Sina: ny valan-tserasera fitaovam-panakorontanana ara-politika

Tena volana nahaliana tokoa iny volana lasa iny teo amin'ny kilalaon'ny fangalam-piery nisy teo amin'ny fanivanana ny aterineto Sinoa sy ny tsy fanarahana ny fomba raikitra. Nanomboka nahatsapa ny havesatry ny faneren'ny governemanta ireo mpitoraka bilaogy madinika ao amin'ny Repoblika Entim-bahoaka, noho ny fivoahan'ny tatitra avy amin'ny Akademian'ny Siansa Sosialy Sinoa (CASS) manambara fa lasa “fitaovana fanakorontanana ara-politika” ny valan-tserasera. Nanambara ny The Internet Blue Paper, araka ny navoakan'ny CASS tamin'ny voalohandohan'ny volana Jolay, fa nanampy tamin'ny fandrisihana adim-poko tany Xinjiang tamin'ny 2009 izay nahafatesana 200 ary naharatrana 1,500, ny bilaogy madinika sy ireo valan-tserasera, toy ny Facebook. Hoy izy :

Hita ho toerana iray fihaonan'ny mpisintaka ampitan-dranomasina tany  Xinjiang ny Facebook… Nanjary lasa fitaovana ara-politika fanakorontanana saim-bahoaka ampiasain'ny firenena tandrefana ny valan-tserasera, anisan'izany i Etazonia .

(…)

Eo anatrehan'ny lazan'ireo toeran'ny valan-tserasera ireo … dia tsy maintsy ilaina ny fanaraha-maso … [ary ] jerena akaiky ireo mety ho loza mandindona sy ireo loza mety hitranga .

Taorian'ireo rotaka ireo, nosakanana daholo na ny Facebook na ny sehatry ny bilaogy madinika Twitter tao amin'ny Repoblika Entim-bahoaka , izay nijanona ho tsy azo nidirana raha tsy mampiasa fitaovana proxy na ireo tambajotra manokana virtoaly (VPNs). Nakatona tamin'iny taon-dasa iny ihany koa ny bilaogy madinika eo an-toerana , Fanfou, noho ny fankalazana ny faharoapolo taona ny tsingerin-taonan'ny fanoherana teo an-kianjan'ny Tiananmen tamin'ny taona 1989 . Na izany aza, nijanona ho nalaza tsy manam-petra mihitsy ireo mitovy aminy avy eo an-toerana, indrindra ny sasany amin'ireo vavahadin-tseraseran'i Sina sy Sohu ary Neatease. i Sina Weibo fotsiny izao no ahitana mpampiasa mihoatra ny 5 tapitrisa , araka ny notaterin'i AFP , naneho ihany koa ny antontan'isan'ny governemanta fa eo amin'ny Sinoa mpampiasa aterineto, 176 tapitrisa no mampiasa  valan-tserasera tamin'ny faran'ny taona 2009, ary eo amin'ny 20 hatramin'ny 29 taona ny ankamaroan'izy ireo .

Niharan'ny hatezeran'ny mpanaramaso ny aterineto ihany koa anefa ireo mitovitovy aminy ireo . Fotoana fohy taty aorian'ny tsy nahafahana niserasera taminy (izay noho ny antony ara-pikarakarana fa tsy noho ny fanakanan'ny governemanta, raha ny filazan'ny solotenan'ny mpikarakaran'ny mpanjifa Sohu tamin'ny resany tamin'ny WSJ), tsy maintsy nametraka sary famantarana kely ‘beta’ teo akaikin'ny sarim-pamantarana ny vohikala toy ny Sina Weibo, Neatease ary i Tencent. Ny tiany lazaina dia toy ny hoe mbola misy ny zavatra hohamarinina, ka mbola maodely no atolotra aloha. Mamehy ny zava-misy i Bnext

各家網站異口同聲地表示,與政府命令無關,只是單純網站維護;新浪網行銷中心副總劉奇表示,從去年八月微博上線,其實一直都是試用階段,目前正在策劃上線一週年紀念日再度啟用儀式。儘管如此,數家網站同時出現「beta」版本還是讓網友擔憂,部分網友更在網路上發表,顯示維護的真正原因是中國政府勒令清除敏感內容,並稱為「713殺博事件」。

manambara avokoa ny vavahadin'ny tranonkala rehetra fa tsy misy idiran'ny governemanta ity resaka ity, fa resaka fikojakojana fotsiny. Nilaza ny tale lefitry ny departemanta misahana ny tsena ao amin'ny  Sina fa tao anatin'ny fotoan'ny beta ny bilaogy madinika Sina nanomboka tamin'ny volana Aogositra ary mikasa ny hanokatra ny ny tranonkala indray izy ireo amin'ny tsingerin-taona voalohany. Na izany aza, somary mampatahotra ihany ny zava-misy fa maro amin'ireo vavahadin'ireo tranokala no nanjary nivadika ho dika “beta” . Nilaza ny mpampiasa aterineto sasany fa ny baiko fanakanan'ny governemanta hamafana ireo vontoatiny mahasorena no antony ao ambadiky ny fikarakarana. Nantsoin'izy ireo hoe “famonoana ireo bilaogy madinika 713″ mihitsy moa izany .

