Serbia: Mpanao gazety iray nisy nanafika tanaty zotra fitateram-bahoaka

Tamin'ny Asabotsy faha 24 jolay, nisy namono tanaty fiarakodia mpitatitra olona (teny amin'ny lalana #83) tao Zemun, tanàna iray ao Belgrade i  Teofil Pancic, mpanao gazety fanta-daza iray,  mpanoratra ao amin'ny gazety-boky Vreme (“Time”) izay mivoaka isan-kerinandro .

Raha araky ny hevitry ny” Vreme“, lehilahy roa no nanafika an'i Pancic ka namely azy tamin'ny bara vy. Nampidirina tany amin'ny toeram-pitsaboana  izy ka tany no nitsaboan'ny dokotera ny ratra teo amin'ny lohany sy teo amin'ny sandriny ankavanana. Soa ihany fa tsy namoizany ny ainy izany ratra nahazo azy izany.  Manambara ny “Vreme” fa efa maty paika io fanafihana io:

Famelezana ny mpanao gazetin'nyVreme iray hafa indray ity, ankoatra ny fitazonana an-keriny an'i  Dusan Reljic tamin'ny alalan'ny fametrahana baomba tao an-tranon'i Dejan Anastasijevic, kanefa dia  mbola tsy voasambotra na nomelohana akory ireo nahavanon-doza hatramin'izao.

Niangavy ny manam-pahefana, ny mpitandro ny filaminana sy ny mpiasa ao amin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna ny mpanoratra ao amin'ny “Vreme” mba hikaroka ireo olona nanafika an'ilay mpanao gazety Teofil Pancis, hisambotra azy ireo sy hampiakatra azy ireo any amin'ny fitsarana.

Nanazava ny fizotry ny zava-nitranga i Pancic tao amin'ny  Pescanik, tranonkala iray miompana manokana amin'ny resaka politikan'i  Serbie sy Balkan, ny zon'ny mahaolombelona sy ny maro hafa koa izay tsapa fa manan-danja, hentitra amin'ny fanakianana ny mpitondra matetika ny mpanoratra ao, hoy izy namintina izany:

Izaho dia  sady tsy manao asa tsy ara-dalàna eo amin'ny fiainako, no tsy manana trosa na amin'iza na amin'iza , no mbola tsy  mifandray amin'ireo  mpanao ratsy, tsy misy azoko atao afa-tsy ny maminavina ny mety ho antony namonoana ahy. Mety ho nisy nifandraisany tamin'ny asa aman'andraikitro izany. Tsy mahita fanazavana hafa ankoatra izay aho.

Mitovy amin’ ny nolazain'i Pancic ny eritreritr'i  Loader mpitoraka blaogy mikasika ny anton'io famonoana io.  Nanoratra izy:

Fanafihana ny mpanao gazety… tsy vao izao no nahitana io trangan-javatra io. Misy zava-baovao afaka ambarantsika ve momba io resaka io? Ny voina mahazo an'i Pancic dia  mahazo antsika ihany koa. Niantefa tamintsika ny hafatra tamin'ny alalan'iny voina nahazo an'i Pancic iny, dia ny hoe tokony hangina sy hanaiky ny zava-misy am-pitoniana isika […]. Fa dia tsy hangina mihitsy kosa isika manoloana izany.

Jereo etsy ambany ny fanamarihana sasantsasany mihoatra ny 200 nataon'ny olona tao amin'ny Loader:

Man ray loves me:

Mihoatra ny fetra tokony ho izy io [voina]. Mpankasitraka an'i Teofil aho. Ary malahelo azy mafy.

Libkonz:

Tena mahatsiravina mihitsy ity trangan-javatra ity. Tsy tokony avelantsika hanjaka eto amin'ny firenentsika ireo mpaneritery ireo.

Jelica Greganovic:

Tsy hitako izay azo hambara, ary ireo mpitaingina ilay fiarakodia izay nanatri-maso izany koa dia nijery fotsiny no nataon'izy ireo. Mba nisy olona ve niezaka ny nanavotra azy?

AlexDunja:

Azoko an-tsaina mihitsy ny tahotra. Nefa  samy manana finday avokoa ny tsirairay…tokony afaka niantso ny mpitandro ny filaminana sy ny fiarakodia mpamonjy marary ny olona…

Nahatsiaro ny herisetra niseho teny amin'ny làlan'i Belgrade tamin'ny taona 2008 i Drago Kovacevic raha nanambara ny fahaleovantenany i  Kosovo:

Amin'ity indray mandeha ity, tsy mahazo alalana hanafika ny masoivoho sy ny moske (fiangonan'ny Silamo] izy ireo [ireo tia tanindrazana], nefa tsy nisy nandrara azy ireo hanafika an'i Teofil. Mampalahelo mihitsy izany. Izaho mihevitra fa afaka misambotra ireo nahavanon-doza izy ireo raha tiany izany.

