Maneran-tany: Mikendry ny hampivelatra ny aterineto web ny Mozilla Drumbeat

Ny Mozilla Foundation, mpamorona ny fitetiala Firefox, dia namoaka ny Drumbeat, tetikasa mikendry ny hamory olona avy amin'ireo sehatra maro samihafa indrindra sy avy amin'ny faritra maro maneran-tany, handinika ireo tetik'asa hanandratana ny fisokafan'ny tontolon'ny aterineto. Mpampianatra, mpikirakira teknolojia, mpamolavola, mpamorona, mpahay lalàna, mpandika teny: ny rehetra izay mampiasa sy tia ny aterineto dia asaina mba hanampy hampivoatra ny tontolon'ny aterineto ho toerana tsaratsara kokoa, ary hitazona azy hivelatra sy ho maimai-poana.

Drumbeat dia misahana izay rehetra momba ny fitazonana ny tontolon'ny aterineto hivelatra, ary ny fiarovana ny toetrany misokatra:

Te-hanomboka fihetsiketsehana izahay. Te-hitazona ny tontolon'ny aterineto hisokatra mandritra ireo zato taona ho avy izahay. Ny dingana voalohany: fanasàna anareo hanao sy hanatanteraka izay mety hanampy ny tontolon'ny aterineto. Izay no Drumbeat — tetik'asa fampiharana sy hetsika any an-toerana izay hanangona olona marani-tsaina, tia mamorona, misahana hevi-dehibe maro, hamaha ireo olana ary hanangana ny aterineto misokatra.

Amin'ireo tetik'asa asongadina, Universal Subtitles, tetik'asa rindram-baiko sy vondrom-piaraha-monina maneran-tany hanisy teny fanazavàna, sary ary dika teny ireo horonantsary rehetra amin'ny aterineto. WebMadeMovies nataon'i Brett Gaylor (mpamorona ny RIP: The Remix Manifesto), “lab” vaovao manova ny fomba famoronana sy fahaizantsika momba ny horonantsary amin'ny aterineto, ary ny P2PU School of Webcraft, fomba vaovao matanjaka hampianarana sy hianarana ireo fahaizana momba ny famoronana tranonkala.

Mozilla Drumbeat in São Paulo, June 2010. Photo by Diego Casaes.

Voalisitra ao amin'ny vohikalan'i Drumbeat ireo karazana tetik'asa maro hafa. Help me Investigate, tetik'asa fanaovan-gazety avy amin'ny vaovao entin'ny vahoaka, dia mizara ny zotra famotopotorana ho fizaràna kely ka ahafahan'ireo mpilatsaka an-tsitrapo handray anjara ary hanamarina ireo vaovao. Tsidiho ny pejy misy ireo tetik'asa eo an-dalam-panatanterahana.

Tany Rio de Janeiro any Brazily no nandefasana ofisialy ny Mozilla Drumbeat, tamin'ny volana Martsa 2010. Ankoatra ny fanangonana olona amin'ny aterineto hiasa amin'ireo tetik'asa ireo, mampirisika ireo vondrona ihany koa Mozilla hihaona any amin'ny faritra sy tanàna misy azy hidinika momba ny aterineto misokatra.

Hatramin'izao dia nisy hetsika efatra tany Brezila; ny farany indrindra dia natao tany São Paulo [pt] ary nahaangona olona avy amin'ny faritra 13 any amin'ny firenena: manomboka any atsimo indrindra ka hatrany afovoan'ny alan'ny Amazonia. Nisy hetsika Drumbeat koa tany Parisy, Toronto ary Bolgaria. Hita ato amin'ity pejy ity ny vaovao momba ireo hetsika lasa sy ho avy.

Ny aterineto mikatona dia mampitohana ny fanavaozana sy ny varotra, ary mamono ny fiaraha-miasa. Ny aterineto misokatra kosa voarahon'ireo zaridaina mifefy, sakan-dàlana, mpiambina vavahady, famorian-kery ary ny tsy fahabangan'ny fiarovana ny fiainana manokana. Noho izany ny Drumbeat dia nokendrena hahazoana hevitra sy olona hiantohana fa hisokatra sy halalaka mandrakizay ny tontolon'ny aterineto. Manomboha tetik'asa, na mandraisa anjara amin'ireo izay efa miasa!

Fanambaràna: Izaho dia mpikambana ao amin'ny ekipa mikarakara ny hetsika Mozilla Drumbeat any Brezila.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.