Haiti: Iharan'ny herisetra ireo vehivavy sy zazavavy nafindra toerana

Vokatr'ilay horohoron-tany nandringana tany Haiti, mbola iharan'ny herisetra ihany ireo vehivavy sy zazavavy, ary ny sasany amin'izy ireo dia tsy hoe voaolana fotsiny ihany, fa mbola mizaka ny tsy fisian'ny rafi-pitsarana sy ny tsy fahampian'ny fitsaboana ihany koa.

Tent City in Haiti by Edyta Materka

Tent-City avy amin'i Edyta Materka mampiasa ny Creative Commons Attribution License.

Ao amin'ny blaogy Ms. Magazine Blog, Gina Ulysse nanoratra hoe ao anatin'ny fiainana andavanandron'ireo vehivavy miaina any amin'ireo toby Haitiana ny fanolanana, izay hanondroany ny Ivon-toerana  misahana ny Fitsarana sy ny Demokrasia any Haiti [Institute for Justice and Democracy in Haiti (IJDH)] sy ny Tatitr’i Madre mikasika ny Fanolanana any amin'ny Tobin'ireo Olona tsy Manan-kialofana (IDP) toy ny loharanon’ antontan'isa mampihorohoron'ny fanaovana herisetra.

Maro ireo vehivavy sy zazavavy no very tambajotra mpanohana azy ireny na very ray, rahalahy ary vady na sipa izay mety ho afaka niaro azy ireny. Noho izany dia manimba ny fiainany manokana ny fiarahany miaina amin'ny daholobe any amin'ny toby, maro ireo voatery mandro eny imasom-bahoaka sy matory eo akaikin'olona tsy fantany akory na any amin'ireo toerana izay mety hahavoan'ny herisetra azy ireo. Rehefa mitranga ny herisetra, maro amin'ny tranga no fanolanana itambaram-be, tsy maintsy mbola hiatrika dingana hafa izy ireo: ny ankamarony tsy manana fomba ahafahana mahazo fanampiana ara-pitsaboana avy any amin'ireo vehivavy mpitsabo ary tsy mbola misy izany rafi-pitsarana izany, mamela azy ireo hiditra amin'ny kolikoly amin'ny polisy sy ny taimbavan”ireo manam-pahefana ho fanampin'ny fijalian'izy ireo tamin'ny daroka sy ny fahafantarany fa mbola mirenireny any ireo nidaroka azy. Ulysse manoratra:

Mbola tena ratsy ny fahazoan'ireo vehivavy ny rariny. Ireo vehivavy izay niharan'ny fanolanana–ary amin'izao dia miady amin'ny fijaliana sy ny vokatra ara-tsain'ireo fanolanana ireo– dia matetika no hesoina na nodin'ireo polisy tsy hita. Ohatra sasany, tsy maintsy nijoro nanoloana ny kolikoly ataon'ireo mpitandro filaminana ihany koa ireo vehivavy ireo. Ary koa, mbola tsy notsarain'ny fitsarana Haitiana nysasany amin'ireo tranga ireo. Ireo sisa velona tamin'izany dia marefo satria mbola miaina eo amin'ny manodidina ny toby izay nidarohana azy ireo izy ireo ary dia tsy mbola voaasazy ireo nanolana azy ireo. Vehivavy maro no nitatitra fa voaolana tamina fotoana samihafa  nanomboka tamin'iny horohorontany iny.

Ny IJDH, Mpiara-miasa ao amin'ny Tetikasa mikasika ny Fahasalamana sy ny Tetikasa vaovao Media  Mpisolovava dia namoaka horonantsarin'ny fijoroana  vavolombelona avy amin'ireo niharam-boina volana vitsy lasa izay. Sandy Berkowitz no naka ny horonantsary ary i Harriet Hirshorn no namoaka izany.

Na dia miady ny hiverina amin'ny fiainana andavanandro aza ireo vehivavy ireo, toa tsy mampino loatra ny hivoaran'ny fiainan-dry zareo satria toa lasa hivadika ho toerana fipetrahana raikitra ireo toby vonjimaika. Tamin'ny volana Janoary, CARE USA nanadihady an'i Dr. Franck Geneus izay mandrindra ny tetikasan'ny Fahasalamana CARE any Haiti ary nanontany azy mikasika ireo antony mahatonga ny firongatry ny  fanolanana marobe any amin'ireo toby ireo, ary nilaza ireo toetoetra mahatonga ny tobin'ny IDP ho tany lonaka ho an'ny herisetra izy: ny tsy fahampian'ny herinaratra izay mahatonga ny toby ho maizina amin'ny alina, ny haratsian'ny fandrindràna  ireo toby ary ny tsy fanasarahana ireo toeram-pandroana sy ireo fanaovana maloto ka mba ho samy manana ny  azy manokana ny lahy sy ny vavy.

Janet Meyers, mpanome toro-hevitra ao amin'ny CARE dia nanome ny tolo-tànany manokana momba ny fomba tokony hanamboarana ireo toby ireo hiarovana ireo vehivavy sisam-paty vokatr'iny horohorontany iny, miresaka mikasika ireo tranga maro niseho tamin'ny volana Febroary . Manontany tena aho hoe firy amin'ireo olana ireo no mbola tsy voavaha ary rahatoa ka izany, satria toa ho lasa toerana raikitra ireo toby ireo, dia hanokatra lalàna mankany amina famonoana mihoatra noho ny efa misy fotsiny izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.