Nanandrana nampihatra ny petra-kevitra amin'ny fanafohezana rohy hoe amin'ny an'ny Sina Weibo no mety ny ekipan'ny ChinaGeeks :

Araky ny hitanareo ao amin'ny Sina Weibo, nanandrana nandefa rohy dimy izahay . Ny efatra voalohany dia ny mba hampadio sy hanesorana ny fanakanana ireo vohikala ivelan'i Shina, ao anatin'izany ny lahatsoratr'i New York Times sy ny tranonkalan'ny Orinasam-piantohana Geico . Navadika ho rohy fohy ireo efatra voatonona ireo, ary mamerina hafatra tsy mety izy ireo raha vao tsindriana . Na izany aza, miasa tsara ny fanafohezana rohy rehefa avy eto an-toerana (an-tanindrazana) ilay izy (youku.com) teo amin'ny andrana fahadimy.

Noho izany, tsy misy na inona na inona — na inona na inona — afaka mifandrohy amin'ny alalan'ny Sina Weibo intsony ka hoe tsy vohikala Shinoa. Tsy hilaza ny hevitro aho eto. Hanosika ireo Sinoa mpampiasa aterineto ivelan'ny Rindrina Fanivanana Lehibe izay mikaroka ny traikefan'ny bilaogy madinika tsy mihevitra ve izany fa tsy misy ny antsasaky ny aterineto (any ivelany)? Iza no mahalala .

Nandika ny lahatsoratry ny mpahay lalàna sy mpitoraka bilaogy, Liu Xiaoyuan, ihany koa ny bilaogy fifampitana izay manome ny antsipiriany mikasika ny ady nataony amin'ireo teknikan'ny fanakanana Sinoa . Nofoanan'i Sohu tampoka izany lahatsoratra izany, na dia mbola voasakan'i Sina hatrany aza izany (loza nitranga tampoka , raha nahita ny marika ‘beta’, nanoratra fiangaviana misokatra ho an'ny tranonkala tsy hanala ireo lahatsoratra ao ireo mpitoraka bilaogy madinika ):

Tamin'ny Martsa 2007 , nanomboka nanakana sy nanafina ny sasany amin'ireo lahatsoratro ao amin'ny bilaogiko i Sohu. Leo an'izany aho ary tamin'ny 16 aogositra 2007, nampiakatra izany fitsarana aho tao amin'ny Fitsaran'ny Etim-Bahoaka tao amin'ny distrika Haidian . Herintaona sy fitsarana roa taty aoriana, nolavina daholo ny fitoriako roa 2 . Na mahita ny fandikàna ny zon'ny vahoaka ny haneho malalaka ny heviny aza moa ny Fitsaran'ny Etim-bahoaka nefa tsy miraharaha izany akory , inona no azoko atao?

(…)

Tamin'ny 28 Jolay 2009, efa nanoratra tao amin'ny bilaogiko Sohu aho nandritra ny telo taona mahery . Io andro io no voalohany noterena hikatona ny bilaogiko. Tsy nilaza na inona na inona tamiko izy ireo [hoe fa naninona no nakatona tampoka ny bilaogiko ]. Noho izany , rehefa tsy hiteny amiko na inona na inona ianareo , ka hilaza zavatra aminareo ! Misoratra anarana haingana amin'ny bilaogy Sohu aho ary nanome an'i Sohu izay ao an-dohako.

Tsy noheveriko mihitsy hoe hovonoina ity bilaogy ity tamin'ny 12 Jolay 2010, talohan'ny nahatrarany ny faha herintaonany . Tamin'ny 13 jolay , nanokatra bilaogy Sohu hafa aho, fa iray andro ihany izy no velona dia “novonoina” tamin'ny 14 Jolay .

Hoy aho taloha hoe, ny fomba tsara indrindra hanoherana izany rehefa akaton'izy ireo ny bilaoginao, dia ny manokatra hafa indray. [Nanokatra bilaogy hafa aho ] Tena tsy haiko mihitsy hoe mandra-pahoviana indray ity iray ity no velona .

Toa niserana ihany aloha ny olana na izany aza . Nandramanay indray ny ChinaGeek-n'ny Sina Weibotamin'ny maraina, miasa daholo izy rehetra ireo ao anatin'ny fetran'ny Rindrina Fanivanana. Fanampin'izany, tahaka ny hoe eo ampialana aina ny rindram-baiko malaza. Nakatona noho ny tsy fisian'ny fanohanana ara-bola ny tetik'asa ofisy natao hampiroborobo ny rindram-baiko noheverin'ny ministry ny Indostria sy ny Teknolojia Vaovao ampidirina avy hatrany miaraka amin'ny solosaina. Najanona avokoa ny fikasana tsy maintsy hametrahana [ny rindrambaiko] noho ny fandavana henjana dia henjana avy amin'ny tontolon'ny bilaogy, anisan'izany ny fanambarana mandehandeha avy amin’ ireo Mpiserasera tsy fantatra anarana tamin'ny volana Jona 2009 .

Noho ity fotoan-dehibe tamin'ity volana ity, namoaka ny Gazety Fotsy voalohany momba ny aterineto any Sina ny fitondrana, izay namaritra fa ” tena mianoka feno ny fahalalahana eo amin'ny fanehoan-kevitra amin'ny aterineto ny olompirenena Sinoa .” Izany no misy  raha mbola tsy “voatohitohina ny tombotsoam-pirenena, sy fiarahamonina ary ny iraisana na ny fahalalahana ara-dalàna sy ny zon'ny hafa.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.