Japana: Ny hafatra farany napetraky ny mpandrindra Sarimihetsika Japoney Satoshi Kon

Nodimandry noho ny homamiadan'ny sarakaty tamin'ny 24 Aogositra teo ny mpandrindra Sarimihetsika Japoney Satoshi Kon, ary very mpamorona mahay maminavina ny hoavy iray izao tontolo izao. 46 taona izy io nindaosin'ny fahafatesana io. Araka ny tweet-n'i jbetteridge:

Tsy hoe hiova ny sarimihetsika japoney noho ny fahalasanan'i Satoshi Kon. Ankehitriny dia mety hitovy avokoa ny sarimihetsika japoney.

Namoaka ny teniny farany tamin'ny vohikalany ny 25 teo ny vadin'i Kon, Sayonara (Veloma)” . Lahatsoratra lava izay manomboka amin'ny nilazana tamin'izy mivady tamin'ny volana May fa manana enimbolana hiainana i Kon, sy ireo fitantarana ny fanapaha-keviny hiatrika izany anjarany izany ao an-tranony, ny zava-niainany teo ambavahoanam-pahafatesana, ny fitiavana sy ny fanohanan'ny vadiny, ireo mpiara-miasa sy ireo namana, sy ny sarimihetsikany iray tsy vita Yume Miru Kikai (Ilay Milin'ny Nofy).

Ny mpanoratra Makiko Itoh nandika ity lahatsoratra rehetra ity tao amin'ny blaoginy no nilaza:

Satoshi Kon, ny mpandrindra ireo sarimihetsika japoney Perfect Blue, Tokyo Godfathers, Millenium Actress ary Paprika, sy ny sarimihetsika amin'ny TV mitohy Paranoia Agent, dia nodimandry tamin'ny Talata 24 Aogositra teo amin'ny faha 46 taonany. (NY Times obituary.) Namela dosie lava nefa miavaka izy, izay navoakan'ny fianakaviany taorian'ny nahafatesany.

Ireto no teny faran'ny artista tena mahay izay nahafantatra fa ho faty aloha loatra izy, niaraka tamina asa tsy vita. Lasa resaka tany amin'ny aterineto japoney izany, ary tena nikapoka ahy mafy.

Ireto misy famintinana vitsy:

“Maninona raha tsy miezaka manohy ny fiainako amin'ny fepetrako manokana!” Na dia izany aza, tahaka ny zava-misy rehefa miezaka mamorona asa [sarimihetsika] aho, ny olon-tokana tsy mahavita ny asa. Ny aretina mihamivoatra isan'andro.

Rehefa mieritreritra ny tarehinareo aho, fahatsiarovana tsara ihany no ananako ary tadidiko ireo tsiky mahafinaritra (anareo). Ianareo rehetra, misaotra anareo aho tamin'ireo fahatsiarovana tena tsara rehetra. Tiako ny tany niainako. Ny fieritreretana izany ihany dia efa mahafaly ahy.

Amin'ny foko feno fitiavana ho an'ireo olona tsara fanahy rehetra eran-tany, apetrako ny peniko. Amin'izao mialatsiny aho, tsy maintsy mandeha aho.

Nitweet i Itoh fa misy ihany koa ny dikateny amin'ny teny Alemana . Namoaka ireo naoty amin'ny teny hafa sy amin'ny kolon-tsaina hafa mikasika ireo teny faran'i Satoshi Kon ihany koa izy.

Ny hafatra faran'i Satoshi Kon dia nivezivezy tany amin'ny tontolon'ny Twitter satria dia nanako tany amin'ireo mpankafy marobe ny hafany. @SAKAI_Kenzi:

先日亡くなった今 敏監督、余命宣告を受けていたんですね。オフィシャルサイトKON'S TONEの、長い長い最後の投稿を読んで、自分の死に冷静に向き合う姿勢に目頭が熱くなった。「死ぬための準備」僕にはできそうにない。http://bit.ly/asvCKo

Tsy takatry ny eritreritro hoe efa fantatry ny mpandrindra Satoshi Kon fa voaisa ny androny. Namaky ny hafany lava, tena lava, farany tao amin'ny vohikala ofisialiny, KON's TONE. Nampitomany ahy ny fahavononany hiatrika ny fahafatesany . Miomana ho faty… Tsy mihevitra hahavita izany aho.

