Kolombia: fankalazana faha-53n’ ny fetin'ny voninkazo any Medellín

Notontosaina ny 25 Jolay hatramin'ny 28 Aogositra ny fankalazana faha-53n’ ny fetin'ny voninkazo any Medellín, Kolombia. Naharitra kokoa ny lanonana tamin'ity taona ity, naharitra 15 andro izany, ary nahitana fampisehoana maro kokoa. Afaka jerena ao amin'ny pejy ofisialin'ny lanonana ny fandaharam-potoana feno amin'ireo fampisehoana ireo. Fanampin'izany, nahitana fiakarana ihany koa ny isan'ireo olona izay nanatrika ireo lanonana maro samihafa, fampisehoana 150, fampianaran-kira 18, ary ny tena fotoan-dehibe, ny filatroan'ny Silleteros ( ireo mpitaona voninkazo ).

silleteros

"Sigue el caminar de los silleteros" avy amin'i Rubí Flórez ary nampiasaina avy amin'ny fahazoan-dalana NoDerivs 2.0 Generic license.

Fikambanan'ny tantsaha avy amin'ny fiaraha-monina Santa Elena mipetraka amin'ny toerana adin'iray miala ao Medellín ny silleteros, olona izay mibaby kesika 500 isa miaraka amin'ireo voninkazo izay avy nalainy tany amin'ny faritra. Tamin'ity fotoana ity, varotra fampisehoana nokarakaraina tamin'ny fomba avo lenta ny lanonana ary nivelatra izany hatramin'ny nisian'ny fety voalohany tamin'ny 1 May 1957. Nanome fanampim-panazavana misimisy kokoa ny vondrona Facebook “Flower Festival 2010 [es]” mikasika ny fandehan'ny lanonana notontosain'ny mponina malaza Arturo Uribe , izay anisan'ny mpanolo-tsaina ao amin'ny Ministeran'ny Fizahan-tany sy ny Fanapariahana izany . Araka ny hevitry ny vondrona Facebook, ny lanonana voalohany :

duró cinco días y fue algo incipiente porque careció del brillo de la actual. Sin embargo, con casetas en varios sitios de la ciudad y con fiestas privadas en los clubes sociales, los antioqueños disfrutaron de la magia de las flores.

[dia] naharitra 5 andro no nisongadina fa tsy ampy famirapiratana ny (fety) tamin'ity. Na izany aza, nankafy ny hakanto-maninton'ny voninkazo ny mponina ao Antioquia nitsidika ireo trano namboarina amin'ny toerana maro samihafa manerana ny tanàna sy ireo fety manokana nokarakarain'ny fikambanana ar-tsosialy samihafa .

Manamarika ny fandraisany anjara mavitrika [es] amin'ny filaharambe sy ireo hazo voaravaka karazam-bonikazo maro samihafa ny pejy ofisialin'ny Silleteros .

Nuevamente los 500 silleteros y silleteras del Corregimiento de Santa Elena entre niños, jóvenes, adultos y pioneros, tenemos el gusto de invitarlos este próximo 08 de Agosto, a partir de las 2:30 p.m. a disfrutar de la 53º Versión del histórico Desfile de Silleteros 2010. (…), enseñaremos que en nuestra comunidad silletera en medio de flores se puede construir espacios en donde la tolerancia, convivencia, equidad de genero, unión familiar, nos hace ser una de las mejores representaciones de la cultura colombiana.

Averina indray, faly manasa anao ny silleteros 500 isa avy amin'ny fokonolon'i Santa Elena, ahitana ankizy, tanora, olon-dehibe ary ireo mpamaky lay, hanatrika ny faha-53 amin'ny matso manan-tantara Silletero 2010 ny 8 Aogositra manomboka amin'ny 2:30 tolakandro . (…) Hasehonay amin'ny alalan'ny voninkazo fa manangana fiarahamonina ahitana fa ny fandeferana, ny fiaraha-miaina, ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy ary ny fivondronan'ny fianakaviana ny Silletero izay mametraka anay ho ohatra tsara indrindra amin'ny kolontsaina Kolombiana.

Izany no fomba nisehon'ny Andron'ny Voninkazo tamin'ity taona ity miaraka amin'ny fanatrehan'ireo mponina eo an-toerana sy ireo mpitsidika, ary izay noresahana tao amin'ny haino aman-jery sosialy sy ireo bilaogy. Manasa ireo mpamakiny i Xady ao amin'ny bilaogy Expresate [es] hanandrana ny hafaliana avy amin'ireo hetsiky ny lanonana :

La feria de las flores nos trae muchos eventos significativos para toda la comunidad y el pueblo Medellinense con sus respectivos turistas. Debo destacar los espectaculares eventos musicales que se llevan a cabo de la feria de las flores, desde las presentaciones de las bandas músico marciales, tablados artísticos de Latin jazz, festival de bandas en la terminal del sur y artistas representativos de nuestro país como Grupo Galé, Jorge Celedón, Grupo Niche, Andrés cepeda entre otros.

