanaka: ” Tsia dia tsia. Vola avy amin'ny karatra fampiasa amin'ny bankiko no nampiasaiko tamin'ny fotoana handoavana ny saran'ny lohamilina ary naveriko rehefa nandray ny tambin-karama fandraiko rehefa lohataona tao amin'ny Rakuten [toerana izay niasako tamin'izany fotoana].”

@toshi_t:

原田「24時間没頭できると思ったら、まず資金調達するべきです。資金調達で3年没頭できるということを想像してみて欲しい。」 #wish10

Harada: ” Raha mahita zavatra tianao handaniana ny herinao mandritra ny 24 ora isan'andro ianao, ‘ndeha izatsy izy manangona vola. Saino ity – afaka hahita famatsiam-bola sahaza anao mandritry ny telo taona ianao [tsy ilàna famakiana loha amin'izay resa-bola].”

Nanaraka avy eo ny fampirantiana efatra ambinifolo sy ny fampisehoana/fampideràna. Mitodiha any amin'ny  Asiajin na Techcrunch mba hamaky lisitra iray fenon'ireo tolotra.

Ny mpandresy dia ny  “e-book” – boky vakiana anaty aterineto mamoaka ny sehatra Puboo nataon'ny paperboy & co.. Sahala amin'ny hoe fiitaran'ny Booklog,  vondrom-piarahamonin'ny tranokalam-bokin-dry zareo, Puboo dia ahafahan'ny tsirairay manoratra sy mamoaka boky anaty aterineto. Ny anaran-dry zareo dia nalaina avy amin'ny hoe “publish” sy feon-jaza iray, na zavatra izay vaovao, vao teraka.

Mainichi Shimbun's @norimineshigeto, iray amin'ireo mpitsara,  nandefa bitsika (ni-tweet):

#wish10 「ブクログのパブ-」は現代のガリ版だと思う。誰もが簡単に自分の表現を形にでき、発表の場がある。そこで人と本が出会い、人と人が出会い、人が世界とつながり、新しいものが生まれる。戦後ガリ版刷りの同人誌などによって多くの優れた文化が生まれたのと同じことが今後起こると思う

Izaho mihevitra fa i  Paboo dia toy ny rakitra an-tsoratra (polycopié) iray anaty vanim-potoana iray. Ny tsirairay dia afaka manome endrika ny nofinofiny ary manana toerana iray hamoahana azy. Vantany vao navoaka ho anatin'ny natiora, dia zava-baovao no teraka satria iny dia mampifandray olona sy boky maro, ny olona samy olona, ary ny olona sy ny tontolo. Izaho mihevitra fa hahita fiovàna iray manaraka làlana mitovy amin'izay isika ary maro amin'ireo kolontsaina miavaka no hiainga avy amin'ireo raki-tsoratra sy doujinshi (asa navoaky ny tompony ihany, indrindra fa avy amin'ny tsy matihanina) aorian'ny WWII.

Seho an-tsehatra iray [ja] nataon'ilay mpihira Kohmi Hirose, iray amin'ireo olo-malaza isan'ny voalohany nampiasa Twitter tao Japana, no nanaraka ireo fampahafantarana. Ilay mpandrindra, Hiromi Okuda manazava [ja] fa mihevitra ny hampivoatra ny sehatra fampiroboroboana ny famoahan-kira ry zareo ary ity hetsika ity no andrana itondràna miaraka anaty efitrano iray an'i Hirose sy ireo injeniera, izay manana ny fahaiza-manao hanangana ilay sehatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.