@KatsumiKuga:

再度、今敏監督の最後の日記を読む。 死にゆく者の達観にも圧倒されるが、監督を取り巻く群像の描写と、それにより今敏の死というシーンが鮮やかに立ち上がってくることに改めて衝撃を受ける。最後の最後まで表現者だったのだな。遠く及ばずながら、願わくは俺もそのように生き、死にたい。

Namerina namaky ny hafatra faran'i Satoshi Kon indray aho. Toa mahatalanjona ny filozofian'ny olona ho faty, kanefa izany no fomba famoronan-kevitra izay tamin'ny “fahalasan'i Satoshi Kon” araka ny fomba nandrafetany ny sehatra izay mampisy fiovana ato amiko. Tena mpamorona tokoa izy hatramin'ny farany. Ny hany azoko atao dia ny manantena ny hiaina sy ho faty tahaka azy.

@dienojibigboss, mampitaha ny iray amin'ireo tweets-n'i @konsatoshi:

故今敏監督は亡くなる一週間前にツイッターで「でも、やるんだよ」とつぶやいていた。涙がとまらんよ。俺も絶対頑張ろう。どんなツラいことがあっても 「でも、やるんだよ」

Herinandro talohan'ny nahalasanan'i Satoshi Kon, nitweet izy hoe “na izany aza, ataovy”. Tsy mety mijanona ny ranomasoko. Mianiana aho, hanao izay tratry ny heriko ihany koa aho. Na ho sarotra aza izany…. “na izany aza, ataovy”.

Iray amin'ireo asa tena malaza nataon'i Kon ny Paprika, sarimihetsika izay hifangaroan'ny nofy sy ny zava-misy, nivoaka tamin'ny 2006. Manome jery maimaika ireo sarimihetsika nataon'i Kon i James Leung:

Rehefa nivoaka ny Paprika, dia nahatratra ny farafahalaviran'ny fahefany ho lasa mpandrindra sy mpampihetsika i Kon. Nanomboka nampiasa ny fitantarany tsy mizotra tokana tahaka ny kankana mba hirotsahany amin'ireo fitantarana saro-takarina sy sarotra. Noho izany, ny fahalasanany dia toa mbola vao maika fahaverezana be eo amin'ny indostrian'ny sarimihetsika japoney. Tsy voaeritreritro akory ireo zavatra maro nety mbola vitany. […] Ny fiainan'i Satoshi Kon dia afaka atambatra amin'ny fitanisana malaza ny Paprika, ny mpamorona Tokita dia nanamarika, “Moa tsy mahafinaritra ve izany? Ny fahaizana mijery ny nofin'ny namana dia tahaka ny mijery ny nofinao manokana. Mba hizara nofy mitovy.” Misaotra anao nizara ireo nofinao taminay . Alahelo anao izahay ry Satoshi Kon.

Nijery ny Paprika nandritra ny faran'ny herinandro i @susan0smith1985:

「パプリカ」鑑賞終了。ほんとにすごい作品。今敏監督の作品て意識的に理解するというより、無意識の領域で「わかる」ようなかんじ。現実と虚構が入り交じる現代社会、情報の波に踊らされてしまうのは至極当然。でもたまには立ち止まって「大事なモノってなんだっけ?」自分に問いかけるのもまた一興か

Vao avy nijery ny “Paprika” aho. Tena sarimihetsika mahatalanjona. Mihevitra aho fa ireo sarimihetsikan'ny mpandrindra Satoshi Kon dia mikasika ny fahazoana tsy nahy ny zavatra tsy voamarika, raha tokony handinika ny zavatra miseho. Any amina fiaraha-monina miara-belona izay mifangaro ny zava-misy sy ny zavatra foronina, dia mahazatra raha lasa very any anaty ranomasina izay rotsirotsian'ny onjan'ny fahalalana. Indraindray, ilaina ny mijanona kely ary manontany ny tenanao, “Inona no tena manan-danja kokoa?”.