Mitondra hetsika maro ho an'ny fiaraha-monina iray manontolo sy ho an'ny tanànan'i Medellín noho ny fahatoganvan'ireo mpizaha tany ao aminy ny Fetin'ny Voninkazo. Tsindriako etoana fa atao mandritra ny Fetin'ny voninkazo ny fetin'ny mozika, izay ahitana ny vondron'ny marshall music , ny sehatry ny Jazz Latina , ny fetin'ireo vondrona avy amin'ny fijanonana faran'ny (fiara fitateram-bahoaka) any Atsimo, ary ireo solon-tenan'ny mpanakanto toa an’ i Grupo Galé, Jorge Celedón, Grupo Niche, Andrés Cepeda ary ny maro hafa .
flowers

Silleta (detalle) avy amin'i Rubí Flórez ary nampiasaina miaraka amin'ny fahazoan-dalana Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic license.

Manome fomba fijery hafa mikasika ny lanonana , i Tomáz Garzía ao amin'ny bilaoginy Mundo Desgrafiado [es] izay anoratany hoe , “tsy hitako izay fomba hiresahana mikasika ireo mponina namako ” sy mikasika ireo mponina izay nandray anjara :

Por esta época se disfrazan de paramilitares y saltan a la calle de poncho y sombrero, prendas que los campesinos ya evitan para no desentonar con las tendencias de la moda.

Nanodidina io fotoana io, niakanjo toy ny miaramila izy ireo ary nitsambikina namakivaky ireo lalana sady manao ponchos sy sombrero (satroka ), fitafy izay ialan'ireo tantsaha mba tsy hanohitra ny fironan'ny lamaody .

Misy hetsika maro samihafa ankoatra ny filatroan'ireo mpitaona voninkazo izay nanintona ireo mpitsidika tany Medellín, toy ny hazakaza-tsoavaly rodobe. Nahazo sary avy amin'i Daniela Zapata, izay nahazo sarin'ankizivavy nianjera teo ambony soavaly ny kaonty Twitter-ny gazety El Colombiano (@tips9333) ary naseho ao amin'ny Twitpic ilay sary. Iray amin'ireo hetsika ireo ny filatroan'ny fiara tranainy . Manohatra ny tamin'ny 15 taona lasa fa anisan'ny nandray anjara amin'ny Fetin'ny Voninkazo foana io fampisehoana io i Richard Klaus ao amin'ny bilaogy Orgullo Paisa [es] :

Este emblemático desfile cumple 15 años de realizarse y año tras año lo hace con mucho más éxito, durante el recorrido podremos deleitar nuestra vista viendo los hermosos y vistosos carros que paseaban nuestra calles paisas hace mucho tiempo y que ahora nos acompañan en tan magno evento.

In-15 taona niodina izao ity filaharambe manan-tantara ity, ary mihamahazo vahana tsikelikely izany isan-taona, noho ny famakivakiana ireo lalana ahitantsika ireo fiara tsara sy feno loko nandalo tamin'ny lalantsika nandritra ny fotoana ela ary anisan'ny mandray anjara amin'ity fotoan-dehibe tsara ity .

Manoratra ny mpitoraka bilaogy Jaime Horacio Arango ao amin'ny DiabloG [es] mikasika ny “fanapahan-kevitra ara-politika” izay noraisina mikasika ny fampitana ny lanonana amin'ny haino aman-jery , izay mifandray amin'ny adihevitra nisy teo amin’ ireo fantsom-baovaon'ny fahitalavitra Teleantioquia sy ny Telemedellín. Tamin'ity taona ity , tsy nahazo alalana hampita ny fotoan-dehibe manan-danja, ny filatroan'ny Silleteros, ny Teleantioquia , na dia nampita ny lanonana nandritry ny 23 taona aza ny Telemedellín. Niteraka tsikera ratsy izay nilamina ihany tamin'ny farany izany, raha ny hevitr'i the Antioquia Governor, Luis Alfredo Ramos, izay nangataka ny Teleantioquia hanaraka ny fitantanan'ny Ben'ny Tanàna , izay niaro ny heviny fa marika voasoratra izany ary fandaharan'ny Telemedellín, fa mety hamorain'izy ireo kosa ny marika ho an'ireo izay te hampita izany amin'ny ‘canal’ isam-paritra na iraisam-pirenena. Fehiny, mifandray amin’ ny Telemedellín ny Teleantioquia , ary afaka jeren'ny vaohaka maro amin'ny alalan'ireo ‘canal’-n'ny fahitalavitra isam-paritra ny filatroana .

Na dia eo aza ity famadihana ho politika ny resaka ity, manintona olona mihamaro hatrany isan-taona ny Fetin'ny Voninkazo any Medellín. Manetsika ny toe-karena ary manova ny tanàna ho toerana izay ahafahan'ny tsirairay miaina ny fomba amam-panaony sy ireo asany tsotra ny Lanonana .

Nadikan'i Eduardo Ávila

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.