Filipina: Fandikan-teny “Jejemon” sy ny Hetsika Global Voices

Voalohany indrindra, inona moa Jejemon? Izany dia fanambàrana manokana ny fomba fiteny amin'ny aterineto sy ny finday izay malaza loatra ampiasaina eo anivon'ireo tanora Filipiana ankehitriny. Ireo tompon'andraikitry ny Fanabeazana dia tsy faly amin'ity hadalàn'ny Jejemon ity satria mino izy ireo fa manaratsy ny fahaizan'ireo mpianatra ny tenim-pirenena izany.

Volana vitsivitsy lasa izay, Global Voices dia nanasongadina ny Jejemons ary notaterintsika ireo tenin'ny Urban Dictionary Website hamaritana an'i Jejemon

- olona manoratra toa izao pfOuh..
na MANAN-KARENA ianao, na ANTONONY na MAHANTRA rah manoratr toa izao enao dia RAISINA HO JEJEMON.
– (anarana na mpamari-toetra)—olona manam-pahaizana amin'ny fanoratana amin'ny solosaina…
– olona tsy mety leo manoratra renisoratra isaky ny fanehoan-keviny…
– olona KELY SAINA
– olona manimba ny moralin'ny tenim-pirenena amin'ny alalan'ny media fanoratana toa ny aterineto, finday…sns…
– olona tianao ompaina sy vonoina

- “emo”/joilahy izay manana ny toetra ratsy rehetra mety hisy.

vohikalan'ny Fandikan-teny Jejemon

Eto amin'izay àry ny Fandikan-teny Jejemon. Raha ny mahazatra dia tsy mampiasa fitaovana fandikan-teny ireo Filipiana mpampiasa aterineto satria ny ankamaroan'izy ireo dia mahay teny Anglisy. Nefa vao haingana teo, niakatra ny isan'ireo Filipiana mampiasa ny Fandikan-teny Jejemon ary manamafy ireo mpampiasa sasany fa “mbola tsara noho ny Fandikan-teny Google izy.” Mbola azo iadian-kevitra izany nefa mbola mampihomehy lavitra ny Fandikan-teny Jejemon.

Nahoana ireo Filipiana no mampiasa ny Fandikan-teny Jejemon? Eo ny hoe maro ireo te-hahafantatra ny dikan'ny teny Filipiana sasany amin'ny Jejemon. Te-hiala voly ihany koa izy ireo noho ny fomba fanoratra Jejemon sy ireo teny Jejemon mamphomehy.

Ndeha handràmana ny Fandikan-teny Jejemon. Raha ny mahazatra dia azo ampiasaina amin'ny fitovana fandikan-tenin'i Jejemon koa ireo teny Filipiana nefa aleo hatao miavaka ny androany ka hampiasàna teny Anglisy. Mamelà anay ‘hana-jejemon’ ny Hetsika Global Voices

Mino ny fahalalahana miteny izahay: ny fiarovana ny zo hiteny — sy ny zo hihaino. Mino ny fananan'izao tontolo izao alalana hiditra amin'ireo fitaovam-pitenenana izahay.

Ho amin'izany, izahay dia mikendry ny hanampy ireo rehetra te-hiteny mba hananany ireo fitaovam-pitenenana — sy ireo rehetra te-hihaino izany fitenenana izany, mba hananany ireo fitaovana hihainoana izany.

Noho ireo fitaovana vaovao, ny fitenenana dia tsy mila intsony ny fifehezan'ireo izay manana fomba famoahana sy fanapariahana, na ireo governemanta izay mety hametra ny eritreritra sy ny fifandraisana. Ankehitriny, na iza na iza dia manana ny herin'ny fampitàm-baovao. Na iza na iza dia afaka mizara ny tantarany amin'izao tontolo izao.

Izahay dia mikendry ny hanamboatra tetezana eo amin'ireo tevana manasaraka ny olona, ka ahafahan'ny tsirairay mifankahazo bebe kokoa. Izahay dia mikendry ny hiara-hiasa tsaratsara kokoa, ary hanatanteraka asa mitera-bokatra bebe kokoa.

Mino ny herin'ny fifandraisana mivantana izahay. Ny rohy misy eo amin'ny tsirairay avy amina tontolo samihafa dia azy manokana, ara-politika ary mahery. Mino izahay fa ny tafa ivelan'ny sisintany dia zava-dehibe ho an'ny hoavy malalaka, marina, manambina ary maharitra – ho an'ireo olom-pirenena rehetra eto amin'ity tany ity.

Raha manohy miasa sy miteny amin'ny maha-olon-tokana anay izahay dia mikendry koa ny hitady sy hizara ireo fitiavana sy tanjona iraisanay. Mianiana ny hanaja, hanampy, hampianatra, hianatra, ary hihaino ny hafa izahay.