Ohagi ao amin'ny Anipression, vondrom-blaogin'ireo mpitoraka blaogy mikasika ny sarimihetsika japoney, mahatsiaro ny fotoana voalohany nahitany sarimihetsik'i Kon ary manao veloma.

「PERFECT BLUE」は当時衝撃を受けました。今でも見終えた後の放心感は覚えています。。当時(1998年)色々なアニメを見ているうちに「アニメーションの表現には大きな可能性があるのではないか」なんて考えていました。そんな時に緻密な描写とその描写・表現の革新性や演出力を見せつけた本作はまさに「新しいアニメーションの可能性」を感じさせてくれた作品でした。この人の動向はチェックしなければいけない。そんな事を感じさせてくれました

Ny fijerevana ny “PERFECT BLUE” no tahaka ny nanokatra ny masoko. Mbola tsaroako toa fanimpanina aho avy nijery ilay sarimihetsika. Tamin'izany fotoana izany (1998), nijery sarimihetsika japoney betsaka aho ary nihevitra fa maro ny fahafahana hahatonga ny sarimihetsika japoney ho mpanelanelana amin'ny fitenenana. Ary ny famolavolana ny antsipiriany sy ny hatsaran'ny tantara antsary izay tena mahery tao amin'ilay sarimihetsika dia tena ilay notadiaviko amin'ny fiteny hoe “ny mety hisian'ny sarimihetsika japoney vaovao”. Tadidiko fa tokony hanarangarana an'iny mpandrindra iny aho.
Satoshi Kon by Aaron Webb

Sarin'i Satoshi Kon tamin'ny 2007 avy amin'ilay mpampiasa Flickr Aaron Webb, CC by NC SA

殆どのアニメ映画が原作有りの作品、もしくはTVアニメで人気が出た作品の映画化が多い中、ここ10年間で自らのオリジナリティを頼りにアニメ映画を作り続けた今敏監督。まさにナンバーワンならぬオンリーワンの方ではないでしょうか。だからこそ、平沢進氏や多くの素晴らしいアニメーター達が作品作りに参加され、驚異的なクオリティで作品を発表し続けることができたと思うのです。だからこそ、死によって彼が目指したアニメーション表現における先進的・野心的な方向性が消えて無くなると思うと、惜しいのです。

しかしそれだけ惜しまれるほど、今まで素晴らしい作品を送り続けたともいえると思います。だからまず我々ができるのは、面白いアニメを見たいと思っている友人に彼の作品を薦める事ではないでしょうか。こうした今敏氏が遺してくれたものをより広めていくこと。そして、今 敏監督のメッセージを感じることではないかと思うのです。

Raha matetika no mifototra amin'ny boky na ny nakana hevitra avy amin'ny tantara mitohy amin'ny TV ny sarimihetsika, i Satoshi Kon kosa dia namorona ny sarimihetsika izay mifototra amin'ny fahaizan'ny tsirairay nandritra ny folo taona lasa. Tsy vitan'ny hoe “voalohany” fotsiny ihany izy, fa “izy irery ihany”. Mihevitra aho fa izany no nisarika ny manan-talenta [mpitendry zava-maneno] tahaka an'i Susumu Hirasawa sy ireo mpampihetsika mahafinaritra hafa, sy mitondra ny fivoahan'ireo asany mifanarakaraka sy amin'ny kalitao tena raitra. Ny fahaverezan'ny fandrosoana, ny fandrindrana mitondra fiovana izay novinavinan'i Kon ho an'ny sarimihetsika japoney dia tena mampalahelo ahy.

Mety ho mariky ny fahatsaran'ny asany izany, ho an'ny tany mba halahelo izany fahaverezana izany. Ny zavatra iray azontsika atao dia ny manoro hevitra ny namantsika izay te hijery sarimihetsika japoney fa mahaliana ireo asan'i Kon. Ampitapitao ny teny navelan'i Satoshi Kon ho antsika. Ary farany kanefa zavatra manan-danja, tsarovy ny hafany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.