Sina: fanatsaràna ny GFW

Ny  tatitra avy amin'ireo loharano samihafa dia niteny fa voasakana  any Sina nanomboka tamin'ny Zoma (27 Aogositra) ny Freegate, iray amin'ireo fitaovana malaza fandinganana ny sakana .

Rehefa mandefa ilay rindrambaiko ireo mpampiasa izany, dia misy hafatra fampitandremana miseho: Diso, tsy maintsy hajanona ny rindrambaiko. Azafady, raiso ny fialantsininay. Ity eo ambany ity ny sary nalaina tao amin'ilay sehatra fiadian-kevitra malalaka ao amin'ny aterineto:

freegate

Araka ny tatitry ny RFA, ireo mpampiasa izany avy any amin'ny faritra maro manerana ny nosy no nisedra olana tahaka izany ary mino izy ireo fa noho ny fanatsarana ny Great Fire Wall izany. Afa-tsy ny Freegate, rehefa mandefa ny UltraSurf sy ny FreeU dia miseho io hafatra milaza fahadisoana io.

Na dia izany aza, ireo mpampiasa solosaina efa kinga dia nahita haingana ny fomba hamahana izany olana izany tamin'ny fomba tsotra : Aza raharahiana ilay hafatra mandrapaha hitan'ilay rindrambaiko ny atidoha-milina misy azy. Sokafy ny fitetiala (browser) ary ataovy ho 127.0.0.1 sy “port” 8580 ny proxy.

Mba hamahana ny olana, ny Freegate dia namoaka ny endrika andrana farany  (7.03) tamin'ny Sabotsy (28 Aogositra):
http://dongtaiwang.com/loc/beta/fg703xb2.exe
http://dongtaiwang.com/loc/beta/fg703xb2.zip

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.