Izahay no Global Voices.

miN0W Neh fah@lAl@H@nu@H M!TEny iZaHaY jej3jeje: ney fiar0v@nah Ny z0w hiTenY — sEh nEH ZOh hih@iNoh. M1n0h ny fUAnAnaN'iZ@0w t0WNtowl0H !zA0w alalaNuaH @m!n'iReoh Fi+A0wvUaM-p!teNEnuaNah iz@Haey.

h0h @m!N'!zany jejEjeJ3 ♥♥♥♥♥, !zAh@EY d!ah M!kEnDrEh ny haNAMpeh !rEoW r3hEtr@h te-h!tenEY mbuah HAnaNAnY !re0W f!Ta0vAM-P!teNen@n@h — s3y 1re0w reheTRah t3-h1hua!N0h IzuANy F1teN3nAnUaH !Zan3H, Mvu@h hAnanany ireoH FiT@oWv@Nah hiH@!N0anuah 1ZANy.

n0WHOh IreoW fIta0wvaN@h ♥ xD ♥ vUaOva0w L0lZ, NEH f1T3Nen@NaH d1Ah tzeh MIl@h !n+ZONeh nEh f!fehez@n'ire0wh !z@eh M@nAn@H F0wmvAh f@moah@n@h Sy faNAP@r1tuah@N@H, nah 1ReOwH GoV3rnemUantah izu@y ME+eh hUameTr@h n3H Eritr3riTrah Seh neH fifanDrua1zaNuah. ANkeh1tR!ny ♥♥♥♥♥, n@h 1Zu@h naH Izah Di@h mUan@n@h n3h h3Rin'ny f@mp1tàm-vaovuA0H. nuah !z@H nah iZah D!@h aFakah MIzUArUAH nY T@ntAruaney am!N'IZ@ow 2NtowlOh Iza0w.

izahAY D!AH m!keNDry ny han@mBo@TrAH teTezanaH E0H aM!n'ir3oW TevUaNAH MaNasU@rUak@H nY 0LoNah, KAh @h@fah@N'Neh tsIr@ir@Y mif@Nk@huazoh vEbe k0k0@h. 1zU@hUay diuAh miKeNDReH n3Y H!Aruah-hiAS@h ts@RaTsAr@H kOkoah, aR3h h@naTAn+eraKuAH azah MiterAH-BowKatr@h vEBE kokoah.
♥♥♥♥♥

Min0w NY HER1n'NY f!F@ndRAIzuaNAH mivuAnT@n@h izaha3H. ny roWHY MisEy eoh @M1n'Ny tsIR@iRuay diu@h @Zy muAn0K@N@H, arah-p0lIt!kAH ary m@hER3y. mIN0wH iz@HAeh fah N3h tuafaH !V3lu@N'Ny s!zin-tUAny diAh z@vah-Deh!be how @N'ny hoaveh m@lAluaKaH, mUaR1NaH, maN@mBInAh @rey mAhu@ritr@h – hoWh @n'iR3oH 0lom-p!Ren3n@H r3h3TRaH etOH @M1n'Ity tan3h ♥ xD ♥ !Ty.

RuAhah manoh3Y MIazah zY miTeNeH aM!n'n3h muaHah-Olon-t0WkuAnu@H @nAY iz@Huay dI@h Mik3Ndr3y kO@h NY h!+AdEh zy H!zu@r@h !Re0W f!tI@V@n@h zEh t@NjnaH !rAIz@n@ey. miN1@NAh Ny HAn@jAH, h@nampY JEj3j3Je ♥♥♥♥♥, h@mP!anU@TR@h, H1@n@trah, Ar3y hiHUAiN0w n3h HuaF@h 1zaHu@Eh.

!ZaH@3Y nOH glOWB@L ♥ xD ♥ v0icez p0wz.

Raha avy namaky io dikantenin'ny Hetsika GV amin'ny Jejemon io ianao dia ho takatrao ny fizarazaran-kevitr'ireo Filipiana amin'ny hadalàn'ny Jejemon. Na ianao mahita izany ho mahatsikaiky sy mahaliana, na ianao kiriko noho izany, indrindra noho ny fijaliana ateraky ny fomba fanoratana ampiasain'ny fiteny Jejemon. Na mino ianao na tsia, maro ireo tanora Filipiana manam-pahaizana amin'ny fandikàna sy fanoratana ny teny Jejemon.

Ireto misy teny notsongaina avy amin'ny Blog ni Borontok momba ireo Jejemons

Sady tsy tiako izy ireo no tsy halako. Nefa mieritreritra aho fa haitraitra ihany ny jejemon. Tsy voatery hanavakavaka na hanao tsikera mahasosotra momba azy ireo isika. Manana ny fiainany manokana izy ireo ary isika koa torak'izany. Ary safidintsika ny hiaraka amin-dry zareo na ny hamela azy eny fotsiny na ny hankahala azy. Nefa ny tena olana dia ny hoe nahoana no maro ireo Filipiana tohina tamin'ity haitraitra ity ka nanoratra zavatra mahasosotra any amin'ny blaogy momba ny fanabeazan'ny firenentsika, amin'ny vahoakan'ny firenentsika. Mety hoe tsy misy fotony izy ireo aminao fa izay no maha-izy azy. Ekeo ny zava-misy.

“Aza Mitsara olona amin'ny FOMBA FANORANY… *hahahaha”

Well, many are curious to learn the Jejemon equivalent of certain words in Filipino

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.