I masovna_keva dia  namaly ireo mpametraka fanamarihana izay mieritreritra fa tsy hampangina an'i Pancic velively iny trangan-javatra iny:

Mazava ho azy fa tsy hangina eo anatrehan'izany izy fa dia tena hita taratra tokoa fa miverina miaina ny zava-nisy tany amin'ny taona 1990 i Serbie, fa ny tsy mampitovy azy fotsiny dia tsy maintsy manaporofo ny fiovany i [Ivica Dacic, minisitry ny atitany sady filohan'ny antoko mpanohana ny fanjakana izay notarihan'i Slobodan Milosevic]ka mety hanafaingana ny fisamborana [ireo mpanao ratsy] izany.  Namoaka lahatsoratra iray tao amin'ny Pescanik i Goran Miletic, sady mpanentana ao amin'ny ONG no mpitoraka blaogy no sady  mpisolovava manam-pahaizana manokana amin'ny resaka zon'olombelona, ao amin'ny Civil Rights Defenders (komitin'i Swedish Helsinki taloha), ka naminaviana momba izay mety mbola hitranga aorian'io herisetra niseho vao haingana tao Belgrade io izy:

Nisy namono tamin'ny fomba fanaon'ny Serba i Teofil Pancic, mpanao gazety sady olom-pirenena. Nisy roa lahy niakatra tao anaty fiarakodia lehibe iray mpitatitra olona teo afovoan'i Zemun, nanantona azy izy ireo, rehefa avy nanaraka azy avy  ao aoriana, dia nanao ny nataony amin'izay izy ireo teo imason'ireo mpitaingina ilay fiara. […]

[…] Sahiko ny manao fanamby fa tsy maintsy hitranga ny iray amin'ireto vinavinan-javatra telo ireto:

1. Tsy hahatratra an'ireo mpanao ratsy mihintsy ny mpitandro ny filaminana […]

2. Mety ho voasambotry ny mpitandro ny filaminana haingana ihany ireo mpanao ratsy, fa ny biraon'ny mpampanoa lalàna sy ny fitsarana no mety ho  ela fiasa. […] Raha izay no miseho, mety hiandry ela dia ela isika vao hisy ny fanamelohana na ny fotoam-pitsarana na koa izy roa mitambatra mihitsy aza. Ohatra azo raisina tsara ny raharaha mikasika  ilay tovovavy mpanao gazety iray  [Brankica Stankovic], sy i  [Bosko Brankovic] mpaka sarin'ny TV B92 sy maro hafa koa izay maneho ny fomba fizotry ny raharaha sy ny faharetany izay tsy nahenoana fanazavana ny antony  akory.

3. Mety ho voasambotry ny mpitandro ny filaminana ireo mpanao ratsy ary haingana dia haingana ny fomba fiasa ao amin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna eo amin'ny fanamelohana azy ireo dia hanomboka indray ny famonoana an'i Teofil fanindroany. Ho an'ireo tsy mahafantatra ny fomba fandehan'ireo sehon-javatra ireo, dia entanintsika izy ireo hanadihady ny fizotry ny raharaha mikasika ny [fahafatesan'i Bris Taton]. Tsotra dia tsotra ny fomba fiasa – ahena  avokoa ny haben'ny ratra mba ahafahana milaza fa mifanohitra amin'ny voalaza ny zava-niseho. […]

Manadihady izay mety ho fihetsiky ny mpisolo vavan'ireo mpanao ratsy sy ny fianakavian'izy ireo ary ny fihetsiky ny vahoaka rehetra i Miletic etsy ambany. Hitany sahady ny fihetsiky ny ankamaroan'ny mpiasa ao amin'ny haino aman-jery fa tsy hifanaraka amin'ny tokony ho izy no tsy matihanina. Hoy izy mamintina izany:

[…] Ireo mpiasa amin'ny haino aman-jery vitsy an'isa izay mitatitra ny raharaha araka ny tena izy dia tsy ampy velively eo amin'ny fampitàna hafatra mazava tsara amin'ny vahoaka, nefa hatramin'izao dia mbola tsy misy hafatra mazava tsara heno mikasika ny fivoaran'ny fitsarana ilay raharaha momba ny fahafatesan'i  Bris Taton. Misy ireo mpiasa amin'ny haino aman-jery sasany  izay mikasa ny hanao hetsika indray ka mangataka mba ho raisina toy ny “olona ambony,” ireo mpanao gazety nefa sady tsy hanampy eo amin'ny fanasaziana ireo mpanao ratsy izany no tsy hanakana ny fiverenan'io trangan-javatra io amin'ny ho avy.

Nanameloka ireny fanehoana herisetra ireny koa ny fikambanan'ny mpanao gazety, ireo mpitondra fanjakana sasany, ny antoko politika sy ny mponina ary mangataka amin'ny manam-pahefana mba hampiseho fihetsika araka ny tokony ho izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.