Georgia (Zeorzia): Ady mangatsiaka, hasambàrana mangatsiaka

Herinandro monja mialoha ny tsingerintaona faharoan'ny  ady tselatra teo amin'i Rosia sy Georgia [Zeorzia] hifehezana ny faritra mpisintaka ao Atsimon'i Ossetia, mamily ny fifantohan-tsainy ho any amina ady mangatsiaka iray misy eo amin'ireo firenena roa ireo kosa i  Evolutsia, ny ao Abkhazia. Niaraka tamin'ny fizakan-tena nomen'i Rosia azy roa taorian'ny ady tamin'ny 2008, mitondra fanamarihana amina tatitra iray vao haingana momba ny fipongaran'ny herisetra vaovao ifanaovan'ny foko indray ilay blaogy no sady nanampy ihany koa fa ny fiakaran'ny influence-n'i Rosia any amin'ireo repoblika tsy mbola nahazo fankatoavana na avy aiza na avy aiza dia tsy dia misy mankasitraka loatra araka izay mety ho fieritreretan'ny maro azy.

Raha maro amin'ireo  Abkhazians, ary indrindra indrindra fa ireo ao amin'ny sarangan'ny mpanao politika, no mahatakatra fa ny fanampian'i Rosia dia ary mitohy ho tena filàna goavana amin'ny fanasarahana azy ireo amin'i Goergia [Zeorzia], dia misy fahatsapana misonga ihany koa fa hoe misy zavatra tsy manjary ny fifanarahan-dry zareo amin'i Kremlin.

[…]

[…] miaraka amin'ny fisian'ny Rosiana amin'ny fitantanana ny tetibolan-dry zareo, ny sisintaniny, ary indrindra indrindra fa ny làlana miantoka ny fitaterana, Tena azo antoka ny hisian'ny fihetseham-po te-hitroatra avy amin'ireo Abkhazians momba ny tena fahamarinan'izay lazaina ho ‘fahaleovantenan-’dry zareo sy ny maha tsimatimanota sitrahan'ny Rosiana amin'ny fitazonana ny familiana ny raharaha ara-toekarena sy ara-politika  Abkhaziana rehetra.

Ny fihetseham-po te-hitroatra toy izany, laroin'ny tena disadisa efa atrehana rahateo— toy ny fizarazarana ara-bola— dia mety ho vanja handrehitra ny afo. Ny rivotra iainana efa mamay sy ireo disadisa dia mety hitondra mankamin'ny herisetra, izay mety hitondra amin-javatra henjakenjana kokoa raha toa ireo manampahefana  Abkhazian, na Rosiana tsy afaka hifehy ny zavatra rehetra amin'ny alalan'ny fitantanana mendrika an'izany. […]

Miaraka amin'ny firongatry ny h erisetra izay efa zary mahazatra, indrindra any amin'ny sisintany iraisan'i Armenia sy Azerbaijan raha toa kosa mizotra mankany amin'ny tsy fahombiazana ny ezaka hikatsahana fandriampahalemana amin'ny fifanolanana ao  Nagorno Karabakh, mpanidinika maro no mihevitra fa tsy “mangatsiaka” tanteraka akory ny fifanolanan'ireo faritra telo ireo.

Na izany aza, mitohy hatrany ny fampiasàna io fomba fiteny io raha vao resaka momba an'i Abkhazia, Ossetia Atsimo sy Nagorno Karabakh, miaraka amina tweet iray nalefa avy amina kaonty ana blaogy Zeorziana iray, Dream for our Brotherhood (Manofisa firahalahiana), ilazany fa izao dia midika koa ho “hasambarana mangatsiaka.”

“Tsy fahasambarana ny ady. Ady mangatsiaka, hasambàrana mangatsiaka. Ndeha isika hamaha ny olana ary hamerina indray ny fahasambàrana!” – Mankamin'ny fandriampahalemana

Ilay blaogy koa dia manamarika amina tatitra anaty video iray [GE/RU/EN] mamintina ireo eritreritra samihafa avy amin'ireo mponina momba ireo ady mangatsiaka roa any Ossetia Atsimo sy Abkhazia.

Mizarazara be ihany ny fanehoan-kevitra eo anivon'ny fiarahamonina Zeorziana momba ny hamahana ilay ady sisintany.

Singa iray ao anatin'ny fandrakofana manokan'ny  Global Voices ny fifanolànana any amin'ny faritr'i Caucasus ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.