Toro-lalana efatra mikasika ny Advocacy hita amin'ny teny Albaney

Faly izahay mampahafantatra ny fandikan-tenin'ireo toro-lalana efatra mikasika ny Global Voices Mpisolo vava amin'ny teny Albaniana. Niaraka tamin'ny fanampian'ny Metamorphosis Foundation, SEO Tips for Advocacy Bloggers, Geo-bombing: YouTube + Google Earth, Cross-posting for Advocacy, sy ny Blog for a Cause! dia efa afaka sintonina ao amin'ny aterineto.

Blog for a Cause!

Blog for a CauseBlog for a Cause!: dia manazava ny fomba ahafahan'reo mpitoraka blaogy mampiasa ireo blaogy ho isan'ireo fanentanana enti-manohitra ny tsy fahamarinana eran-tany. Ny fitorahana blaogy dia afaka manampy ireo mazoto an-tserasera amin'ny fomba maro. Fomba haingana sy mitsitsy hamoronana fisiana ao amin'ny aterineto, mba hanapariahana vaovao mikasikana tranga iray, sy hikarakarana fihetsiketsehina ho an'ireo mpanapa-kevitra any amin'ireo efitrano fiandrasana.

Shkarko “Blogo për një kauzë!

Geo-bombing: YouTube + Google Earth

GeobombingGeo-bombing dia iray amin'ireo teknika afaka ampiasaina mba hahazoana mampiely bebe kokoa ireo horonantsary fanentanana ao amin'ny YouTube avy amin'ireo rindram-baiko fanehoana saritany ao amin'ny Google tahaka ny Google Maps sy ny Google Earth. Ankehitriny ianao dia afaka mijery ireo horonantsarinao voamarika amin'ny saritany ao anatin'ny Google Earth sy ny Google Maps. Hipoitra avokoa ireo horonantsary voamarika ao amin'ny saritanin'ny YouTube.

Shkarko “Gjeobombardimi: YouTube + Google Earth

Cross-posting ho an'ny Advocacy

Cross-postingIty toro-lalana ity dia manome antsika fampidirana fohifohy ny amin'ny fampiasana ny cross-posting ho an'ny fanentanana fisoloana vava amin'ny aterineto. Mandinika ireo fitaovana 2.0 samy hafa ao amin'ny aterineto izy, mampiseho ireo ohatra tafita izay nampiasaina ny cross-posting ho an'ny fisoloana vava. Ahitana ireo vokatsoa sy voka-dratsin'ny teknikan'ny cross-posting ihany koa ity toro-lalana ity.

Shkarko “Publikimi i kryqëzuar për përfaqësim

SEO Tips ho an'ireo mpitoraka blaogin'ny Advocacy

seoNy tanjon'ny SEO Tips ho an'ireo mpitoraka blaogy ao amin'ny Advocacy dia ny ampahafantatra ny fanatsarana ny fitaovana fikarohana, ny lanjany sy ny fahafahan'ireo mpitoraka blaogy mampiasa azy mba hampitombo ny fivezivezeny sy famakiana azy ary handresy lahatra ny hevitr'ireo mpikaroka. Nosoratana tamin'ny fomba tena tsotra izany noho izany na ireo olona tsy teknisiana aza dia afaka mahita izany ho mora arahina sy hahazo tombo-tsoa avy amin'izany.

Shkarko “SEO këshilla për bllogerë për përfaqësim

Iangaviana ianao hisintona ireo toro-lalana ireo ao amin'ny aterineto ary hanampy anay handika izany amin'ny teninao.

Raha mila fanazavana lalindalina kokoa dia iangaviana ianao hampilaza ny Lehiben'ny Global Voices Advocacy Sami Ben Gharbia ao amin'ny advocacy [ at ] globalvoicesonline [ dot ] org.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.